« | »

Nohavaozina ny Radiovazogasy.com

2007-03-07 @ 21:16 in Serasera.org, Informatika

Vita sy naseho vahoaka androany ny Voatra hafa 4 (Version 4)-n'ny takelaky ny RadioVazoGasy.com. Antenaina fa hisy fahatsarany eo amin'ny hafainganana indrindra indrindra. Io no takelaka mampiasa ny Solaitra voatra farany indrindra eto amin'ny serasera ary angamba ato ho ato dia hanaraka azy koa ny takelaky ny namana.serasera.org sy ny hafa.

Ireo zavatra natao (mbola sady manatsara)

  •  Napetraka ny toerana fihainoana mivantana eo amin'ny takelaka (Ilay ery ambony havia)
  • Miova ho azy ilay Hira mandeha miseho eo amin'ny takelaka. Tsy voatery averina sokafana indray ny takelaka dia misehony hira manaraka.
  • Toa izany koa ny lisitry ny hira miandry.

Mety misy olana? 

Misy miteny hoe tsy mahita tsara an'ilay site.

Tokony ho toa izao no ho hitanao

http://farm1.static.flickr.com/183/414428661_5e8730f39d_m.jpg http://farm1.static.flickr.com/149/414428731_89f68a6a25_m.jpg http://farm1.static.flickr.com/131/414428847_90b58a30e0_m.jpg http://farm1.static.flickr.com/123/414428884_45b6e97074_m.jpg http://farm1.static.flickr.com/160/414428927_04fc1ae3f6_m.jpg


Raha toa tsy mahita toa an'io ianao dia azonao Jereo eto dia mba teneno ahy hoe inona ny zavatra mitranga ao? Izany hoe inona ny browser ampiasainao?

Resaka teknika :-)

Somary nisy olana vitsivitsy teo amin'ny fanovana satria niova ny structure-n'ny base de données amin'ny Solaitra. Miditra tsikelikely amin'ny Object Oriented koa mantsy izao ny solaitra na dia mbola tsy tena Framework mahaleo tena tanteraka aza. Nokitihana hifanaraka amin'io daholo noho izany ny modules rehetra ao amin'ny radiovazogasy... izay ny ankamaroany dia modules manokana ho an'ny radiovazogasy tsy itambarany amin'ny takelaka hafa.

Ilay version vaovao-n'ny solaitra dia manamora be ny fandrindrana ny Views. Izany no natao dia mba hahafahana miditra tsikelikely amin'ny sehatry ny Web 2.0. Rehefa kelikely ohatra (amin'ny v5 izay efa miala any) dia ho azo atao ny manidy sy mamindra ny boaty tsirairay eo amin'ny pejy fandraisana... ilaina ve nefa.

Ok izay indray ny amin'iny aloha fa hiditra amin'ny takelaka hafa indray.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry