Picasa no fitaovana atsy ho atsy

2011-09-28 @ 22:38 in Informatika

Koa satria efa hiditra tsikelikely amin'ny fotoanan'ny Google+ isika atsy ho atsy (izaho tsy miteny hoe hiala Facebook daholo). Izany hoe samy hampiasa ny kaonty Google-ny amin'izay (Jereo eto ny momba ny Google+) koa rariny raha aseho anareo amin'ny fomba tsotra ny atao hoe Picasa izay fitaovana fandaminana sy fikirakirana ny sary vokarin'ny Google. Azo ampiasaina dieny izao ny Picasa na dia tsy mbola manana kaonty Google aza.  (tohiny)

Troubleshooting log

2011-09-24 @ 15:02 in Blaogy Dev

(napetrako ato ity hotehirizina fa azon'izay te-hamaky vakinaa ihany koa)
Nivika ny firewall tao am-piasana omaly. Nampiasa pfsense 1.2 izahay izay mifototra amin'ny freebsd. Tsy dia tiako loatra ny pfsense satria tsy mety tsara ilay content filter-ny. Efa nanandrana nisakana facebok tao ampiasana aho dia tsy nety fa nahita fika ny olona. Fa omaly, tsy dia tena tandritandriko loatra dia nanao upgrade-n'ilay pfsense ho 2.0 aho. Vita ny upgrade de ni-reboot ilay serveur dia tsy nety intsony. Tsy nisy internet intsony ny birao rehetra, ordinatera 50 mahery. Nojerena ilay serveur dia ireny rack 19 ireny, fa tsy misy lecteur CD. Tsy nis azoko natao omaly satria tsisy internet hitelecharger-na n'inona n'inona. Na izany aza dia nanao 2h supp ihany.
Tany antrano dia nijery ireo alternatives mety azo ampiasaina... Misaotra ny http://alternativeto.net. Nalaiko daholo na pfsense na ClearOS (Clarknetwork taloha) na monowall na smoothwall. Nanamboatra Bootable USB roa nanandramana raha misy azo boote-vana amin'ny USB ireo. Nety ni-boot daholo tany antrano fa rehefa tena hi-install dia mangataka CD foana. Dia tsy maintsy nanamboatra bootable CD ihany aho izany.

Niala tamin'ny 5 sasany tany antrano mba ho tonga vao maraina tao am-piasana. Tamin'ny 7 mahery tokoa aho dia efa tonga. Nandramana ihany aloha ny USB sao dia mba mety fa e e e. Dia tsy maintsy nosokafana ilay serveur. Soa fa nisy connecteur IDE sy alimentation libre tao dia lasa nitady lecteur CD tam machine hafa aho natao taminy. Namboarina ny BIOS mba hi-reconnaitre CD amin'ny boot dia no-installer-na aloha ny clearOS. Hitako hoe mba pro kokoa. Vita dahlo ny config rehetra, joignable ilay firewall fa tsy misy internet. Lany andro mihitsy aho ni-verifier azy fa tsy nnisy fika. Farany dia nesoriko ilay izy dia ilay smoothwall indray no nampidirina. Mazava be ny config-n'ilay smoothwall. Misy an'izany hoe fil mena (WAN) sy fil maitso (LAN) izany. Tonga dia nety tsy niandryy ela. Nohamarinina vonjimaika aloha dia hita hoe afaka mijery internet daholo ny kil. Amin'ny alatsinainy amboarina tsara ny NAT sy ny rules isankarazany.
Andeha hiasa am'zay lol.



Arthur: tsy mahasambatra tokoa ny harena

2011-09-23 @ 10:31 in Eritreritra mandalo

Arthur Billboard 6647 Sari-mihetsika ratsiratsy nojereko tamin'ity herinandro ity ilay hoe Arthur (2011). Tantarana mpandova iray, zanaka mpanan-karena tsy manan-katao afatsy ny mandany ny fananany tsy mety lany. Tsy mianatra, tsy miasa, misotro, ary ny vehivavy amin'io tsy lazaina intsony. Tena fiainana "hono". Fa any anatiny any dia hita ihany izy hoe tsy sambatra.

Nasaina nanambady vehivavy iray tsy tiany akory izy nefa vao nahita ny tena fitiavana tao amin'ny vehivavy iray hafa. Fitiavana tsy mbola niainany mihitsy. Izay izy vao tonga saina hoe kay tena nahantra satria nisy zavatra banga teo amin'ny fiainany.

Tsy hotantaraiko eto ny tantara satria vao tamin'ity 2011 ity io ka mety mbola nisy tsy nahita fa lesona azo tsoahina fotsiny, izay tsy vaovao fa efa fantatry ny rehetra ihany. Dia hoe "tsy ny vola aman-karena no tena mahasambatra"... fa ny fitiavana :-)

Tsy diso raha miteny hoe "Katsaho aloha ny fitiavana dia hanampy ho azonao ny zavatra rehetra"... (Ao amin'ny baiboly koa misy teny mitovitovy amin'io)

Ary raha tsy diso aho dia izany no mahatonga ny olona tsy dia manana loatra maro anaka. Satria be fitiavana... matetika manao fitiavana.

Novonoina ho faty alina i Troy Davis

2011-09-22 @ 08:16 in Eritreritra mandalo

Na dia teo aza ny fanentanana, maneran-tany mihitsy, hanavotana ny ain'i Troy Davis dia novonoina ho faty tamin'ny tsindrona ihany izy alina. Tsy nihemotra, noho izany, ny daty farany novinavinaina namonoana azy. Efa in'efatra izy no saika hovonoina fa nisy hatrany ny sakana vokatry ny sakana noho ny fangatahan'ny mpiaro azy sy ny fisehoan'ny porofo vaovao. (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Septambra 2011 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry