Pourquoi j’ai 4999 amis sur facebook

2015-08-16 @ 11:59 in Izaho sy ny ahy

Efa elaela ihany izay nanaovako facebook izay. Ary nisy fotoana ara tamin’ny taona 2009 nanaovako veloma kely azy mihitsy nakana aina sy nieritreretana (Jereo eto). Nony niverina aho 9 volana taty aoriana dia nazava tsara tao an-tsaiko ny tanjona hanaovana facebook. Nazavaiko kely tato tamin’ilay fiverenako.

Amin’izao aho izany dia manana namana 5000 latsaka kely. Tsy azo fenoina 5000 na dia efa betsaka aza ny lisitry ny mpangataka ao satria manjary tsy afaka mampiditra intsony. Fa nahoana? atao inona daholo? Indrindra raha tsy miresaka, tsy mi-commenter, tsy mi-j’aime, atao inona fotsiny ao?

Amin’izao  ny facebook-ko dia raisiko ho mitovy amin’ny carnet d’adresses na contacts amin’ny finday. Rehefa tadiavina tampoka ilay olona, tiana handefasana hafatra tampoka, dia mety ho hitako ao amin’ny facebook izy izay. Ny tanjoko izany tsy hijery tsirairay azy 5000 isaky ny mihetsika satria dia tsy ho araka tokoa, na hi-j’aime izay lazainy sns… tahaka ny hoe tsy hiantso ny contacts ao amin’ny finday isaky ny mihetsika aho na hijery ny laharany isaky ny mihetsika, fa rehefa ilaina izy dia tadiavina dia antsoina na resahana.

Koa aza omenareo tsiny mihitsy aho raha tsy mijery ny momba anareo akory… fa voatahiry ho anisan’ny namako ihany ianareo. Raha tsy mety aminareo moa izany dia azonareo esorina. Raha fantatrareo fa tsy mety hifandray amiko mihitsy ianareo any aoriana any na tsy hisy fotoana mety hifandraisako aminareo mihitsy dia tena marina hoe tsy tokony ho ao anaty lisitra ao akory aho. Tahaka ny hoe numero telephone fantatrareo fa tsy hifandraisanareo intsony mandrakizay ve moa hotehirizina ao anaty contacts ao?

Izany anefa tsy midika hoe tsy mijerijery eny ihany aho indraindray :-)


 

 

Fitehirizana ny rano amin'ny farihy, soa fianatra

2015-08-13 @ 11:04 in Eritreritra mandalo

Nanaitra ahy ny nataon'ny amerikana tany Los Angeles (California) tamin'ity herinandro ity mba hitehirizana ny rano amin'ny tohodrano lehibe iray mamelona ny tanàna. Maina tokoa ny andro amin'izao aty amin'ny ila-bolantany avaratra. Ary ho an'ny tanan-dehibe tahaka an'i Los Angeles dia mitombo ny fandaniana nefa ny loharano tsy misy na kely dia kely. Nahita hevitra ary ry zareo mba hamehezana ny fihenan'ny rano, indrindra vokatry ny fientonan'ny rano noho ny masoandro.

Nasiany baolina plastika mainty kely be dia be, miisa 96 tapitrisa, mitsingevana eo ambonin'ilay rano. Ny tombony lehibe izany dia tsy mientona vokatry ny masoandro intsony ny rano. Eo koa ny fialàna amin'ny loto mety ateraky ny vorona manidina sns. Rehefa natao ny kajy dia betsaka lavitra noho ny tombony ho azo amin'ny rano voatsisy ny vola lany nanamboarana ireo baolina kely be dia be ireo.

Mazava ho azy fa mbola tsy laharam-pahamehana any amin'ny tany mahantra ny toa izao na dia eo aza ny tombony mety ho azo. Mila averina indray ny kajy. Raha ao Antananarivo, ohatra, dia eny Mandroseza no farihy hakàna ny rano hosotroina. Mila kajiana hoe firy ny rano miditra sy ny rano mivoaka, ary firy ny rano mientona am-pitoerana. Dia izay vao afaka mahafantatra hoe ohatrinona isan-taona ny rano very mba hahafahana maminavina hoe lafo sa mora ny manao toa izao amin'ny velaran'ny rano toa an'i Mandroseza.

Fa ny hevitra dia efa hita io.

Fanafihana VIVA, tompon'andraikitra ny VIVA

2015-08-08 @ 22:32 in Politika

Mampalahelo tokoa ny mandre ny fanafihana, fangalarana, fanapotehana ny VIVA TV tany Fianarantsoa. Tahaka izany koa nampalahelo ny fanakatonana sy fangalarana ny fitaovan'ny Radio Fahazavana, ny MBS Radio sy TV, indrindra ny fandorana ny TVM sy ny RNM tamin'ny fotoan'androny. Mampalahelo foana rehefa fitaovana mahavokatra tsara ho an'ny Malagasy, na iza tompony na iza, no simbaina sy dorana. Satria anisan'ny voakasika amin'izany koa ny Malagasy mpanjifa, mpiasa, mpamboly, mpamokatra. Ny fanimbana ny Tiko Madagasikara ohatra dia nahavery asa fianakaviana maro. Ary hatramin'izao dia mbola tsy nisy nahasolo azy ny vokatra hita eny antsena. 


Sary ao amin'ny site-n'ny viva

Rehefa dinihina anefa, amin'ny fo tsy miangatra sy tsy mandatsa, dia main'ny afo natsangany ihany ny mpiandraikitra ny VIVA. Toa ny fitaovana fanaovan-gazety rehetra dia tokony hanabe ny fiaraha-monina ny VIVA. Nivoana tamin'izany adidy masina tokony hiantsorohany izany anefa izy ka nanjary niandany tamin'ny herisetra sy fanimbàna zavatr'olona. Nisy ve, ohatra, ny fanamelohan'ny VIVA ny fandoroana ny MBS na ny RNM na ny TVM? Fanamelohana ny hetsika sy ireo izay nitarika izany? Ny fanamelohana tahaka izany mantsy dia fanabeazana ny mpihaino hahalala fa tsy fomba ny tahaka izany. Nisy ve ohatra, tamin'ny fotoanan'ny tetezamita, ny fiantsoan'ny mpanao gazety ao amin'ny VIVA ny hanokafana ireo radio sy televiziona nohidiana? Raha nisy dia mba tiako ho hita. 

Koa tompon'andraikitra, na dia tsy mivantana aza, amin'izao zava-mitranga amin'ny VIVA Fianarantsoa izao, ny fanabeazana nentin'ny VIVA hatramin'izay, indrindra nandritra ireny korotandrotana teto amin'ny firenena ireny. Anatra ho an'ireo rehetra mihambo ho mpanao gazety izay manana adidy hanabe ny mpiray firenena aminy. Beazo ao anaty fandriam-pahalemana ny vahoaka dia handry fahalemana miaraka aminy ianao.

Petitions: araraoty fa mamaky Rajao

2015-08-07 @ 17:50 in Politika

Koa satria nitohy be ny resaka momba ny JIOI izay efa natsidiko tato omaly dia heno androany fa niantso ny mpifaninana rehetra hampitsahatra ny fandraisany anjara amin'ny Lalaon'ny Nosy eto amin'ny Ranomasimbe Indiana andiany faha-9 ny ao amin'ny Fiadidian'ny Filohan'ny Repoblika. Izany hoe ajanona daholo ny lalao dia manomboka miomana ny hody... fa tsy mody avy hatrany toa ny nataon'ny Comores. Mety hoe rehefa vita ny lalao rahafakampitso vao hotanteraka ilay fodiana... fa efa mba niantso aloha. Ny faniriana no tena zava-dehibe :-)

Fa manara-baovao ihany izany ny ao ambony ao koa araraoty ampitaina daholo izay vaovao manahirana rehetra. Anaovy petitions isan-karazany. Itaraino mihitsy.

Ireto aloha hatreto no tena mampimenomenona ny olona tao anatin'ny herinandro fa betsaka ny tahaka ireto:

  • Jiro tapaka efa ho intelo isanandro. 
  • Voka-pifidianana ben'ny tanana teo voahodinkodina
  • Ny resaka SECES eny amin'ny oniversità sy ny Bacc
  • Ny grevy etsy sy eroa.
  • ....

Araraoty ny mampakatra feo rehefa mihaino kely ilay mpanao be marenina.

Madagasikara sy ny Jeux des Iles (éparses)

2015-08-06 @ 14:18 in Izaho sy ny ahy

Efa natsidiko tao amin'ny facebook-ko ihany ny hevitro mikasika ilay resaka sainam-pirenena malagasy sy Catherine Paoli fa averiko kely eto. Ny Facebook mantsy mandalo (malaky be ny fanjavonany) fa ny eto mitoetra.

Izaho aloha hatramin'izay tsy dia tena mpanaraka an'ity lalaon'ny nosy ity firy. Tamin'ny taona 1990 no nalaza tamiko ny Lalaon'ny Nosy satria tany Madagasikara no toerana nanaovana azy. Lalaon'ny Nosy faha-telo tamin'izay. Raha ny tokony ho izy dia tamin'ny 1989 no tokony natao tao Madagasikara ny andiany faha-telo. Tsy vonona anefa ny fanjakàna izay teo ambany fitarihan'ny filoha Ratsiraka tamin'izany dia nahemotra ny 1990 ilay izy. Nisy rahateo ny famangian'ny Papa Joany Paoly II tamin'ny taona 1989 ka angamba tsy zakan'ny firenena miaraka.

Tamin'ity taona 2015 ity indray aho izany vao naharaka tsy fidiny ny JIOI (Jeux des Iles de l'Océan Indien) rehefa nisy korotandrotana ny fanomanana sy fanatanterahana azy. Araka ny hita tamin'ny filazam-baovao samihafa dia talohan'ny nanombohana dia efa nisy ny fifankahazoan-kevitra politika ka ny disadisa dia teo amin'i La Frantsa (La Réunion) sy i Comores mikasika indrindra an'i Mayotte. Noho ny fitsapakevi-bahoaka izay nataon'ny vahoakan'i Mayotte tamin'ny 2009 dia lasa departemanta manana zo feno ao anatin'i La Frantsa izy. Nanomboka ny 1 janoary 2014 no nihatra tanteraka izany ka lasa sainam-pirenena Frantsay ny sainy ary fitantanana Frantsay no ao aminy. Tsy nanaiky an'izany anefa ny Komorianina fa nihevitra ny Frantsay ho toa ny mpanjana-tany. Mihenjan-droa izany ny tady mikasika an'i Mayotte. Nandritra ny fanomanana ny Lalaon'ny Nosy ary dia nisy ny fanontaniana momba ny endriky ny ho fandraisan'i Mayotte. Ho eo ambany fanevan'i La Frantsa ve izy, izay nanohina ny Komorianina, sa ho toa ny teo aloha izay nananany faneva manokana. Nisy ihany anefa ny marimaritra iraisana nony farany dia ny hoe tsy hitondra saina mihitsy ny Mahorais (mponina avy any Mayotte) fa ho eo ambany fanevan'ny JIOI hatrany izy. 

Nony nanomboka anefa ny lalao, nandritra ny filaharana tamin'ny lanonana fanokafana dia nilahatra taorian'ny sainam-pirenena Frantsay i Mayotte. Ny azo inoana dia ireo mpilalao no naniry ny hitondra ny fanevan'i Frantsa satria efa  departemanta frantsay ry zareo. Tsy nankasitrahan'ny delegasiona komorianina izany fihetsika izany ka nahatonga azy ireo nanapa-kevitra ny tsy handray anjara intsony amin'ny lalao 2015. Nomelohiny ny tsy fandraisan'ny komity mpikarakara fepetra hentitra hampanaja izay nifanarahana dia ilay hoe tsy mitondra sainam-pirenena i Mayotte. Dia tena tsy nandray anjara tokoa ry zareo fa dia nody. Araka ny heno anefa dia nisy Komorianina vitsivitsy tsy nandray ilay fiaramanidina tokony hitondra ny delegasiona nody. Angamba mba nanao vakansy kely. Nalahelo noho io fanapahan-kevitry ny Komorianina io ny komity mpikarakara ka nanapa-kevitra niaraka tamin'ireo firenena mpandray anjara sisa fa tsy hasiana saina intsony mandritra ny fandraisana ny medaly ho an'ny mpandresy, ary tsy hohiraina intsony ny hiram-pirenen'ny voalohany. Izany no natao dia mba ho fanehoana fa marina tokoa ny nataon'ny Komorianina, ary koa fisakanana ny Mayorais tsy hampiasa ny saina frantsay mandritra ny fotoana fifaninanana. 

Teo amin'izay no nanomboka ny tantara nidiran'ny Malagasy. Araka ny video efa miparitaka. Raha handray ny medaly volamena ramatoakely Marthe Ralisirina izay nisalotra ny sainam-pirenena malagasy dia niantsoantso ilay ramatoa antsoina hoe Cathérine Paoli hoe "non, pas le drapeau". Dia nanatona izy ary nanala ny saina teny amin'i Marthe. Araka ilay nifanarahana tsinona dia tokony tsy mitondra saina rehefa miakatra maka medaly ary tsy misy hiram-pirenena.

Ny tena nahakivy ny maro dia ilay fomba natao ho fampiharana ny fitsipika fa tsy ny fitsipika velively. Izany hoe ilay ramatoa nentanim-po be loatra hanatanteraka ny asany no olana. Azo natao tsara ny nilaza mialoha an'ilay mpihazakazaka, ary azo natao tsara koa ny niteny moramora azy hanome ny sainam-pirenena na niantso ny mpanazatra azy hitazona ny sainam-pirenena aloha. Fa ilay fisintonana no tsy nety.

Taty aoriana moa dia nitombo tsikelikely ilay resaka nisy ny fanangonan-tsonia, nisy ny fangatahana fifonana am-pahibe-maso, nisy hatramin'ny hoe asaivo mody tahaka ny an'ny Comores ny ankizy... nefa ny antony dia mifanohitra tanteraka amin'ny nataon'ny Comores. Ny Komorianina nasainy nody ny ankizy satria tsy narahina tsara ilay fifanarahana hoe tokony tsy mitondra saina ny Mayotte. Dia ny Malagasy indray izany hody satria nasaina nanaraka ilay fifanarahana.

Taorian'iny tranga tamin'ny ekipa malagasy iny dia nifamahofaho ny resaka fitondrana saina. Nisy ny nanaparitaka ny sary niseho taty aoriana izay nisian'ireo Mahorais (izany hoe ny ekipan'i Mayotte) nisalotra sainam-pirenena teny ambony podium. Sary tsy misy idirany mihitsy satria mandritra ny fametrahana ny medaly sy fanaovana ny hira no tsy afaka mitazona saina. Sady mety efa nanenina tamin'ny fihetsika nataony ilay Catherine Paoli ka tsy niakatra intsony. Nisy kosa anefa avy eo ny nataon'ny filohan'ny departemanta La Réunion izay nitondra ny saina Frantsay sy nametraka izany teo antongotry ny mpilalaony mialoha ny hanomezany medaly azy. Ka tsy fantatra intsony hoe hifanarahana ve sa tsia.

Na izany na tsy izany dia namoaka fianalntsiny ho an'ny vahoaka malagasy ho valin'ny fangatahan'ny minisitry ny fanatanjahan-tena malagasy ny komity mpikarakara. Irariana mba hilamina izany ny momba an'iny ka tsy antsoina hody izany ny ekipa malagasy izay efa manao izay ho afany.

Raha ny fanjakana indray no andrasana hanao hetsika eo dia hiandry an'i Paoli indray. Ny "Iles éparses" izay tokony hahazoany tombony ara-toekarena maro aza tsy nasiany maso noho ny tahotra ny Frantsay, vao maika fa izay "Jeux des iles" any La Réunion no hanoherany an'i Lafrantsa? Manofinofy.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aogositra 2015 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry