Là où la politique a échoué, la prière doit réussir

2014-06-11 @ 09:32 in Vaovao, Finoana sy Fivavahana

Tranga iray izay voalaza tamin'ny filazam-baovao maro tamin'iny faran'ny herinandro iny ny fihaonan'ny Papa Fransoà tamin'ny filohan'Israely Atoa. Shimon Peres sy ny filohan'i Palestina Mahmoud Abbas ary ny Patriarka Bartolomeo teto Vatikana. Fitohizan'ilay fanasana nataon'i Papa tamin'ny fandalovany tany Israely hoe "andao hiaraka hivavaka ho an'ny fandriam-pahalemana, atolotro ny tranoko any Vatican hanaovantsika izany fiaraha-mivavaka izany."

Fandriam-pahalemana

Tanteraka tokoa ilay fihaonana ary nanasa (tohiny)

Aoka kely indray aloha

2014-06-10 @ 14:40 in Manala azy

Efa mitady ho feno 5000 indray ny namana ao amin'ny FB koa mijanona kely indray aloha ny fampidirana namana. Afaka mifandefa hafatra foana ihany nefa na dia tsy namana aza. Marihina fa ny fampidirana namana maimaim-poana no mijanona fa raha misy moa terem-panahy hametraka kely dia azoko ampidirina ihany ka toa izao ny sarany:

  • Raha atao namana alavitra (subscription) : 25.000 AR
  • Raha atao namana tsotra mahita sary: 50.000 AR
  • Raha atao fianakaviana (mahita zavatra maromaro kokoa) : 100.000 AR
  • Raha atao izaho (euh) : mametraka commentaire eto ambany dia ifampidinihana.

Manan-kery mandritra ny 1 volana ihany ireo.

Aoka kely aloha

Ho hendry mandritra ny mondial :-)

2014-06-10 @ 11:22 in Fanatanjahan-tena

Rahafak'ampitso sisa dia hanomboka indray ny fifaninanana eran-tanin'ny baolina kitra. Dia be dia be ireo manao fampanantenana isan-karazany sy mivoadivoady mihitsy mba handresy ny ekipany. Efa betsaka eto Italia ireo tranom-barotra lehibe hoe hanome fihenam-bidy goavana raha mandresy ny Italiana. Fa ny tena nahalatsaka dia i Rocco Siffredi izay nivoady koa ny tsy hanao ny asany (izay efa fantatrareo) mandritra ny maha any Brazily ny ekipa italiana. Zaraiko ihany na dia tsy dia mifanentana loatra amin'ny kapoakako aza.

rocco

Raha ny fahitana ny fiaingan'ny ekipa italiana aloha dia vetivety ihany i Rocco no hiafy kanefa asa ho hita eo. Mety hanampy andry zareo angamba ny fahendren'i Rocco. 

Izaho hatramin'izao mbola tsy  maka ekipa fa mbola miandry ny fihodinana voalohany, mety hisy tampoka mantsy ny "surprise"

Ary iza tokoa hono no mety handresy hoy i Sr. Fabiola? :-)

Ny vodisobika sy ny tandrifiny

2014-06-09 @ 07:11 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Nijery ity clip-n'i Syril sy Melky eto ambany ity aho dia mahatsiaro ilay lazain'ny Ntaolo hoe aza kivy fa ny vodisobika aza manan-tandrify... saingy aza misavi-tsaranga :-) Mahavariana tokoa ny mahita fa tena misy karazany ny olona, isaky ny faritra, isaky ny firenena, isaky ny firazanana, isaky ny fahefa-mividy. Ary samy mahazo ny anjarany daholo raha eo amin'ny fitiavana no resahina... satria samy manana ny anjara tsara ao aminy izay hitan'izay tia izany anjara izany. Ny olana matetika dia ny be fitetika tahaka andry Syril ka tsy afaka mamoaka ilay tena tsara ao aminy ho hitan'izay mety ho tandrify azy fa misavika ny tsy anjaran'ny tena. Tsy ratsy ny manandrana sao dia raikitra tampoka (mi-tanté sansa) fa tsy atao am-po mety hankarary satria manjary mitomany randrana manendrika ny hafa. Aleo avoaka araka izay tratra fotsiny ny kanto indrindra dia mionona amin'izay mankafy.

Syril sy Melky

Fa na izany na tsy izany dia misaotra an'i Syril sy Melky namoaka tokoa ny fiainana an-davan'andron'ny olona.

Tsarà herinandro daholo.

 

Hihaino Hira Katolika amin'ny Android

2014-06-07 @ 11:43 in Dev

Tehiriziko ato amin'ny blaogy ihany na dia efa hitanareo mandehandeha any aza fa nivoaka omaly alina koa ny Hira Katolika amin'ny Android. Rindran-kajy hihainoana hira katolika malagasy amin'ny android. Tsy dia application be mankaiza fa nisy namana nangataka fotsiny hoe mba ataovy amin'ny telephone koa ilay Hira Henoina ao amin'ny katolika.org dia mba natao.

Fanamarihana mialoha: Mila internet io satria mavesatra be kosa raha ohatra ka atao ao anatin'ilay application avokoa ny hira katolika ananako :-)

Alaivo ao amin'ny Google Play https://play.google.com/store/apps/details?id=org.katolika.hira

Toa izao ny endriny:

Screen 1 screen2

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2014 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry