« | »

Là où la politique a échoué, la prière doit réussir

2014-06-11 @ 09:32 in Vaovao, Finoana sy Fivavahana

Tranga iray izay voalaza tamin'ny filazam-baovao maro tamin'iny faran'ny herinandro iny ny fihaonan'ny Papa Fransoà tamin'ny filohan'Israely Atoa. Shimon Peres sy ny filohan'i Palestina Mahmoud Abbas ary ny Patriarka Bartolomeo teto Vatikana. Fitohizan'ilay fanasana nataon'i Papa tamin'ny fandalovany tany Israely hoe "andao hiaraka hivavaka ho an'ny fandriam-pahalemana, atolotro ny tranoko any Vatican hanaovantsika izany fiaraha-mivavaka izany."

Fandriam-pahalemana

Tanteraka tokoa ilay fihaonana ary nanasa ny rehetra ihany koa i Papa Fransoà mba hiara-hivavaka amin'izy ireo ho an'ny fandriam-pahalemana. Navoakany tamin'ny twitter-ny rahateo izany fanasana izany.

Ny tonga ao an-tsaina dia hoe olana efa naharitra tokoa ity ady ao Afovoany-Atsinanana ity. Nandray anjara ho mpanelanelana daholo ireo olo-malaza rehetra. Impiry no nisy sary miaraka amin'ny fifandraisan-tanana tamin'ireo filoha amerikana nifandimby... fa hatramin'izao tsy misy vokany mivaingana. Koa raha tena nivavaka tokoa ireo mpivavaka, tamin'ny fo tokoa, dia inoako fa hiditra an-tsehatra tokoa Andriamanitra. Ny ilaina amin'ny olombelona sisa dia ny fanetren-tena hiaiky hoe tsy tafavoakany ilay fanelanelanana. Ka na ny andaniny na ny ankilany na ny olona izay nanelanelana dia samy hihaiky fa tsy vitan'ny politika ilay izy ka aleo hiditra ny Hery hafa.

Fandriam-pahalemana

Dia mirary fandriam-pahalemana.

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry