Paka, i Jesoa no nitsangana (fa tsy bitro na atody)

 

Paka indray ny andro, fety sy fifaliana no mameno ny fo taorian'iny karemy, 40 andro, izay nandinihana ny fijalian'i Kristy iny. Alohan'ny resa-bitro dia tantaraiko kely ny fety taty. Nanomboka tamin'ny 11 alina ny lamesa. Na dia avy be aza ny orana alina dia feno ihany ny fiangonana ka tsy afaka nipetraka ny lehibe... raha tsy faram-parany. Nitontona tsara tamin'ny 12 alina ny hira voninahitra izay nampanenoana ny lakolosy lava reny. Tomombana ny feo ka nazava tsara daholo ny vakiteny 8 nitantara ny tantaram-pamonjena sy evanjely. Ny toritenin'ilay mompera koa nanentanentana na dia efa dilan'ny sasakalina aza. Fa ny tena nanoratako dia momba ity resa-bitro mandritra ny Paka ity. (tohiny)

Fandraisana ny Papa Fransoà

2013-03-13 @ 23:31 in Izaho sy ny ahy, Finoana sy Fivavahana

Dia isaorana an'Andriamanitra fa mbola teny amin'ny Bazilikan'i Md Piera teny Vatican indray koa aho tamin'ny nandraisana an'i Papa Fransoà, toy ny tamin'ny andron'i Benoà XVI.... efa nampoizipoiziko ihany, na dia be aza ireo mpanakivy, fa androany no ho voatendry ny Papa vaovao. Ny tany am-piasàna dia gaga hoe tena ho eny ve aho satria vatrako ny naka congé tapakandro hariva kanefa mety tsy hisy Papa mbola hivoaka akory. Zoma avokoa no noeritreretin'ny olona. Fa izaho nanantena ihany hoe tsy hiandry ela izany ny Kardinaly.

 (tohiny)

Ny Katolika sy ny fialàn'ny Papa

2013-02-13 @ 10:27 in Finoana sy Fivavahana

Nanao filazàna izany ny Papa Benoa XVI tamin'ny 11 febroary lasa teo fa hitsahatra amin'ny maha Evekan'i Roma azy amin'ny 28 febroary amin'ny 8 ora alina. Izany dia midika fa tsy Papa intsony koa izy manomboka amin'io fotoana io ary manomboka ny "Sede vacante"  mandra-pifidy ny Papa vaovao hisolo azy.

11 febroary

Tsy kisendrasendra velively no nifidianan'i Papa Benoa XVI ny datin'ny 11 febroary nanambarany ny fitsaharany. Andro iraisam-pirenena natokana ho an'ny marary ary ho an'ny tononandro katolika dia fankalazana an'i Masina Maria Mpanjakavavin'i Lourdes, mpiahy ny marary. Ny antony nolazain'i Papa mahatonga io fitsaharany io dia mifandraika indrindra amin'izay, tsy ho zakany intsony ny adidy apetraka aminy satria tsy salama ary ao anatin'ny fahanterana izy. 

Miamboho adidy?

Benedykt XVI (2010-10-17) 4Ny resaka mandeha etsy sy eroa amin'izao fotoana izao dia ny hoe miamboho adidy ny Papa. Tsy matoky an'Andriamanitra angaha izy no niala? Fantatry ny Papa tsara ny mety ho vokatry ny fitsaharany tsy ho Papa. Nolazainy rahateo tamin'ny kabary nataony izany hoe "fantatro ny halalin'izao fanapahan-kevitro izao" saingy notohizany hoe "nefa ny mahasoa ny Fiangonan'Andriamanitra no ambony kokoa amiko". Izany hoe ny adidy lehibe ho an'ny Papa dia ny Fiangonana aloha, mialoha izay mety ho fitsaràna na fitsikerana mahazo azy. Efa Papa nandritra ny 8 taona izy, fantany ny asa nataony sy ny mbola miandry azy, fantany koa ny efa nanampian'Andriamanitra azy sy ny mbola hanampian'Andriamanitra azy, ka "tao anaty fivavahana sy fandinihan-tena", hoy ihany izy, no nandraisany ny fanapahan-kevitra. Herim-po lehibe sy fatokisana an'Andriamanitra amin'izay sitrapony manaraka no fahitako izany fanapahan-kevitra izany.

Ara-dalàna tsara koa ny fitsaharan'ny Papa Benoa XVI. Ny lalàna fototry ny Fiangonana Katolika dia milaza mazava fa afaka mandà ny maha Papa azy ny Papa, ary tsy mila alàlana avy amin'iza na iza izy, raha toa ka ao anaty fahalalahana sy tsy voateritery izy no manao izany. Voafaritra tsara ao koa araka izany hoe inona no mitranga raha toa ka mitsahatra toa izany ny Papa.

Voateritery ve ny Papa ?

Betsaka no mieritreritra fa mety nisy faneriterena, mivantana na ankolaka, ka mahatonga izao fanapahan-kevitry ny Papa izao. Raha ny hevitro manokana dia tsy nisy izany. Tsy fotoana mamparefo indrindra ny Fiangonana izao. Tamin'ny roa taona lasa no tena narefo ny Fiangonana vokatry ny resaka "pédophilie" ary hita narefo mihitsy na ny Papa aza, niaiky sy  nifona tetsy sy teroa. Saingy tamin'ireny izy dia tsy niala satria mbola nila niatrika ireny olana rehetra ireny. Amin'izao fotoana izao kosa no fotoana hitany hoe milamindamina hahafahana mitsahatra. Ankoatr'izany dia olona manana ny mahaizy azy  mihoatra ny hafa aza raha i Ratzinger. Tsy izy mihitsy no hiforitra eo ambany faneriterena, fa ny mifanohitra amin'izany aza no matetika mitranga. Na izao fitsaharany izao fotsiny dia efa taratr'izany satria inoako fa nisy ireo tsy nanaiky ny hitsaharany saingy tsy naharesy lahatra azy. Tsy voateritery ihany koa ny Papa satria tsy hita hoe iza no mety  haneritery azy. Tsy nisy mihitsy hatreto eveka na kardinaly eritreretina hoe namiratra mety hisolo ny Papa. Amin'izao izy niala izao aza dia mbola tsy manana endrikendriky ny mety ho Papa vaovao mihitsy ny eto Roma.

Tsy toa ny Papa Joany Paoly II ?


Ny fampitahàna tonga ao antsaina voalohany dia ny nataon'i Papa Joany Paoly II izay tsy niala mihitsy mandra-pahafatiny na dia teo aza ny aretina nahazo azy. Efa nanomboka tamin'ny taona 2000 tokoa no betsaka ny nieritreritra hoe sao dia tokony hiala ny Papa Joany Paoly II saingy nolazainy tamin'izany fa hozakainy miaraka amin'i Kristy ny hazofijaliany. 

Voalohany indrindra aloha dia Papa samy hafa mihitsy i Joany Paoly II sy i Benoa XVI. Itsy voalohany dia tonga teo amin'ny fitondrana tao anatin'ny fahatanoràny tsara. Olona nivelatra be kokoa na tamin'ny fifandraisana izany na tamin'ny toe-tsaina anaty ihany koa. Naharitra be ihany koa izy no teo amin'ny fitondrana. Ireo rehetra ireo dia anisan'ny nanentana azy tsy hiala. Fantany tsara ny zavatra ilaina aminy sy efa nataony nandritra ny taona maro ary fantany fa mbola vitany izany ka tsy nampaninona azy ny nijanona ho Papa na dia maro aza ireo nieritreritra hoe tokony hiala izy.

Manaraka izany, nandritra ny fotoana faramparany izay niarahan'i Kardinaly Ratzinger tamin'i Papa Joany Paoly II dia hitany tsara ny herimpo sy ny tanjaka anaty niainan'ity Papa ity. Nony tonga Papa izy dia fantany tsara hoe hatraiza ny mety ho vitany sy ny vokatr'izany. Efa hatramin'ny 2008 sy tamin'ny 2010 ny Papa Benoa XVI no nilaza mazava fa manana zò hitsahatra amin'ny maha Papa azy ny Papa raha tsapany fa tsy ho vitany intsony izany. Koa dia io notanterahiny io.

Fehiny

Marina fa tampoka ho an'ny maro ny fihetsiky ny Papa Benoa XVI saingy efa nampoizina ihany hoe mety hitranga satria efa naverimberiny teo aloha ary efa maro koa ireo nanipy hevitra nandritra ny fotoana nankarary ny Papa Joany Paoly II. Ny Papa Benoa XVI dia hitsahatra amin'ny maha Papa azy, fa tsy amin'ny maha mpanompon'Andriamanitra azy. Misy endrika maro ny fomba hanompoana an'Andriamanitra ka tsy manelingelina velively ny Fiangonana ny fitsaharan'ny Papa tsy ho Papa intsony. 

Koa tsy olana velively ho an'ny Fiangonana Katolika mihitsy ny fitsaharan'ny Papa. Fankaherezana sy fideràna ny  herim-pony aza no ataon'ny katolika amin'izao fotoana izao. Mivavaka ho azy amin'izay làlana mbola hodiaviny ary manankina ny Fiangonana eo an-tanan'Andriamanitra hatrany

Takelaka Katolika finday

2012-10-29 @ 00:55 in Finoana sy Fivavahana

Io indray no tetikasa an-dalana ato ho ato. Ezahina hivoaka tsy ho ela. Tsy dia nanam-potoana loatra aho nianarana ny teknolojia finday fa tato ho ato (androany...) dia mba nisy fotoana kely nijerena ny "jquery mobile" izay fitaovana azo ampiasaina hanaovana ny takelaka finday. Nisy namana mahafatra-po koa efa miketrika ny baiboly katolika amin'ny finday ka dia hifameno eo ireo takelaka ireo. 

katolika mobile

Don Bosco any Madagasikara: midika inona?

2012-08-25 @ 06:54 in Finoana sy Fivavahana

Miteraka resa-be ho an'ny tsy katolika, ary mety mampametra-panontaniana ho an'ny mpino katolika ihany koa, amin'izao fotoana izao ny fandalovan'ny sisan-taolan'i Don Bosco any Madagasikara. Tonga tao Toliara tamin'ny 16 aogositra lasa teo tokoa mantsy ny vata fitaratra misy ny sisan-taolan'i Md. Joany Bosco ka entina mitety ireo tanàna misy ny irak'asa ataon'ny Salezianina ao Madagasikara ka hipaka hatrany Antsiranana mandritra indrindra ny JMJ (Androm-pirenena ho an'ny tanora) amin'ny maha mpiaro manokana ny tanora azy. Katolika aho no manoratra, hevitra amin'ny maha katolika no zaraina ary fomba katolika no resahina. Noho izany mety tsy ho azon'ny tsy katolika mihitsy ny resaka. Na izany na tsy izany dia zaraina ho an'ny rehetra mba hahalalana hoe hay toa izany no fandraisana sy iainan'ny katolika izao hetsika lehibe izao.

 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry