Variana milalao...

Published on 03/11,2007

Misy zavatra mahavariana ahy amin'izao fotoana izao. Vao nahita ilay atao hoe JQuery aho andro vitsivitsy izay. Nifanojo tanteraka tamin'ny nanavaozana ny Radiovazogasy.com no nahitako azy. Tiako haseho anareo fotsiny zavatra mety ho vitany. Ny zavatra kely efa mba haiko amin'ilay izy ity asehoko anareo eto ambany ity. Ho an'izay efa mahay programmation dia mora ho azy ny mianatra sy mampihatra azy.


Tsindrio eto

Image(9).jpg

Taloha rehefa manao zavatra tahaka an'itony dia misalasala foana hoe handeha ve ny JavaScript sa tsia. Fa rehefa mampiasa JQuery dia tonga dia aseho ny tsy mampiasa Javascript ary izay mampiasa Javascript sisa no mahita ny fiovana. Ny mahatsara ny JQuery koa dia madio tanteraka ny HTML. Raha jerena ny "source" eto amin'ity takelaka ity dia tsy hahitana onClick toy ny mahazatra.

Ny ohatra goavana amin'izany dia ny AJAX izay natao tao amin'ny radiovazogasy.com. JQuery no nampiasaiko mahatonga ny lohatenin'ny hira miova ho azy io. Raha tsy mampiasa Javascript dia tsy miseho ilay sary kely izay milaza hoe miova ho azy ilay izy.



Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=2641

Leave a Reply

One Response to Variana milalao...



  1. Visit Tattum

    JQuery fait partie de ces sites qu'on découvre, qu'on sait à fort potentiel pratique, mais dont je ne comprends pas toujours comment le maîtriser! :D
    La prochaine fois que je me recyclerai, je serai webmaster, alors je saurai! :D



  2. Visit ikalamako

    io ve ry hery no hoe vetivety aho dia ho hitanareo dia vetivety aho dia tsy hitanareo ????



  3. Visit Ikaretsaka

    vetivery za hitanareo..vetivety za ts'itanareo



  4. Visit jentilisa

    Dia midanàka fotsiny aho marina mafy!!!



  5. Visit lapino

    Mandeha amin'ny firefox le izy, dia amin'ny IE koa, opera tsy haiko, fa amin'ny konqueror tsy mandeha.

    Mety efa hitan'i Hery koa ilay visual jquery :-)

    Otran'ny incorporer-ndry zalahy anaty cms mihitsy izy io, ny drupal 5.1 izao toa efa misy azy