Merry Madagascar en video

2009-11-26 @ 21:06 in Sarimihetsika

Ny tena mahaliana ahy amin'ity Video ity dia ilay Kilalaka nandritra ny segondra vitsivitsy. Nandihy kilalaka i Dadabenoely :-)

 

Miala any Riffeur sy ny fandaharana Rock Metal ma-ve-sa-tra

2009-11-24 @ 15:29 in Politika

Manomboka amin'ny alakamisy izao dia hiverina indray ny fandaharana Rock Metal ao amin'ny RadioVazoGasy.com. Isaky ny alakamisy amin'ny 8 ora sy sasany alina (Ora Paris) dia hanainga antsika amin'ny mavesatra indray Riffeur izay efa nanao izany teto amin'ny RadioVazoGasy hatramin'ny volana vitsivitsy lasa izay.

Amin'ity indray mitoraka ity dia mbola tsy be teny i leiry fa amin'ny fandaharana ho avy dia hisy toy ny mahazatra ny fampahafantarana ny tontolon'ny Rock Mavesatra, ny vaovao momba ny hira sy ny mpihira.

Dia ao indray izany mihaona e. 

Eritreritra mandalo

2009-11-23 @ 15:41 in Serasera.org

Eo am-pampidirana tsikelikely ny Eritreritra mandalo ao amin'ny namana.serasera.org aho amin'izao. Efa nandeha nanomboka omaly izany. Ny Eritreritra mandalo dia toerana hampidiranao izay zavatra tianao hozaraina amin'ny olona fotsiny tsotra izao.

Raha efa nampiasa valam-piarahamonina hafa ianao (myspace, facebook, orkut, hi5, buddypress) dia io no ilay antsoindry zareo hoe "status", na "fil d'idées", na "wall" na "wire"... Dia nisalasala aho hoe inona no hiantsoana azy eto amin'ny serasera? Saika natao hoe "Indraim-bava" fa tsy dia niraikitra loatra na dia fohy aza. Koa dia eritreritra mandalo no hita fa mety.  

Azo zaraina daholo izay mandalo fa aza ratsy eritreritra fotsiny. 

http://namana.serasera.org/namana/post 

Inona no idiran'i Kotity amin'izany?

2009-11-18 @ 04:46 in Politika

Efa henonareo ve io fomba fiteny io? "Inona no idiran'i Kotity amin'izany?" Matetika rehefa miresaka miaraka iny dia misy mitsatsaingoka tampoka hoe "Inona no idiran'i kotity amin'izany?"... tsy nisy resaka Kotity mihitsy teo ary tsy misy idiran'ilay fanontaniana akory. Ny niandohany angamba dia satria angamba mafy loatra tamin'ny olona ny nataon'i Kotity ka dia nafatratra tany amin'i Kotity daholo ny zava-nitranga rehetra teo amin'ny fiainany. Na dia ny akoho matin'ny barika aza dia i Kotity no omena tsiny. Taty aoriana moa dia navoakan'i Andry Rajoelina avy any Tsiafahy i Kotity satria resy lahatra izy fa tsy namono olona izany ilay rangaha io fa gadra politika fotsiny. (tohiny)

Sambatra izay noana

2009-11-17 @ 09:58 in Ankapobeny, Izaho sy ny ahy

Nanomboka omaly ny fihaonana an-tampon'ny FAO izay vondron'ny firenena mikambana miahy ny ara-tsakafo. Efa hita tselika sahady fa tsy dia hisy vokany loatra ho an'izay tena miandrandra zavatra azo tsapain-tanana ny fivoriana. Betsaka aza moa ireo filoham-pirenena goavana tsy tonga fa angamba nihevitra izany fivoriana izany ho toy ny fandaniana andro ihany. 

Maherin'ny iray lavitrisa hono ny olona noana eran-tany. Izany hoe ny 1/6-n'ny mponina eran-tany... izany hoe raha mahita olona enina ianao amin'ny ankapobeny dia ny iray amin'ireo mijalin'ny hanoanana. Mazava ho azy, tsy hitanao mivantana izay satria tsy mitsinjara akory ilay hanoanana. (Ahitsiko, raha toa ka mahita olona 6 ianao ka tsy mahita olona 1 mijalin'ny hanoanana dia eritrereto hoe any ambadika any izany misy mahita olona 2 mijalin'ny hanoanana ao anatin'ny 6.)

Ny antso avo azo atao ho an'ny tsirairay amin'izao fotoana izao angamba dia ny hoe, rehefa mba tsy noana dia aza manary sakafo. Aza mandanilany foana fa misy olona noana antapitrisany any maniry ny hihinana ny latsaka ao ambany latabatrao.

Fa iverenako ny lohateny hoe "Sambatra izay noana" izay ao amin'ny baiboly (Mt. 5,6) izay raisin'ny mpitory teny anjambany fotsiny vokatry ny fitsimponana andininy ka mampitombo ny fandrebirebena fanahy sy tsy mampitroatra ny voan'ny tsindry hazo lena. Voalohany aloha dia tsy hoe "sambatra izay tsy ampy sakafo" no tiany lazaina satria izy aza nalahelo tamin'ny nahita ny olona noana ka nanjary nanao fahagagana nampitombo ny mofo mihitsy mba hamokisana azy. Fa hoy izy hoe "Sambatra izay noana sy mangetaheta fahamarinana"... dia ny tohiny hoe "fa ho voky izy". Faharoa, raha ampifandraisina amin'ilay hoe "Sambatra izay mahantra am-panahy" dia tsy midika tsy fahampiana fotsiny ilay hanoanana eto, ka mahatonga fahakiviana sy fiononana, fa midika fitadiavana mitarika fanantenana sy fahafaham-po. Farany, ny olona noana no mahita tsirony rehefa misakafo :-)

Sarimihetsika faran'ny herinandro

2009-11-13 @ 16:20 in Sarimihetsika

Ireto ny sarimihetsika ezahiko hojerena amin'ity faran'ny herinandro ity.

 

  1. Boy A : Toa mahaliana hono
  2. Imagine That : Hihomehezana kely miaraka amin'i Eddie Murphy
  3. Mauvaise foi : film efa tamin'ny 2006 fa ohatry ny nahaliana ahy ny momba azy
  4. Quelqu'un de bien : Ilay quelqu'un de bien tamin'ny 2007 no notadiaviko dia ity indray no hitako. Toa mahaliana ihany anefa.
  5. Tricheuse : Karazana horonantsary tiako :-) 

 

Nivaha ny olan'ny @serasera.org

2009-11-12 @ 09:32 in Serasera.org, Izaho sy ny ahy

Androany vao voavahako ny olan'ireo izay manana adiresy @serasera.org sy @namana.serasera.org, izaho anisany. Tsy maharay ny email rehetra miainga avy ao amin'ny serveur-n'ny serasera.org mihitsy izahay hatramin'izay. Na fanovana tenimiafina izany, na filazana hoe misy hafatra voaray sns. Ny antony dia satria tsy alefan'ny serveur mivoaka mihitsy ny email fa heveriny hoe "local delivery" dia nefa tsy hitany ao amin'ny "local" ilay adiresy dia mi-bounce fotsiny dia very any. 

Sendra hitako t@ internet ary hoe mila asiana MX entry ao amin'ny local zone-n'ny DNS. Dia atontona any amin'ny mx-n'ny google izany dia nety ilay izy. Toa izao izany no nampidirina tao.

serasera.org. IN MX 10 aspmx.l.google.com. serasera.org. IN MX 20 alt1.aspmx.l.google.com. 

  

Miala amin'ny mpiavonavona dia miditra amin'ny mpiavonavona

2009-11-10 @ 08:05 in Politika

Anisan'ny tsy (n)itiavan'ny olona an-dRavalomanana mihitsy ilay fizahozahoany etsy sy eroa. Ny teny an'avona fanaony. Marina fa nahavita zavatra maro izy ary tena nampandroso tokoa ny firenena fa ilay mizahozaho dia mahabe fahavalo. Misy ny miteny hoe tsy mba manaja olona izy, ilay fomba fiteniny mihitsy no tonga dia mahadikidiky.

Fa rehefa dinihina ity dia toa izany koa no ataon'i Rajoelina. Zara raha vao tonga teo amin'ny toeran'ny filohan'ny tetezamita izy dia efa niala any ny hoe "Vous pouvez m'appeler président"... ohatra ny hoe izany no tena manan-danja. Noezahina mafy  mihitsy ny nitazona io hoe "Président" io hatramin'ny  nipetrahany teo. Ary izao izy niverina avy any Addis-Abeba izao indray moa dia ny nahafaly sy nampirehareha azy voalohany dia ilay hoe nandresy hono izy fa "Mbola izy ihany no prezidà"... Toa mampite hiteny hoe "Raha izay no nilainy, omeo azy any fa andao isika hanatsara ny firenena". Izay mihitsy aza angamba no tao antsain'ireo nivory tany hoe aleo izy hilingilingy eo amin'ny "Prezidà" eo fa izay hanarenana ny firenena jerena.

Ny  mampanahy ahy dia ny momba ny fifidianana ho avy. Raha olona te ho Prezidà mafy toa izany ve dia tsy hilatsaka hofidiana? Ary raha milatsaka ka resy ve dia hahatanty resy? Tsy hisy fanonganam-panjakana vaovao indray raha sendra resy eo?... Ho hita eo ihany

Hisy tantara izany androany... efa henoko :-p

2009-11-04 @ 09:13 in Ankapobeny, Serasera.org

Hanomboka androany alina amin'ny 20h30 ny tantara ao amin'ny Radiovazogasy.com. Vao fanombohana io ary vao fanombohana ny amin'ity roa volana faran'ny 2009 ity. Noho izany dia indroa isambolana ihany no mbola hisy tantara ary tantara iray ihany no averina henoina amin'ny alarobia fahatelon'ny volana. 

Manana tantara "ordinera" betsaka ny Radiovazogasy, tantara nandeha t@ radio hafa taloha, ary efa saika resy lahatra aho hoe ireny tantara ireny no hamenoana ny banga, kanefa toa mahafinaritra koa ilay "ekstraordinera". Ny maha-hafa kely ny tantara tiana havoaka ato ho ato dia satria "isika" ihany no milalao azy. Izany hoe tsy matihanina fa dia namana mitovy amin'ny tena. Ny tantara holalaovina moa dia izay atolotry ny mpanoratra fantatra na ny namana ihany koa.

Androany hariva ary dia ilay tantara hoe "Antso diso" nosoratan'i FX Manah no handeha. Rehefa henoina dia mahafehy tsara ireo nolazaiko eoambony ireo. Dia mampiteny hoe "Alefaso koa ny manaraka eeee...".

Aza adino ary (tsy maninona na adino aza fa mbola misy @ tapabolana), androany alina amin'ny 20h30 dia averina indray amin'ny tapabolana amin'ny 20h30.

Ny sosokevitra alefaso ihany rehefa avy mihaino :-) 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2009 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry