Ny jereko ela indrindra
Eto amin'ny Internet mandritra ny adin'ny 10 eo ho eo aho isanandro (tsy mitohy kosa fa mba tapatapahina isaky ny adin'ny iray sy tapaky ny sakafo ary ny fodiana any antrano). Ny adin'ny 7 amin'io dia aty ampiasana ary ny adin'ny 3 kosa any antrano. Tao anatin'ny iray volana dia nanao karazana fanadihadiana kely aho hoe inona no takelaka jereko maharitra sy matetika indrindra eto amin'ny Internet isanandro. Dia ny valiny azoko dia hoe .
ny gmail izay famakiako email no misokatra sy jereko imbetsaka indrindra...
Ny fanadihadiana nataoko dia nifototra tamin'ny fikaontiana avy amin'ny FireFox antsoina hoe pageaddict izay fitaovana ampiasaiko.
Toa izao izany ny sary izay hitan'ny masoko imbetsaka indrindra eto amin'ny Internet.
Hevitra
kaiiiiiiiiii,ihihihi; tsy mora manimba maso ve izao?! korazy ary!! mmmmh
stessa barca
mitovitovy daholo ny mponina eto an-tany ry hery, hahaha, fa ny votoatiny no samy hafa!!!!