Adiresy imailaka @namana.serasera.org

2006-06-11 @ 23:34 in Blaogy Dev

Vokatry ny fanomezana avy amin'ny gmail.com dia manana adiresy miendrika [email protected] 500 izay atolotra ho an'ireo namana izay mangataka izany ny serasera.org.

Raha toa ka tianao ny hanana adiresy [email protected] (ny solonanarana dia ilay solonanarana fampiasanao eto amin'ny serasera.org) dia fenoy ny fangatahana tsindrio eto (Mila mampiditra solonanarana sy tenimiafina namana.serasera.org) . Alohan'izany anefa dia vakio ny tolotra sy ny fepetra.

Ny Tolotra imailaka

Ny fepetra ilaina ekena

  • Adiresy 500 ihany amin'izao fotoana izao no azo omena. Raha toa ka feno io 500 io dia mijanona ny tolotra.
  • Ao amin'ny takelaka fangatahana ihany no ahafahanao mangataka ny hanana adiresy [email protected]. Ny fangatahana hafa alefa amiko manokana sns dia tsy horaisina.
  • Raha vao miala tsy ho ao anaty namana.serasera.org intsony ianao dia voafafa ny adiresy imailaka @namana.serasera.org
  • Raha manova tenimiafina eto amin'ny serasera ianao dia tsy miova ny tenimiafina ao amin'ny adiresy imailaka. Raha nanova tenimiafina ianao ka tianao hitovy amin'ny tenimiafina fampiasanao eto amin'ny serasera ny tenimiafina ao amin'ny imailaka dia mila milaza aty aminay.
  • Ny google (gmail.com) no tompon'andraikitra amin'ny tolotra imailaka ka tsy tompon'andraikitra amin'izay mety ho fahaverezan'ny hafatra ny serasera.org

Raha toa ka vonona amin'izany ary ianao dia manaova fangatahana eto.

Misaotra

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry