Nankaiza ilay hevitra tsara sy mafonja nosoratanao tao amin'ny Facebook?

2014-10-30 @ 14:47 in Tsy aritra

Nankaiza

Ao anatin'ny mi-"dev" tanteraka amin'izao dia tsy misy fotoana malalaka mihitsy ka na ny miblaogy aza tsy vita. Fa nisy eritreritra nandalo kely nanahirana ny loha dia nosoratako teto ihany.

Nisy resaka mikasika ny fiainana izay nosoratan'ny namako anakiray tao amin'ny facebook angamba efa herintaona na roa taona lasa izay dia notadiaviko sy notadiaviko fa tena tsy mety hitako. Fantatro tsara ny votoatiny hoe #fiainana #fanambadiana saingy tsy hitako ao amin'ny mombamomba azy intsony ilay izy. Izy rahateo manoratra imbetsaka ka tena very fotoana mihitsy mitady azy.

Dia tsaroako foana ilay faharesen-dahatro hoe ny Facebook tokoa dia tena afo-mololo. Ny zavatra soratanao ao amin'ny facebook na dia tena mafonja aza dia amin'iny andro anoratanao azy iny ihany no tena misy lanjany. Mety hoe misy mbola mahita afaka roa, telo na herinandro... mety misy mamoaka tampoka amin'ny "commentaires" rehefa faka 1 na 2 volana fa avy eo dia manjaona any. Ao ihany izy fa tototra. Tsy hitan'i google, tsy hitan'ny archives. Tsy hita hotadiavina. Ka raha tsy ianao tompony no miezaka mamoaka azy tao indray dia tsy hita momoka ao izy... na dia hevitra sy resaka tsara aza.

Ny zavatra hafa kosa tsy mba tahaka izany... ny blaogy, ny forum sns dia mora hita. Tsy voatery mandeha mivantana any amin'ilay blaogin'ilay namana na ny forum nisy ny resaka akory fa "Google" dia ampy. Mitady ao amin'ny Google aho izao hoe "fandrahoana ravim-bomanga" dia anisan'ny valiny asehony ny resaka tao amin'ny Forum serasera tamin'ny taona 2004... resaka tamin'ny 10 taona lasa, ary tsy misy valiny avy ao amin'ny Facebook mihitsy asehony. Nitady aho hoe "recette mofo akondro" tao amin'ny Google ihany, dia mitovy ihany. Ny blaogy sy forum sy sites manokana no mitranga eo nahitako ny valiny mahafa-po. Nefa firy ny olona niresaka mofo akondro tao amin'ny facebook? Misy rohy kely ihany ery ambany ery hoe facebook, dia nidirako saingy groupe ilay izy "recette malagasy" dia mitovy ihany, tsy ilay recette mofo akondro no eo fa mbola tsy maintsy asesy any ambany be any vao mety hahita ilay "recette mofo akondro".

Ny tiana hotenenina dia tsy hoe aza manao facebook, na hoe aza apetraka ao amin'ny facebook ny hevitra tsara sy mafonja. Fa hoe raha tena tianao hozaraina marina ireny hevitra tsara sy mafonja ireny dia soraty amin'ny toerana hafa ihany koa. Na site-nao manokana, na blaogy n'aiza n'aiza, na forum misasika azy. Satria raha izao dia hita fa ny "Facebook" mandalo fa iretsy farany no mitoetra.

Raha tsy hoe izay fandalovany fotsiny izay no tena tanjona...

 

Inona indray ity nataon'i #Ravalomanana sy #Rajaonarimampianina

2014-10-14 @ 17:04 in Politika

Ny vaovao farany momba an-dRavalomanana dia ho hitanareo ery ambany amin'ny faran'ity lahatsoratra ity. Fa alohan'izany dia eritreritra kely mikasika indrindra ny zava-nitranga hatry ny omaly izay efa iaraha-mahalala ihany no tehiriziko eto amin'ity blaogy ity.

Nalaky dia nalaky ny fivoaran'ny toe-draharaha politika teto Madagasikara omaly rehefa tonga tampoka, mba tsy hilazàna hoe antsokosoko, ny filoha teo aloha Ravalomanana. Nikorontana na dia ny resaka serasera teo amin'ny fiandidiana ny repoblika aza satria ny kaontin'ny Prezidansa tao amin'ny facebook ohatra dia nampiseho sary tànana hifandray sy niresaka fifampihavanana. Atoa Rajoelina Patrick izay mpanohana akaiky an'i Rajaonarimampianina koa dia nilaza fa mety hihaona Ravalo sy Rajao mandritra ny takariva. Ny DirCab-n'ny fiadidiana ny repoblika anefa dia nilaza fa tsy nahalala na inona na inona momba ny fahatongavan-dRavalo ka hampihatra ny lalàna satria "tany tan-dalàna loatra i Madagasikara" (Amin'ny teny gasy, ny dikan'ny loatra dia hoe tafahoatra ny mety). Nisalasala ny rehetra hoe iza amin'ireo hevitra samy nipoitra avy any amin'ny ankolafin-dRajao ireo no hisy tohiny? Dia iny nitranga iny fa nosamborina i Ravalo ary natao tany amin'ny toerana tsy fantatra mba hiarovana ny ainy. (Toa misy film efa nandeha tahaka izany, ry Monja Jaona sy ry Bao Andriamanjato toa efa natao tahaka izany fa toa tsy dia niadana loatra ka asa Ravalo raha hahazo hotely kintana dimy)

hifandray?

Ka ireto vitsivitsy ireto ny eritreritra nandalo tato amiko.

Ny voalohany dia eritreritra momba ny tranga nahatongavany. Ny mazava aloha dia nisy lavaka be tamin'ny fiarovana sisin-tany manokana voalohany indrindra, sy teo amin'ny fanaraha-maso an-dRavalo ihany koa ka nahatonga azy tafaverina. Misy sampam-pitsikilovana ihany ao Madagasikara ary amin'ny zavatra tahaka itony no tokony hahitàna izany. Vao niteny Ravalo fa ho avy indray (na mety efa tonga izy tamin'iny) dia tokony nihetsika ny sampam-pitsikilovana nijery hoe aiza ho aiza izy, ahoana no eritreretiny hahatongavana sns. Nahazo isa Ravalo tamin'iny ankiafina iny ka na ny AV7 aza tonga saina. Tadidiko tamin'ilay fotoana saika hahatongavan-dRavalo voasakan'ny NOTAM dia efa tonga teny Ivato koa ny AV7, fa tamin'izy ry zareo niesona.

Fihavanam-pirenena

Faharoa eritreritra momba an-dRavalo sy ny manodidina. Nisy lavaka be koa teo amin'ny mpanolontsain-dRavalo, zavatra efa mahazatra ihany. Raha nisy tena mpanao politika ny manodidina an-dRavalo dia ho nanoro azy ny zavatra tokony ho nataony tamin'iny fidirany teto Madagasikara iny. Toy ny hoe niketrika irery indray Ravalo, mety hoe nampian'ny vazaha, fa tsy nisy mpanolontsaina tena niara-niketrika taminy. Nisy tetikady na stratejia maro tokony ho natao ka anisan'izany ny fiambenana ny tenany sy ny toerana misy azy... indrindra raha hiseho (show up) sy hiteny (speak out) izy. Mba tsy horaisim-potsiny tahaka an'ireny. Azony natao ihany koa ny tsy nanao filazàna ampahibemaso fa nitsapa rano aloha sy nanivana ireo manodidina mpiara-miasa. Hoe iza tokoa ny mpanao politika mbola azo ianteherana sa hitady mpikatroka vaovao.

Fahatelo, eritreritra momba ny fanjakàna. Misy lavaka be koa ny fanjakàna tamin'ny fifehezana an'iny raharaha iny. Ny filazàna ampahibemaso fa tsy naharaka na inona na inona dia sady fisehoana ho tsy fifehezana ny fandriam-pahalemana sy ny fiandrianan'ny firenena no fanamelohana ireo izay heverina ho nampiditra antsokosoko an-dRavalo teto an-toerana. Ary dia mbola tsy fahaizana mifehy ny toe-draharaha ihany koa ny nisamborana (na nakàna) an-dRavalo sy namindràna azy tamin'ny toerana hafa. Tsy zavatra vaovao ny toe-draharaha tahaka ireny fa zavatra efa nitranga eran-tany. Azo atao tsara ny mijery hoe ahoana ny fanaon'ny olona amin'ny tranga toa ireny. Afaka nanao récupération politique tsara mihitsy Rajao ary mety nanarona ilay lavaka amin'ny fiarovam-pirenena izany. Inona tokoa moa no nisakana azy tsy hanao dingana voalohany amin'ny fihavanam-pirenena? Ny tsy miady hono olom-bodo. Na dia hoe nanao fihantsiana aza i Ravalo, raha tsy novaliany tamin'ny fihantsiana mafimafy kokoa izany dia nahazo ny fon'ny olona izy. Rehefa nisambotra indray izy dia tokony nanao stratejia hafa kokoa. Raha toa ka fiarovana (sécurisation) araka ny nolazainy mantsy dia tokony hisy hatrany ny fifanarahana sy fifandraisany amin'ny fianakaviana. Ny fanokàna-monina (isolation) an-dRavalo toa izao anefa dia tsy hahafahan'ny fanjakana milaza mihitsy hoe voaaro izy.

Fahaefatra, eritreritra momba ny vahoaka. Efa niova tokoa ny Malagasy. Tsy anomezan-tsiny azy izany satria mafy loatra ny vokatry ny tetezamita. Nandritra ny tetezamita dia fanasàna atidoha ho leo fitakiana no natao. Naverimberina foana hoe tsy hisy mpanao politika ho tsara izany fa na iza na iza eo dia mitovy ihany. Natao naharitra mihitsy ny tetezamita mba hahafahan'ny rehetra nanaiky izany hevitra izany. Na ny tetezamita 5 taona aza moa dia nanjary nekena. Tsy nijery lavitra intsony, noho izany, tamin'ny fifidianana fa izay nanome sakafo eo no ho eo no nofidina. Nisy dia nisy ireo kandidà sady tsy nanohana ny tetezamita no tsy nanohitra ny tetezamita fa hery tena vaovao... saingy ny zava-nitranga dia naleon'ny Malagasy nanohy ny tetezamita. Diso tanteraka izany amin'izao fotoana izao ny mpanao politika miandry fihetsehan'ny Malagasy. Ary ho diso fanantenana Ravalo raha toa manantena hanainga vahoaka. Efa antitra avokoa ireo nitolona tamin'ny 1972, ary ireo nitolona taty aoriana dia tsy manana faharesen-dahatra tahaka ny taloha intsony noho ny fahantrana sy ny hanohanana. Koa tsy hisy vahoaka maro hitroatra izany intsony eo. Raha ny tokony ho izy dia rehefa noana ny vahoaka dia mitroatra. Saingy tsy mihatra amin'ny Malagasy intsony izany, tahaka ireo any Korea tavaratra sy any Cuba izay tsy mitroatra intsony na dia mahantra sy noana aza... diniho hoe nahoana.

Koa dia miandry ny tohiny isika hoe iza no hiova voalohany: Rajao sa Ravalo sa ny Vahoaka.

Tapitra

 

Izany ny olona rehefa sady miasa no milalao :-)

2014-10-10 @ 09:24 in Ankapobeny, Eritreritra mandalo

Mpanaraka an'ity sary ahetsika (animations) ity aho, efa nahita ny 1 sy ny 2 (ny 3 tsy tadidiko). Fa androany aho dia tonga saina hoe tena sady milalao izany ilay bandy ity no miasa. Araka ny nolazainy dia 11 volana izy no nanao an'ilay sary ahetsika, teo amin'ny 700 ora mahery teo. Ary tena ataony matihanina daholo ny zavatra atao fa tsy mba kitoatoa (jereo ilay video faharoa mikasika ny nanaovany azy. Marina fa manana fitaovana sy fahaizana izy saingy ny tena ananany araka ny fahitako azy dia ilay fitiavana an'ilay zavatra ataony ka mahatonga azy hanana faharetana.

Animator

Tsy tazomiko ela ianareo fa ankafizo ny vokatry ny asany. Dia jereo ery ambany ny famintinany ny nanaovany azy. Kopa-tsatroka.

 

Toa izao kosa ny fitantarany ny nanaovany azy.

Sambatra izy na izany na tsy izany :-)

 

Serasera 15 taona lasa izay

2014-10-02 @ 21:25 in Serasera.org, Tsiaro

Tamin'ny 1999, 3 oktobra izy izay, no nivorivory teo antokontanin'ny oniversité iray tany Afrika izahay mpinamanamana, niresa-dresaka. Dia nitsiry ny hevitra hoe hanamboatra sehatra iray, amin'ny internet, hifandraisan'ny Malagasy. Dia ny alin'iny aho no nitady ny fomba rehetra hanombohana izany. Nanomboka tamin'ny zavatra tsotra, maimaim-poana, nitady hébergements tetsy sy teroa, maimaim-poana. Dia nivoatra tsikelikely. Dia nalaza be... dia miha-mangina, dia fohazina kely dia mangina indray :-p. Fa ny mahafaly dia mbola mitohy hatrany hatramin'izao. Feno 15 taona androany tokoa izany izao ny Serasera. Betsaka ny nandalo tao, fa misy koa ny tsy mbola nandre ny fisiany... tsy maninona izany, mbola maro ny fotoana hihaonana eny an-dalana eny :-)

Fa tahaka izao aho tamin'izany fotoana izany :-)

Hery 1999

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Oktobra 2014 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry