Arolozan'ny fifamoivoizana - Inona no hatao

2016-04-29 @ 19:31 in Fiaraha-monina

Vao hitako nanoratra atsy ambadika atsy i Jentilisa mikasika ny mety hatao mikasika ity lozam-pifamoivoizana mitranga matetika ao Madagasikara ity. Tohina mihitsy moa ny fo tamin'ny zavatra niseho androany fa toa efa halohalika ny ranom-bary. Tsy afaka hiandry fanjakana isika, be izay efa tsy nataony izay koa samia mitady hevitra hiarovana ny aina. Sosokevitra iray izay ampiharin'ny olona amin'ny firenena sasany no arosoko. Fehezina amin'ny hoe "ny mpandeha" (ny mpanjifa) no tokony ho tompom-pahefana.

Ny mpandeha dia mandoa vola fa tsy entina maimaim-poana. Ary efa vidina lafo mihitsy ny fitaterana amin'izao fotoana izao raha miohatra amin'ny fidiram-bolan'ny tsirairay. Koa tahaka ny varotra rehetra dia izay tsara sy  hitanao mahasoa no vidina. Inona no mifandrindra amin'izany resaka tolotra sy tinady izany eo amin'ny fitaterana:

- Anontaniana mialoha ilay mpamily raha handeha mafy izy na tsia, indrindra ho an'ny taxi-brousse mandeha lavitra. Azavaina aminy mihitsy fa raha handeha mafy izy dia aleo hifidy taxi-brousse iray hafa izay vonona hanaja lalàna. Tokony ho azo atao izany satria ifandrotehana ny mpandeha rehefa eo amin'ny Stationnement.

- Raha vao manomboka mandeha mafimafy mihoatra ny tokony ho izy ny mpamily dia tenenina avy hatrany. Afaka mangataka ny hijanona mihitsy na miantso zandary amin'ny antso an-taroby. Fa tsy hoe faly rehefa mandeha mafimafy ny mpamily. 

- Tsy avelavela fotsiny amin'izao raha nisy ny tsy fanarahan-dalàna teny an-dalana (mpamily nandeha mafy sns) fa resahina avy hatrany amin'ny mpitandro filaminana rehefa tonga.

- Ampitampitaina amin'ny hafa amin'ny fomba samihafa (groupe F.E.M eo amin'ny facebook na fitaovana hafa) ireo fiara, mpamily, kaoperativa izay tsy manara-dalàna toy ny mpamily mifoka sigara, mandeha mafy, sns.

Inoako fa raha samy mandray ny andraikiny ny mpandeha tsirairay dia mety hisy ihany ny aina ho voavonjy. Dia andao hiara-mitady vahaolana mandra-pahatongan'ny fitondrana saina.

 

Politika manomana 2018

2016-04-12 @ 09:44 in Politika

Resaka hafa mihitsy aloha. Miverimberina foana ny antso hoe miverena aty an-Tsihanaka... na ilay hoe aza mimenomenona fotsiny ianareo any ivelany any fa raha tena te hampandroso firenena dia miverena aty Madagasikara. Eny, mety hadisoana ho anay ny tsy miverina hampandroso an'i Madagasikara... fa inoako fa tsy hampiova zavatra lehibe loatra akory ny fiverenana. Firifiry ireo niverina nefa tsy afaka manao na inona na inona akory... toa izany koa moa ireo efa tao foana fa tsy afa-mikofoka e. Vao maika loza aza satria tsy afaka miteny tahaka izay any ivelany akory noho ny delestazy :-) Koa aza mifampiantsoantso fa samia manao izay ho vitany amin'ny toerana misy azy.

Praiminisitra
Sary: www.iisd.ca

Ny kajikajy politika tamin'ny fanoloana praiminisitra teo dia hoe hanomanana ny fifidianana 2018. Dia be ireo tena manao kajy tokoa hoe ho hita eo fa tsy handresy ny anay io na soloina an'iza na soloina an'iza. Dia misy ireo miezaka mandresy lahatra ny vahoakaNY hoe vao maika ireo resintsika raha iny no praiminisitra. Ny sasany moa dia faly ery milaza hoe "voaporofo izao fa tsy mamely ity fitondrana ity satria intelo niova praiminisitra ka ho resintsika io amin'ny fifidianana"... dia mikajikajy politika eo. Kanefa toa ho diso kajy daholo.

Diso kajy satria tsy mitovy ny "fototra" (base) hoy ny mpanao matematika. Ny 1+1 dia mety ho mira 2 na mety ho mira 10 arakaraka ny "fototra" ampiasaina. Ka ity kajy politika ity misy "puissance" hafa mihitsy dia ny vola sy ny fahefana izany. Na tsy ho tian'ny vahoaka aza io fitondrana io, raha mbola ny vola sy ny fahefana no hiasa dia ho reraka eo fotsiny ny mpikajy madio. Ny vahoaka madinika mety tsy ho voavidy amin'ny fifidianana intsony satria efa maranitra amin'ilay hoe hano fa adala tompo. Ka tsy hifidy Herim-po Very Maina intsony na hahazo Tee-Shirt sy vary tambim-bato aza. Ny vahoaka madinika efa tsy ho resy lahatry ny kabary tsara lahatra intsony satria tadidiny ny ngidin'izay mandat voalohany izay. Saingy tsy ny vahoaka madinika intsony no hianteheran'izay manana vola sy fahefana fa ny ambaratonga ambony kokoa. Izay no atahorana amin'ilay kajy maloto. Raha voavidin'ny eo amin'ny fitondrana avokoa ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana hanao "halabato be vata" dia tsy hisy kajy mirindra. Ka na ho zakanao avoko aza ny vahoaka dia ho gaga ianao hahita ny voka-pifidianana hoe tsisy nifidy anao akory.

Koa raha hanao kajy dia ovay ny "fototra"... na farafaharatsiny ampitovio ny "fototra" hanaovana ny kajy.

Ny fanantenako amin'ity Praiminisitra vaovao ity dia toa Katolika hono izy... ary ho an'ny Katolika dia taonan'ny famindram-po ity taona ity.

Tsy ry zareo ihany akory - Panama Papers

2016-04-05 @ 13:23 in Vaovao

Mipoaka be ny resaka Panama Papers #PanamaLeaks tamin'ity herinandro ity. Izy ity dia fanatsikafonana, tamin'ny alalan'ny famoahana ireo dossiers maromaro sendra tsy voapirina tsara, ny fomban'ireo mpanambola sy mpitondra maro amin'ny firenena maro izay manorina orinasa sy mampiasa vola any amin'ny tany tsy dia misy fanarahana hetra loatra mba hialàny amin'ny fandoavan-ketra eo amin'ny taniny. Samy miandriandry hoe iza avy no ho tratran'ny ampamoaka. Efa misy anarana ngeza mivoaka, toa voatonontonona ao koa hono hatramindry Messi, Platini sns. Toa misy ihany koa ny avy ao Madagasika fa mbola tsy fantatra hoe iza. Dia mifampiandry kendry tohina eo aloha.

 

 

Fa alohan'ny hanondroana molotra azy ireo, izay tokony hofaizina mafy tokoa aloha, dia tokony samy mandini-tena. Hatraiza ny fandoavanao hetra eo amin'ny taninao na eo amin'ny tany hivahiniananao. Mora be ilay filazàna hoe tsy mipàka amin'ny fiainana andavanandron'ny vahoaka akory ilay hetra ka aleo samy tsy mandoa. Kanefa toa vahaolana diso ihany izany satria dia hiara-mifafa eo. Fa raha toa tokoa ka tsy misy fiantraikany amin'ny fiainana ny hetra dia ny fitondrana izay tsy mampiasa izany araka ny tokony ho izy no tokony harodana.

Mampiasa anaram-bady
Nampiasa anaram-bady hono ireo tsy mpandoa hetra

Manomboka amin'ny zavatra kely indrindra ny ady amin'ny tsy fandoavan-ketra ary tsy maintsy hiaraha-manao. Raha olona vitsy fotsiny mantsy no miezaka mandoa dia mitovy amin'ny tsy misy ihany. Miainga amin'ny fahazarana faran'izay kely indrindra, maka faktiora foana rehefa mividy zavatra... ary manome faktiora foana koa rehefa manome zavatra.

Ho anay eto Italia, ny zavatra novidina, na dia kafé iray kaopy aza, dia misy ampaham-bola mandeha any amin'ny fanjakàna rehefa nisy taratasy manamarina azy. Imbetsaka mihitsy no tsy manome taratasy ny mpivarotra rehefa tsy mitaky ianao fa odiany fanina. Nefa midika iny fa tsy voarotsaka any amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny 10%-n'ny zavatra novidinao. 

Mitaky fandraisan'anjaran'ny rehetra izany. Ankoatry ny fandoavanao ny hetranao dia anjaranao koa miteny ny hafa handoa ny anjarany. 

 

Les mauvais colocataires...

Il est temps d’obliger les grandes multinationales de payer leur juste part d’impôt. Signez notre pétition et rejoignez le mouvement contre l’évasion fiscale. http://oxf.am/Fb6m

Posted by Oxfam France on Sunday, April 3, 2016

 

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2016 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry