« | »

Angamba... Fa...

2006-05-27 @ 23:38 in Blaogy Dev

Tsy haiko na naninona aho androany fa niverina tampoka ny tononkalo. Ahatsiarovako ireo namana izay mitaraina hoe avelan'ny olon-tiany irery ao antrano rehefa mody alina iny izy... na ireo ilaozan'ny olon-tiany vao maraina rehefa mi-defoule iny izy sns...

Ny tononkalo vitsivitsy nosoratako sy mbola hosoratako dia azonao jerena ao amin'ny Tononkalon'i Tsiky dia ampy 

Angamba... Fa...

Angamba tsy voaantsoko
Dradraiko an-tafontrano
Ho ren'izao tontolo
Fa ambakain'ny masoko
Malia manganohano
Sy izaho mitsangambolo
Rehefa ilaozanao
Fa mbola tiako ianao

Angamba tsy hanoratako
Tononkalo lava
Manambatamba-tsento
Fa ambakain'ny habako
Mandrahon-tsy misava
Izaho misefosefo
Rehefa ilaozanao
Fa mbola tiako ianao

Angamba tsy mba tongako
Ho ren'izato tany
Ilay fitia tinory
Fa ambakain'ny ondako
Ataoko ambony ambany
Izaho tsy azon-tory
Rehefa ilaozanao
Fa mbola tiako ianao

Angamba tsy hananganako
Takelaka vaovao
Ho fantatry ny ankizy
Fa ambakain'ny tanako
Manao ny tsy fanao
Mangovitra izaitsizy
Rehefa ilaozanao
Fa mbola tiako ianao

Angamba tsy hitanao
Fa mbola tiako ianao

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry