« | »

Mandroso amin'ny lalina kokoa

2008-09-01 @ 14:40 in Izaho sy ny ahy, Sarimihetsika

Tsy ilay hira malaza (manjary atao @ fiandrasam-paty foana) no tiako lazaina amin'ny lohateny fa dika tsotsotra an'ilay fiteny hoe "Keep moving forward". Omaly hariva aho vao nijery an'ilay Dessin Animé (ie, mpakafy an'ireny aho) hoe "Meet the Robinsons" satria hanomboka hiasa androany fa vita ny fialantsasatra dia hoe te hihomehy kely. Rehefa fotoana tiako hanadiovana ny atidohako hanadino vetivety ny ordinatera sy ny mombamomba azy mantsy dia mijery film-njaza toa ireny aho.

Dia tsy hoe nanala vizana fotsiny ilay film fa tena nahafinaritra mihitsy... ary be lesona azo tsoahina ao anatiny - Aza mihomehy hoe amin'ny D-A no hakàko lesona... ny an'ny Ntaolo aza tamin'ny angano - anisan'izany ilay hoe "Keep moving forward".

Na eo aza ny tsy fahombiazana madinidinika, na vaventy, mitranga eo amin'ny fiainana dia tokony miezaka ny hihoatra izany foana. Mandroso hatrany. Ny fahakiviana no fanombohan'ny faharavana.

Manomboka taom-piasàna vaovao tokoa mantsy androany, betsaka ny vinavina izay kasaina ary tsy natao ho resin'ny tsy fahombiazana mety nitranga. Natao hakàna lesona ny tsy nety teo amin'ny lasa...

Ndao indray ary... handroso amin'ny lalina hatrany :-)

 

 

 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry