« | »

Voadonam-piainana

2007-07-31 @ 09:30 in Eritreritra mandalo

Resaka fivavahana. Ho an'izay Zezoita dia fety fahatsiarovana ny nahafatesan'i Ignace de Loyola, maty tamin'ny taona 1556, androany. Izy io no namorona ny fikambanan-dRelijiozy anisan'ny malaza lehibe indrindra. Na ireo tsy katolika aza ao Madagasikara dia mahalala ny lazan'ny sekoly tantanan'ny Zezoita toy ny St Michel ao Antananarivo, ny St. François Xavier ao Fianarantsoa sns.

Tsy fiderana ny Zezoita no tiako hatao eto... tsy mila izany rahateo ry zalahy ireo, fa eritreritra fohy nony avy namaky momba ny tantaran'i Ignace de Loyola. Averimberin'ny olona sasany mantsy matetika ilay hoe "voadonam-piainana" ny olona manao relijiozy. Dia hitako fa misy lafiny marina tokoa izany. Matetika dia "voadona mafy" mihitsy ny ankamaroan'ireo olomasina maro vao nandalo fibebahana. I Paoly izay mpanenjika an'i Kristy sy ny kristianina dia tsy nibebaka raha tsy "voadona". I Augustin izay mpanoratra sady Filozofa malaza dia "voadona" tamin'ny fiainana vao tonga saina nanatona an'Andriamanitra. Dia i Ignace de Loyola indray ity efa nanana ny fiainany, fa noho izy "voadona", naratra tany an'ady, vao tonga saina nibebaka.

Tsy tokony ho henatra noho izany ny filazana fa voadonan'ny fiainana ireo manaraka an'Andriamanitra. Mety fomba ataony hiantsoany olona hiara-miasa aminy koa ireny. Ny loza dia ireo efa voadonam-piainana kanefa tsy mahalala ny dikany.

Hevitra

ikalamako

Matetika izay no mitranga.
Na tsy hoe lasa kristiana aza fa ao koa ireo miova firehana mihitsy ; samy mihevitra ny fiainana vaovao iainany ho fanavotana daholo.
Dia misy koa anefa ny efa tafiditra ao vao mihiratra ny maso hoe aleo indray miaina ny fiainana hafa ; ivelan'ny fiainan-drelijiozy, na mivoaka ny fikambanana iray noheverina fa tena nahasoa fony mbola "voadona" (zava-misy no lazaiko fa tsy hanome fanafintohinana aho akory an, aleo hazava).
Ka ny tiako holazaina dia hoe ny vokatry ny fitsapana nahazo eo amin'ny fiainana no mampiova filamatra. Na ny manapa-kevitra miditra na ny manapa-kevitra mivoaka.

Nampidirin'i ikalamako @ 13:12, 2007-07-31 [Valio]

oh

Izaho koa mba anisan'ny voadona, angamba mbola tsy mafy loatra,
fa ny tiako holazainna dia hoe ry Ratsiraka izao, mpianatry ny Zezoita, maromaro ihany ireo nofanin'ny Zezoita, fa ndraindray manamarina ny lazain'ny dictionnaire larousse taloha be n zava-mitranga...
indraindray manko lasa resaka politika hatramin'ny lazaina fa sekoly fanasoavana ny mahantra... dia ny zanaky ny mpananana no afaka mianatra ao...
le resak'ikalamako ndray dia hoe ny essentiel dia hoe ny tanjona fa tsy ny lalana...
ny fahamasinana no tanjon'ny voadona rehetra.

Nampidirin'i voadona @ 17:56, 2007-07-31 [Valio]

Misaotra

Anisan'ny novokarin'ny zezoita aho. fa za tsy "voadona" vao tapa-kevitra nisafidy nanaraka ny foto-pisainan-dry zalahy ireo!

Dia miarahaba an-dry zalahy namana izay nahavita voady sy nohamasinina androany sy @ ity herinandro ity, na ireo nankalaza ny tsingerin-taona

Nampidirin'i Ikaretsaka @ 07:55, 2007-08-02 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry