Serasera.org takelaka miteny malagasy nandritra ny 15 taona

2014-02-21 @ 09:09 in Serasera.org, Kolotsaina

Koa satria andro natokana ho an'ny tenin-dreny androany (nahoana no androany fotsiny?) dia mba haneho amim-panetren-tena ny ezaka nataon'ny serasera.org mikasika ny fanajana ny tenin-drazana, ny teny malagasy, aho amin'ity lahatsoratra iray ity. 

Raha niforona tamin'ny oktobra 1999 ny serasera dia anisan'ny nanentana tao anaty ny hoe fitaovam-pifandraisana amin'ny teny malagasy. Ny teny malagasy sy ny kolotsaina malagasy hatrany no nanentana isaky (tohiny)

Praiminisitra sisa dia vita ny lalao

2014-02-18 @ 15:43 in Politika

Atomboka amin'ny zavatra iray tsy misy idirany amin'ny lohahevitra mihitsy. Eto Italia koa dia niova nanomboka omaly ny Praiminisitra. Ingahy Matteo Renzi izay ben'ny tanànan'i Florence teo aloha sady lany sekretera jeneralin'ny antoko havia vao tsy ela no nanongana ny Praiminisitra, izay nalototry ny antoko havia ihany koa nefa. Be dia be ny fampanantenana nataony sy mbola ataony ka betsaka ny mieritreritra hoe hafana am-boalohany (tahaka ny tainkisoa) fotsiny izy. Misy aza moa ny mananihany hoe raha ataony alohan'ny volana mey daholo ny zavatra lazainy dia inona no hataony hatramin'ny 2018? Sa hiongana koa?...

Fa eto Madagasikara dia Ramatoa Christine Razanamahasoa no lany ho filohan'ny Antenimieram-pirenena. Raha araka ny lalam-panorenana (asa na efa niova tamin'ilay anakiray teo) dia izy no olona ambony faharoa aorian'ny filoham-pirenena, ary misolo avy hatrany ny filoham-pirenena raha misy ny sakana. Izay no tsy naha ara-dalàna ny nataon-dRavalo satria tokony nomeny ny filohan'ny antenimiera ny fahefana. Koa azo atao hoe prezidà (prezidanty) ihany koa izany Ramatoa Razanamahasoa. Tsiahivina fa Minisitry ny fitsarana sy mpitana ny fitombokasem-panjakana izy nandritra ny tetezamita. Toerana manana ny lanjany izany satria mitazona ny lakilen'izay tokony hidina sy hovohaina. 

Ny Praiminisitra izany sisa dia tafiditra tanteraka ao amin'ny Tetezamita ara-dalàna isika. Izany hoe ireo ekipan'ny tetezamita ihany saingy natao làlana fotsiny ny tetezana. Tsy maintsy ho olona avy ao amin'ny MAPAR (hono) no praiminisitra, ka sarotra be ny hieritreritra hoe hanolotra olona tsy MAPAR izy ireo raha tsy ilay AR ao amin'ny MAPAR mihitsy.

Tsy misy olana izany, tsy ampahafirin'ny niaretan'ny Malagasy hatramin'izay izany. Ratsiraka aza firy amby roapolo taona no teo niaretany ihany. Mahari-pery anie ny Malagasy e. Jereo anie fa amin'ny fifidianana manaraka dia 1er tour dia vita koa ireo olona eo amin'ny fitondrana ireo e.

Fanitsiana: Araka ny lalam-panorenana 2010 (izay lanin'ny 25%-n'ny manan-jo hifidy) dia ny Filohan'ny Antenimieran-doholona no misolo ny filoham-pirenena raha misy sampona mahazo azy. (and. 50)

 

 

Carinoooo :-)

2014-02-13 @ 08:31 in Eritreritra mandalo

Ny azo andikana teny hoe "carino" amin'ny teny italiana dia hoe mahafatifaty. Ilazàna rehefa misy zavatra mahafinaritra sy mampihetsipo... nefa tsy voatery ho zazakely na momba ny zazakely ihany. Dia io angamba no hamintinako ity raim-pianakaviana iray ity. Fred Giovannitti no tena anarany fa Tastputin no solonanarana entiny amin'ny internet. Nandritra ny taona maro izy rehefa mandeha miasa na manao iraka lavitra dia mandoko ny sary ataon'ny zanany no andaniany fotoana mandritra ny làlana. Tamin'ny voalohany, hoy izy, dia pensilihazo miloko no nampiasainy, fa taty aoriana izy dia nampiasa iPad.

Ity ny sary voalohany nolokoiny.

Azonao jerena eto ambany ireo sary hafa nolokoiny... soa fianatra e :-)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Febroary 2014 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry