Fampidirana sary Facebook

2011-03-18 @ 15:43 in Serasera.org

Noezahina nahitsy sy nandramana omaly sy androany ilay fampidirana sary avy ao amin'ny Facebook mankao amin'ny namana.serasera.org dia hita fa efa mandeha. Izany hoe na omaly aza izy dia efa nety fa miadana be fotsiny ilay dingana lalovana. Noezahina notsotsorina izany dingana izany ka mba efa segondra vitsivitsy sisa dia miseho ny sary. (tohiny)

Mersenera informatika

2011-03-08 @ 21:50 in Serasera.org

Tsia, tsy ilay resaka roa farany nataoko teto amin'ny blaogy talohan'ity no tena anton'ity lahatsoratra ity fa zavatra hafa mihitsy. Fotoana elaela ihany izay dia manafika be mihitsy ny spam teto amin'ny blaogy.com, na ireo mpametraka lahatsoratra feno dokambarotra eny amin'ny hevitra rehetra eny amin'ny blaogy eny.  Notadiavina ny vahaolana dia mba nihena kely ry zalahy fa mbola tsy fongana ihany. Tamin'iny herinandro iny ary dia ilay fitaovana hoe reCaptcha no nampiasaina (Eny, novidian'ny google ihany koa ny reCaptcha). Hitako nihena be ny spam fa mbola misy ihany :-)

Dia nitaditady tetsy sy eroa aho hoe vitandry zalahy koa ve ny nandrafa ny reCaptcha? Koa tsy maty antoka i Google nividy azy? Avy eo nefa hitako nisy nilaza fa tena olombelona no mametraka ireny spam ireny indraindray. Izany hoe misy manakarama mihitsy ry zalahy hametraka pub be dia be izay tratra.  Mazava ho azy fa tsy mahavita betsaka tahaka ny taloha izy fa mbola mahavita ihany: copier-coller dia vita. Koa raha io no marina, dia tsy ho voasakana mihitsy na dia hasiana fametrahana lavotondro aza alohan'ny  hametraka hevitra. Afaka adidy aho noho izany an :-)

Fa miresaka an'ireo mersenera informatika ireo ihany dia hasiako resaka fara-parany ilay nolazaiko tamin'ny lahatsoratra roa talohan'ity. Efa mila ho azo antoka izao fa ry zalahy avy ao amin'ny RTA no tena migafy ao amin'ny karajia.org. Avy any Madagasikara izy na dia noheverina hoe avy aty andafy aza teo aloha. (Sa ilay akama lasa nanao vakansy any Dago?). Olona vitsivitsy izy (ekipa) fa tsy olona iray. Ankoatra ny fampiasana proxy anonyme, izay efa voasakan'ny fitaovana napetraka, dia manjary miovaova ip koa ry zalahy ary ip any Dago no ampiasainy. Client-n'ny moov aloha ry zalahy. Ary mino aho fa voakarama ry zalahy satria nahoana? Raha olona tsy mahazo tombony manokana, tombony ara-bola bebe mihitsy, dia tsy handany adin'ny 6 mahery mandritra ny iray andro hitadiavana fomba hanafihana ny kaajia. Tena miezaka mitady ny fomba rehetra mihitsy (hatramin'ny mandoa vola hividianana vpn). Koa efa tonga any Dago koa izany izao ny mersenera informatika.

Tsy mampaninona aloha raha mahazo vola sy mahazo tombony tokoa... efa mba misy iray mahazo tombony fa tsy hoe ry zalahy maty antoka moa izaho koa maty antoka. Tsiky dia ampy :-)

 

 

Toe-draharaha karajia.org

2011-03-06 @ 07:05 in Serasera.org

Efa andro vitsivitsy izay no niadiana tamin'ireo bandy  mpigafy ao amin'ny karajia.org. Efa nisy ihany ireo fepetra noraisina vitsivitsy saingy tsy afaka manoatra firy satria manjary betsaka koa ny ankizy voasakana raha tena ampiharina daholo ny fitsipiky ny aro loza rehetra. Ny hirariana fotsiny dia mba ho eo hatrany ny ops rehefa raikitra ny fanafihana satria azon'ny op sakanana ihany ilay izy.

Fa toa izao ny zavatra kely azo zaraina momba io karajia.org io.

Nanomboka tamin'ny 22 janoary 2010 dia naka lohamilina (serveur) manokana ho azy ny karajia.org rehefa avy nampiasa ny tambazotra (reseau) epiknet.org nandritra ny 7 taona. (Tamin'ny 2003 tokoa mantsy no nanomboka nisy chat teto amin'ny serasera ka tao amin'ny epiknet.org no nangataka trano.) Tsy dia sarotra loatra ny nametraka ilay lohamilina satria natao faran'izay tsotra. Araka ny nolazaiko dia tsy dia nandaniana andro be loatra ny resaka fiarovana satria tsy noheverina hisy hanafika izany mihitsy izy io.

Nanomboka nisokatra tsara tao amin'ny tambazotra karajia.org ary ny efitra #serasera ny 23 janoary 2010 izay efitra ofisialy voalohany. Misy eo amin'ny 50 eo ny salanisan'ny ankizy mi-chat ao isanandro. Misy fotoana mahatratra 80 tsy ao anatiny ny robots isankarazany.

Nanomboka tamin'ny Jolay 2010 dia notehirizina ny resaka rehetra mandalo eo amin'ny efitra #serasera. Nanomboka tamin'io ka hatramin'izao anoratako izao dia mahatratra 1.489.844 ny isan'ny andalana voasoratra tao. Mahatratra 34.573 kosa ny isan'ny solonanarana efa nandalo tao. Marihina fa ny solonanarana iray dia tsy midika hoe olona iray. Amin'izao dia 19 ny efitra voatahiry ankoatra ireo efitra izay foronin'ny ankizy fa tsy tehiriziny.

Misy solonanarana voatahiry (enregistrés) 129 amin'izao fotoana izao. Marihina fa ny solonanarana voatahiry dia voafafa ho azy ao anatin'ny 40 andro. Ireo solonanarana 129 ireo izany dia ireo izay nampiasaina tao anatin'ny 40 andro farany.

Raha ireo rehetra ireo no dinihina dia rariny ihany raha misy manafika isanandro ny karajia.org. Izy no chat gasy tranainy indrindra, izy no chat gasy be mpi-chat indrindra, izy no manana mpikarakara be fandeferana indrindra :-p

Koa mahereza fa ny lalao mbola ho ela

Karajia under attack

2011-02-23 @ 17:16 in Serasera.org

Niharan'ny fanafihana mahery vaika (lol) tato ho ato ny serveur irc-n'ny karajia.org. Mikolay daholo ny ankizy rehefa tena raikitra ilay izy. Eny e, tsy dia tena mahery vaika manao ahoana fa manelingelina fotsiny. Ary raha ny tokony ho izy ary dia tsy tokony hiseho akory ilay izy... fa izany hoe nisy.

Tsy tokony hiseho satria serveur privé ny karajia.org, tsy dia misy hoe olona hafa avy any ivelany mampiasa. Ny efitra ao dia ny an'ny serasera ny ankamaroany. Olona fantatra daholo na mifankahafantatra daholo (virtuellement) no tena ao. Noho izany tsy dia misy handany ron-doha hanafika ao satria tsy misy tombony. Izany rahateo no tsy nandaniako ron-doha hiaro be loatra an'ilay serveur. Mandany ressources sy fotoana fotsiny kanefa tsy hisy hanafika akory. Eritrereto hoe mipetraka any ambanivohitra lavitra andriana ianao, ianao sy ny fianakavianao irery no eo amin'ny tanàna... tsy manana harem-be sy ny sisa... dia matetika tsy manidy trano. Toa izany no niheverako ny karajia.org

Tato ho ato anefa dia tonga ny mpamosavy malemy. Ny ao antrano ihany no asiana. Araka io nolazaiko eo ambony io dia tsy olona avy any ivelany fa tsy maintsy izahay samy izahay ao ihany. Mampiasa izao fitaovana rehetra (andaniana vola mihitsy) hanafihana ny réseau karajia.org. Betsaka ny karazana attaque ataony amin'izany, flood, cycling, CTCP flooding any amin'ny mpitsaty hafa. Misy ny ankizy izay tsy tapaka matetika satria tonga dia mitobaka be ny tosaka alefany dia tapaka ny fifandraisana. Mamorona canal manokana mihitsy dia izy irery no mi-flood ao mba handavoana ny serveur.

Androany ary dia tafaresaka izahay roalahy (sa mianadahy satria tsy hay na lahy izy na vavy). Dia fanadrohadroana an-kolaka moa no nataony voalohany, toa ny hoe "reraka ve" sy ny hoe "hosakanana koa izany ity". Izaho kosa nanontany ny tena anton'ilay fanakorontanana. Nolazainy tamin'izany fa manandrana sy mianatra izy. Dia eto amin'ny serasera no mampiasa izay kely hainy. Dia nijanona tamin'ny "hahaha" sy ny "mdr" moa ny resaka nifanaovanay. Izaho rahateo amin'io sady miezaka misakana ny zavatra ataony atsy ambadika ihany.

Koa androany izany dia lany indray ny tapakandro hariva nametrahana tao amin'ny karajia.org ireo fiarovana rehetra tokony atao amin'ny reseau lehibe... na dia tsy lehibe aza ny karajia.org... vokatry ny nataon'olona iray. Manampy ahy hianatra be be kokoa koa izay... Tsiky dia ampy fa nandany fotoana sy ron-doha fotsiny.

Miandry ny tohiny indray izany izao.

Nodimandry ny Mpam's

2010-11-05 @ 14:45 in Blaogy Dev, Serasera.org, Informatika

Tsy hoe avy akory ny orana nefa misy masoandro. Io mantsy no famantarana tamin'izahay mbola kely rehefa misy mpamosavy maty. Fa raha ny fahitako azy dia nanjavona tsikelikely ny SPAM (na PAM'S gasy) tato ho ato. Angamba vokatry ny nanovana ny fond-n'ilay sary kely. Nasiako soratsoratra hafa mantsy ilay sary ka nanjary nifangaro tamin'ilay isa eo amboniny. Raha ny tokony ho izy dia tsy voavakin'ny milina intsony io fa tsy maintsy olombelona mihitsy vao mahita tsara ilay isa... asa anefa fa ny mpam's moa mpam's eny ihany. Fa saika hiteny aho hoe mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valinkitsaka.

 

Raha toa moa ka mbola velona ihany dia ho avy ny fitaovana lafatra kokoa... 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry