« | »

Malagasy iza no maty teny Antaninarenina?

2009-02-07 @ 15:43 in Politika

Tamin'ny taona 1991, raha nanafika teny Mavoloha izahay, dia tsy nampoizinay hoe hitifitra Ratsiraka. Tsy mbola nisy hoe filoham-pirenena noeritreretinay hoe hitifitra vahoaka izany. Fa tamin'iny vao fantatray hoe hay misy an'izany zone rouge izany, niantsoantso izahay hoe mpamono olona i Ratsiraka kanefa tsy nampiverina ireo maty akory izany. Nanomboka tamin'izay dia nivoadivoady izay nilahatra teny hoe hofatifaty foana fa aleo mitady fika hafa. Ratsiraka hatramin'izao tsy naninona fa mbola misonanina any Frantsa.Dia gaga aho hoe mbola nisy Malagasy sahy nandeha teny Ambotsirohitra natao fitaovana indray koa. Dia Malagasy iza anefa? Malagasy tsy mba nitolona tamin'ny 1991 angamba. Mety hoe ireo izay tsy nahita ny rà nandriaka teny Mavoloha. Mety hoe ireo mbola tsy vory saina tamin'ny 1991 (hay tokoa moa 14 taona ilay mpitolona TGV nody mandry). Mety hoe olona tsy avy eto Antananarivo ka tsy nanana namana maty tamin'ny 1991. Tsy maintsy ho izany satria raha olona niaraka taminay tamin'ny 1991 dia nahalala tsara fa tsy maintsy hisy fitifirana. Na dia mafy toa inona aza ny fitiavana an'i Andry Rajaoelina.

Mampalahelo ireo miaramila izay voatery tsy maintsy nanatanteraka ny baiko ka nitifitra na voatifitra. Ireo "vahoaka" moa efa vahoaka tonga saina. Sao dia tokony hatsangana ho "mahery fo"-n'ny firenena?

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry