« | »

Andro fahatelo tsisy Windows

2010-09-29 @ 06:52 in Izaho sy ny ahy, Informatika

Nandritra ny roa andro dia Linux (Ubuntu) fotsiny no nampiasaiko. Ary miditra amin'ny andro fahatelo aho izao. Amin'ny ankapobeny dia mandeha tsara daholo. Ny asa tato am-piasana, ohatra, izay tsy maintsy nampiasàna Internet Explorer (tsy ekeny akory ny Firefox) dia azo nihafiana ihany rehefa mampiasa Google Chrome. Ny documents fijery amin'ny WinWord rehetra dia jerena amin'ny OpenOffice. Rehefa any an-trano koa, ny fichier pdf tany amin'i Rondro novaina ho jpg dia natao tamin'ny Gimp. Amin'izany aho sady afaka mianatra Blender fa mila mahay resaka 3D kely ihany koa.

Androany no mety hisy olana satria misy resaka OCR ny asa atao. Manova texte amin'ny boky ho lasa document azo ahitsy. Izany hoe hampiasa scanner. Raha asa maika dia tsy maintsy hiova windows kely, fa satria tsy asa maika dia vao hojerena sy hianarana indray hoe inona no hanaovana azy.

Hitako izany amin'ny linux hoe raha manao zavatra standard ianao dia mety tsara daholo, fa raha vao manao zavatra manokana kely dia mitady vahaolana. Izany hoe mila mikarokaroka sy mikirakira. Izay no valin'ilay fanontaniana hoe "Maninona no tsy mampiasa linux daholo raha izany?"

Hevitra

Efa 2 taona no tsy nampiasa windows intsony. @ ankapobeny dia misy logiciel equivalent linux ny ankamaroan'ny logiciel sur windows.
Ny hany mila windows tsindraindray dia @ sehatry ny jeux izay mbola vitsy no compatible linux, sy @ graphisme/multimedia izay mbola ny mac no tena raitra amin'io, ary windows no manaraka. Eo ihany koa msaccess izay tsy misy mahasolo hatra@ zao.
Hatr@ zao dia afapo aho amin'ny ubuntu izay OS ampiasaiko @ machines rehetra ao antrano (3 portables)
Ny pdf misy logiciel tsy latsaky ny 4 na 5 mahavaky psf aradalana. Evince - pdfcube - okular - xpdf - mozplugger (ao anaty firefox) ..sns (jereo ao @ library n'ny synaptics)

Nampidirin'i revirevy @ 07:33, 2010-09-29 [Valio]

Fa ny linux koa rehefa mahazaka ny pilote-n'ny matériel ampiasainao izy dia azo ampiasaina, mahafinaritra aza ilay hoe misy blème kely dia mi-net dia misy manampy dia voavaha ny olana. Fa rehefa hoe misy matériel tsy hitan'i Linux, izay no tena mahakivy.

Ireny scanner ireny, raha ilay vitavita sinoa aty Dago indraindra mampijaly. Ny ahy dia aleoko mifidy ny marque HP foana fa ny HP mantsy misy ilay package hplip izay, azo antoka ny compatibilité @ matériels rehetra.

Nampidirin'i DotMG @ 10:13, 2010-09-29 [Valio]

Ireo fichiers pdf rehetra voatery avadika jpg daholo no ohatry ny somary mampitombo lahasa kely.

Nampidirin'i ikotokoely @ 12:53, 2010-09-29 [Valio]

Ny ankamaroan'ny olona serieux dia matetika mampiasa linux na mac... noho izay dia matetika ny zavatra serieux dia misy version linux daholo, fa zany hoe tsy maintsy handoavam-bola ihany koa aloha ee... Ny tena zavatra somary diso @ fiheveran'ny olona foana dia ny hoe gratuit foana rehefa linux... oui, izay ilay hevitra fa zany hoe refa gratuit koa aloha dia votany ee (tsy izy rehetra an lol)...
ny zavatra fampiasa matetika toy ny bureautika no efa hoe tena manja sady mety tsara @ linux fa ra vao hoe professionel kokoa dia mila mividy foana, fa version linux fotsiny... Tena alternative viable @ hoe windows sy mac tsara mintsy izy @ zay fotoana izay. Koi que ny graphics sy ny feo alou mety somary ambany kely kokoa fotsiny eee... ny tiako tenenina hoe tsy mena-mitaha ee...

Fa ny tena olana indraindray dia io araka ny tenin'i Doty io hoe somary mahantra drivers izy... satria ny hard izany ny ankamaroany (izy rehetra no tena marina) dia natao hoan'ny windows doly ka tsy maintsy hoe miaraka mivoaka @ driver windows... dia eo no tombony @ zala fa ny linux mila miandry kely foana hoe misy bandy mi-trav an'zay vao afaka ampiasana...
tadidiko tsara taloha izany mampiasa ecran maromaro @ matosy iray zany dia tena acrobatie be manadala fa vao nisy release tao arinan'zay dia lasa kilalaon-jaza... otran'zany koa t@ vao nivoaka ny processeur i7 dia otran'ny hoe tena otran'ny misy zavatra tsy mande nefa mba hoe tena i7 lelika ee... miandry release anakiray fotsiny dia efa manja...
izay no tena hitako mampa-manja kokoa ny hoe ubuntu noho ny hoe tena debian pur et dur, le hoe tsy miandry elabe ny release...

dia izay ee... safidy ilay izy, plus hoe practicability kely fotsiny, fa ny ankoatran'zay dia samy mety doly refa hoe OS...
Zany hoe ny linux sy mac fotsiny otran'ny hoe professionel kokoa enao hoe smarter refa mampiasa anazy lol

Nampidirin'i simp @ 13:13, 2010-09-29 [Valio]

bonus: tsy misy virus sy malware ;-)

Nampidirin'i simp @ 13:16, 2010-09-29 [Valio]

Simp> Misy virus ihany ka :-) Mody antsoindry zalahy hoe Hack sns fotsiny dia hoe ataovy mise à jour malaky ny zao sy zao fa misy faille de securité

Nampidirin'i Hery @ 13:21, 2010-09-29 [Valio]

ka tsy virus ireny fa figafiana serveur-ka haha

ny virus, amiko, dia ilay zavatra manimba an'le OS na hoe fichiers ao...
ny malwares indray dia ilay managalatra informations avy ao @ matosy alefa @ masinina alavitra...

-> ny tiako hahatongavana dia ny hoe afaka manao internet banking tsy ampisalasalana, hoe sao dia misy misitona eto ny mot de passe sy ny pin sy ny karazany...
izay manana lohamilina tranokala alou dia eee aza kivy fa fiainana daholo izany eee hihi

Nampidirin'i simp @ 13:30, 2010-09-29 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry