« | »

Serasera.org takelaka miteny malagasy nandritra ny 15 taona

2014-02-21 @ 09:09 in Serasera.org, Kolotsaina

Koa satria andro natokana ho an'ny tenin-dreny androany (nahoana no androany fotsiny?) dia mba haneho amim-panetren-tena ny ezaka nataon'ny serasera.org mikasika ny fanajana ny tenin-drazana, ny teny malagasy, aho amin'ity lahatsoratra iray ity. 

Raha niforona tamin'ny oktobra 1999 ny serasera dia anisan'ny nanentana tao anaty ny hoe fitaovam-pifandraisana amin'ny teny malagasy. Ny teny malagasy sy ny kolotsaina malagasy hatrany no nanentana isaky ny namoaka vohikala iray. Natao tao anaty fitsipika mihitsy aza moa ny hoe "Ezahina ho amin'ny teny malagasy no ifampiresahana"...


Noezahina najaina hatrany izany fomba fanao izany hatramin'izay ka hatramin'izao na dia niteraka olana ekonomika sy ara-pifandraisana goavana ho an'ny serasera.org sy ho ahy aza taty aoriana.

Fa inona tokoa ny olana? 

Ny fanamboarana takelaka lehibe toa ny serasera.org dia tsy maintsy misy vola miala. Ilàna vola daholo na ny hofan'ny loha-milina, ny hofan'ny anarana, eny hatramin'ny fotoana lany sy ny saran'ny sy ny fitaovana miasa aza. Mazava nefa fa tsy amin'ireo mpitsidika mihitsy no hakànao vola satria tsy misy zavatra amidinao akory eo. Ny serasera rahateo dia noezahina ny ho maimaim-poana hatrany. Ny hany azonao atao hakàna ny tambiny izany dia ny dokam-barotra. Raha vao miteny malagasy ranoray anefa ny takelaka dia vitsy na tsy hisy mihitsy olona hanao dokam-barotra ao aminao. Angamba heverin'ireo mpanao dokam-barotra fa tsy ao anatin'ireo mpanjifa ny olona miteny malagasy. Vokany dia vitsy na tsy misy mihitsy ny fidiram-bola amin'ny dokam-barotra. I Google rahateo dia nanaporofo volana vitsivitsy lasa izay fa tsy mety aminy ny hametrahana dokam-barotra amin'ny takelaka miteny malagasy ka nosakanany avokoa ny hany dokam-barotra nipetraka amin'ny alalan'ny serasera.org. Ny dokam-barotra google mitranga eo amin'ny serasera amin'izao sisa dia avy ao amin'ny radiovazogasy.com izay eken'ny google satria miteny frantsay. Vola am-paosy sy fanampiana avy amin'ireo namana malala-tanana izany sisa no tena mampandeha ny serasera.

Ankoatry ny olana ara-bola dia eo ihany koa ny olana ankapobeny ara-pifandraisana izay nahazo ny takelaka maro fa tsy ny serasera ihany. Vokatry ny firoborobon'ny facebook dia nihavitsy ireo mpitsidika ny takelaky ny serasera.org. Io indray moa dia olana iraisan'ny takelaka rehetra. Betsaka ireo takelaka malagasy izay nanao izany ho fivelomana no efa nikatona tanteraka, ao ireo namidy sy nomena hotantanan'ny mpanambola. Misy fiantraikany eo amin'ny fahatsaràna sy fanatsaràna ny takelaka ny habetsaky ny olona mitsidika. Mamporisika hanatsara sy handany andro hanaraka ny teknolojia vaovao koa mantsy ny fisian'ny mpitsidika maro mitaky izany. Lasa boribory vetaveta (cercle vicieux) izany ilay izy satria vitsy ny mpitsidika dia tsy hatsaraina ny takelaka dia vao maika miha vitsy ny mpitsidika sns.

Herin'ny serasera

Na izany na tsy izany aza anefa dia ny teny malagasy no herin'ny serasera.org ka mbola hotohizana hatrany. Ny antony tsy mahafaty tanteraka ny serasera.org dia satria izy irery ihany no mbola takelaka miteny malagasy ranoray nandritra izay 15 taona izay. Ao no mbola itadiavan'ny olona loharano miteny malagasy na ohabolana izany na tononkira na tononkalo. Maro koa ireo mbola liana amin'ny teny malagasy, tsy ny Malagasy mipetraka ao an-tanindrazana ihany fa indrindra koa ireo aty am-pita izay te hiverina hanoratra sy hamaky teny malagasy. Koa ny faniriana dia ny mbola hitohy hatrany izany famelombelomana ny teny malagasy izany.Izany indrindra ara no iantsoanay anao hanohana ny ezaka efa natomboka. Mba tsy ho iray andro fotsiny no hanomezanao lanja ny teny malagasy. Raha tsy azonao atao isanandro any amin'ny facebook izany dia ataovy eto amin'ny serasera.org fa misy lohahevitra maro azonao isafidianana ohatra ao amin'ny dinika. Raha ohatra moa ka mieritreritra ny hanohana amin'ny fomba hafa ianao dia afaka mifandray amiko [email protected] 

Ho ela velona ny teny malagasy.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry