Famintinana ny vakansy 2011

2011-08-26 @ 07:32 in Izaho sy ny ahy

 

Vita indray iny ny fotoam-pialan-tsasatra. Tamin'ity taona ity aho no tena tsy nahavita n'inona n'inona indrindra. Isan-taona mantsy dia misy zavatra mivaingana kely foana mba ataoko, fa vokatry ny tsy fanomanana angamba dia aotra tamin'ity. Zara raha nanitsy kely ny rakibolana.org sy nanavao ny takelaka.org fotsiny.

altNisy rahateo ny Fihaonana serasera Roma III ka somary nibahana ny fandaharam-potoana. Tsy dia tamin'ny fanomanana loatra, satria ankoatry ny emails maro be nifanakalozana tamin'i Rondro sy Andry, dia tsy hitako loatra izayy nataoko, fa tamin'ny fanatrehana azy mihitsy. Nitontona tao anelanelan'ny congé-ko koa ilay izy (izaho no adala) dia tsy afaka nankaiza na taloha na taoriany. Afa-po tamin'ilay fihaonana kosa nefa aho. Tsy araka ny ahiahiko tam-boalohany. Efa any amin'ny antsary.com any ny sary. Misy video koa ao amin'ny http://roma3.divers.serasera.org koa dia mbola mamerina ny fisaorana ho an'ny nikarakara rehetra sy ireo tonga koa.

Nandritra iny fialan-tsasatra iny izany dia niezaka nitrandraka sy nizaha ireo toerana manodidina ny toerana misy anay no tena natao. Tsy dia tany an-dranomasina loatra satria amin'izao, hatramin'izay nialana tany Roma izay, dia mandeha 100km vao mahita ranomasina... Ny gasoil efa lafo. Misy toerana vitsivitsy mahaliana rahateo eto an-toerana.

Tany an-tendrombohitr'i Monte Livata, ohatra, dia tsara rehefa ilay mafana iny ny andro. 15km miala ao an-trano fa fiakaram-be Misy tany malalaka be, misy hazo koa, dia tonga dia misy fatana ho an'izay te hitono hena... 

Farihin'i Turano (eny, misy "rano" ilay anaran-tany) izay 50km fotsiny. Farihy artifisialy lehibe. Azo ilomanosana tsara. Tsy dia be olona toy ny any Bracciano, ilay niarahana tamin'ny serasera. Efa nifaramparana ny vakansy vao hita ilay izy, tamin'ny google maps. Afa-po tsara tany tamin'ny lomano. Ny tora-pasika any fotsiny no feno vatokely ka mila mitondra kapa... ary tsy afaka tena manao ladina an-tany rehefa mitsilailay... raha tsy hoe mitondra kidoro :-)

altNy toeram-pilalaovana naleha dia tao Guidonia, ilay hoe Aquapiper, izay 50 km miala ao antrano. Toeram-pilalaovana rano, misy dobo filomanosana enina, amin'ny halaliny avy, misy figorisana amin'ny heriny avy. Misy ilay figorisana antsoiny hoe Kamikaze... izay mitsotsorika, angamba 75°... fa tsy nidirako lalina :-). Ilay anakiray somary mandrimandry kokoa aza efa saika tsy vitako. Ela be mihitsy ny 5 segondra nigorisana tamin'ilay izy, izaho amin'izany nihidy vazana mafy. Tokony niverenana imbetsaka amin'izay zatra, 20 euros ny fidirana. Tany amin'ny Zoomarine 145km, izay nandehananay talohan'ny vakansy, dia 25 euros ny fidirana. Misy hafa koa hono any Valmontone 35km, fa toa 35 euros ny fidirana.

Ny teo an-tanàna moa dia fety isan-kariva. Izay no mahafinaritra ahy mipetraka any am-banivohitra. Rehefa fotoam-pialantsasatra dia misy fety foana, ary maharitra hatramin'ny aorian'ny misasakalina. Karazam-pety, ao ny hirahira, ao ny tsena, ao ny fisakafoanana, ao ny fetim-piangonana. Dia faranany amin'ny afomanga hatrany.
Nahafinaritra iny 3 herinandro iny. Raha atambatra tamin'ny fotoana azoko tamin'ny desambra izay nandehanana tany Madagasikara izany dia nahatratra 10 herinandro ny fotoana fialantsasatra tamin'ity taona ity :-). Aleo tsy mimenomenona...

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aogositra 2011 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry