Nankaiza ilay hevitra tsara sy mafonja nosoratanao tao amin'ny Facebook?

2014-10-30 @ 14:47 in Tsy aritra

Nankaiza

Ao anatin'ny mi-"dev" tanteraka amin'izao dia tsy misy fotoana malalaka mihitsy ka na ny miblaogy aza tsy vita. Fa nisy eritreritra nandalo kely nanahirana ny loha dia nosoratako teto ihany.

Nisy resaka mikasika ny fiainana izay nosoratan'ny namako anakiray tao amin'ny facebook angamba efa herintaona na roa taona lasa izay dia notadiaviko sy notadiaviko fa tena tsy mety hitako. Fantatro tsara ny votoatiny hoe #fiainana #fanambadiana saingy tsy hitako ao amin'ny mombamomba azy intsony ilay izy. Izy rahateo manoratra imbetsaka ka tena very fotoana mihitsy mitady azy.

Dia tsaroako foana ilay faharesen-dahatro hoe ny Facebook tokoa dia tena afo-mololo. Ny zavatra soratanao ao amin'ny facebook na dia tena mafonja aza dia amin'iny andro anoratanao azy iny ihany no tena misy lanjany. Mety hoe misy mbola mahita afaka roa, telo na herinandro... mety misy mamoaka tampoka amin'ny "commentaires" rehefa faka 1 na 2 volana fa avy eo dia manjaona any. Ao ihany izy fa tototra. Tsy hitan'i google, tsy hitan'ny archives. Tsy hita hotadiavina. Ka raha tsy ianao tompony no miezaka mamoaka azy tao indray dia tsy hita momoka ao izy... na dia hevitra sy resaka tsara aza.

Ny zavatra hafa kosa tsy mba tahaka izany... ny blaogy, ny forum sns dia mora hita. Tsy voatery mandeha mivantana any amin'ilay blaogin'ilay namana na ny forum nisy ny resaka akory fa "Google" dia ampy. Mitady ao amin'ny Google aho izao hoe "fandrahoana ravim-bomanga" dia anisan'ny valiny asehony ny resaka tao amin'ny Forum serasera tamin'ny taona 2004... resaka tamin'ny 10 taona lasa, ary tsy misy valiny avy ao amin'ny Facebook mihitsy asehony. Nitady aho hoe "recette mofo akondro" tao amin'ny Google ihany, dia mitovy ihany. Ny blaogy sy forum sy sites manokana no mitranga eo nahitako ny valiny mahafa-po. Nefa firy ny olona niresaka mofo akondro tao amin'ny facebook? Misy rohy kely ihany ery ambany ery hoe facebook, dia nidirako saingy groupe ilay izy "recette malagasy" dia mitovy ihany, tsy ilay recette mofo akondro no eo fa mbola tsy maintsy asesy any ambany be any vao mety hahita ilay "recette mofo akondro".

Ny tiana hotenenina dia tsy hoe aza manao facebook, na hoe aza apetraka ao amin'ny facebook ny hevitra tsara sy mafonja. Fa hoe raha tena tianao hozaraina marina ireny hevitra tsara sy mafonja ireny dia soraty amin'ny toerana hafa ihany koa. Na site-nao manokana, na blaogy n'aiza n'aiza, na forum misasika azy. Satria raha izao dia hita fa ny "Facebook" mandalo fa iretsy farany no mitoetra.

Raha tsy hoe izay fandalovany fotsiny izay no tena tanjona...

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Oktobra 2014 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry