« | »

Mametraha kely...

2007-11-28 @ 16:48 in Eritreritra mandalo

Tsy misy ifandraisany amin'io teny io mihitsy ity sary apetrako eto ity. Ny sary dia mampiseho Raozy dia izay hita teny andalana ho any Ranomafana.
Raozy diaFa ny zavatra tiako hampitaina dia io fomba fiteny iray io. "Mametraha kely". Manjary fiteny faheno manerana an'i Madagasikara. Rehefa avy miasa ho anao, na koa te handresy lahatra anao hoe niasa ho anao ny olona iray dia miteny an'io "Mametraha kely" io. Mangataka valiny ankolaka. Mametraha vola kely fa mba nisy nataoko ihany teo.

Ny mampiavaka an'io "Mametraha kely..." io dia noho izy tsy manery ary tsy misy fetra... tahaka ny rakitra any am-piangonana. Ary tsy hoe mametraka alohan'ny "service" fa "service" aloha dia mametraka izay foy ianao. Resaka feon'ny fieritreretana ny sisa.

Toerana sy fotoana mety handrenesanao ny "Mametraha kely..."

- Rehefa maka ny fiara avy nipetraka teo amin'ny "parking"-mbahoaka. Mipoitra tampoka avy any ry zalahy dia miteny hoe "Mametraha kely...". Niandry sy nijerijery ny fiaranao hono izy. Tsy nifanarahana anefa izany. Azonao atao ny mametraka raha tianao.

- Rehefa avy maka taratasy any amin'ny birao-mpanjakana ianao dia mijerijery anao amin'ny maso manahirana ilay madama ngezangeza iny dia miteny moramora hoe "Hametraka kely?" Io ilay "Mametraha kely" en mode mahalala fomba. Tsy manao tsolotra izy amin'io (bye bye bianco) fa izay nahim-ponao ihany no ataonao. Mandray ny karamany koa izy (aza ampatsiahivina azy) na dia kely aza... fa rehefa tsy hametraka kely ianao tsy maninona.

- Rehefa sendra mandeha hariva eny amin'iny Behoririka iny ianao... dia tonga dia misy miteny fotsiny hoe "Mametraha kely zoky e...". Tsy niasa ho anao izy, tsy nampianao... fa angamba mila mandoa saram-pandalovana eo amin'ilay "zone rouge"-ny ianao. Raha tsy manome ianao dia tsy hanendaka akory izy fa aza matahotra.

Koa raha manana hapetraka dia mba mametraha kely fa ifanampiana ny fiainana e. Izay apetraka ihany no mety halaina any aoriana :-) 

Hevitra

Hi hi, mametraka tsikera kely.

Nampidirin'i pissoa @ 19:09, 2007-11-28 [Valio]

sao dia mba te-hiteny aminay mpampiasa blaogy ary i hery ity hoe "mametraha kely". Gratos no nifanarahana teto an ! :-P

Nampidirin'i ikalamako @ 20:38, 2007-11-28 [Valio]

hihihihihi ikalamako iny injay no tsy hitako hihihi toran'ny hehy aho ato marina moa annn

fa aiza ary aloha ny hapetraka dia inn e! izao mantsy vahiny kouuh hihh, tsy haiko aloha e! hihih

Nampidirin'i sipagasy @ 23:08, 2007-11-28 [Valio]

Ary tsy arako indray izay fiteny izay.
Misaotra nanome teny vaovao.
Ianarana indray izany ami'nny manaraka hoe : mametraha kely !

DdRb

Nampidirin'i DadaRabe @ 10:52, 2007-11-29 [Valio]

Mitovitovy amin'ny pourboire ihany izany ... somary mampme kely ihany ilay tantara :

Ireny vazaha touriste ireny hono rehefa vao tonga dia manome pourboire 10€ na 20€ rehefa mahafapo azy ny service-n'ilay hotely. Fa rehefa avy nirozy tany am'zay izy, le efa hody iny, dia 500a sisa no omeny :-)

Nampidirin'i lap @ 09:50, 2007-11-30 [Valio]

eny ary e ! mametraka kely aho io an ! ny sora-tànana, ny diam-penina, ny dian'ny "clavier" moa izany !
Misaotra amin'ny tantara e !

Nampidirin'i Tsikisariaka @ 11:52, 2007-11-30 [Valio]

ny tena makamo indray za mba nandende teny @ anjely fotsy Anosy (nitsidika izay couple hisaraka rehetra atsy ho atsy) d le jiolamboto mipetrapetra teo no nitaky vola t@ ze ol nande teo hoe tsy maintsy mandoa A200 ony satria ry zala no miambina ilay toerana :D
Tsy le vola no tena olana fa le toe-tsaina mampahantra, tsy mande miasa tsy akory fa mipetrapetraka eo d manararaotra ze mandalo fotsiny.

Tonga avy any kosa ny bandy kely anakiroa, tsy nirara fa tonga d nikozy hoe, tsisy an'zany fa ndao hiditra e :)

Nampidirin'i simp @ 14:02, 2007-11-30 [Valio]

danz' ndray zany lesona na communication vaovao zany an, tokony hampidirina eny @ école de commerce izy io 'zany koa...
ikalamako>ndry ty miscènn mitsy an, mamon'ny roma ao ngah ndry?

Nampidirin'i ikalakely @ 14:16, 2007-11-30 [Valio]

Best of Malagasy Blogs

Manaona ô,

Nisy mpamaky nampiditra an’ny bloginao ho Blaogy Malagasy Tsara Indrindra tao amin’ny BOMBS.

http://www.bestofmalagasyblogs.com/?p=112

Ary manasa anareo rehetra hanome zay blaogy hitanareo fa tsara indrindra . Io BOMBS io moa dia atao hampahafantarana ny Blaogy Malagasy efa maro be ary mifarana amin’ny 31 desambra 2007.

Aza adino ary mametraka BOMBA B!

Bizzzzz

__________

Bonjour,

Votre blog a été nominé pour être selectionné parmi les Meilleurs Blogs Malgache pour les BOMBS. http://www.bestofmalagasyblogs.com/?p=112

Vous trouverez des informations concernant les règles et les différentes catégories de blog sur notre site web. Et vous pouvez aussi profiter pour soumettre vos blogs préférés !

Le but de ce concours est de mettre en valeur la qualité et la diversité de la Blogosphère Malgache. Alors n’oubliez pas de venir lâcher vos BOMBS jusqu’au 31 Décembre 2007 !!

Bizzzz, Joan

Nampidirin'i joan @ 00:05, 2007-12-01 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry