Aza ampijaliana ny tenintsika: ny "h"

Published on 03/29,2008

Fandraisana anjara amin'ny "Aza ampijaliana ny tenintsika".
Sarotra ihany ho an'ny ankamaroan'ny Malagasy ny mamantatra hoe misy "h" ve ny teny iray sa tsy misy satria amin'ny ankapobeny ny "h" dia tsy tononina. Ho an'ny faritra sasany toa ny any Betsileo aloha tsy dia manana olana satria tononina tsara mihitsy ny "h". Koa ireto ary misy fomba vitsivitsy hahalalàna hoe tokony hisy "h" sa tsy tokony ny teny iray.

Mazava ho azy fa rehefa manoratra no tena mampanontany tena hoe misy "h" sa tsia. Koa ireto ary no fitsipika vitsivitsy.

  • Rehefa aorian'ny ireto teny ireto dia tsy maintsy misy "h":
    saika, mba, tokony, mbola
    Ohatra: Saika hanoratra, tokony hianatra
  • ... (Mbola hitohy)

 


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=4523

Leave a Reply

One Response to Aza ampijaliana ny tenintsika: ny "h"



  1. Visit pissoa pissoa

    Tena natao hovakiako ity lahatsoratra ity :) Miandry ny tohiny ...



  2. Visit lehilahytsyresy

    Marina tokoa io voalazan'i Hery io. Misaotra indrindra.
    Ankoatr'ireo dia mila tovonana "h-" ihany koa izay matoanteny aorian'ireto:
    - "te-" (vouloir...), ohatra: te-hianatra, te-hatory, ...sns...
    - "alohan'ny" (avant de...), ohatra: alohan'ny hanombohana, alohan'ny hitenenana, ...sns...



  3. Visit ikalamako ikalamako

    misaotra hatrany e !
    Hita fa tena tsara dia tsara ny hevitrao ry lap fa betsaka ny lesona ifampizarana.
    Am-bava homana am-po mierotra...
    Angamba mila pejy manokana asiana ny rohy mitondra ireo fa ho very tokoa ireto mandra-pahatapitry ny iray volana. Misy hevitra momba izany ve ?



  4. Visit tokinao tokinao

    Msaotra hery a! miala tsiny fa tafangalatra resaka aho tatsy amiko tatsy.



  5. Visit Kdaombaramita

    Amin'ny ankapobeny dia rehefa ho avy ilay tranga na irina ho avy dia manomboka amin'ny H.

    " saika " - " mba " - " tokony " : fanirina daholo ireo no mahatonga ny teny aoriany manomboka main'y H

    " Mbola " : manambara ny ho fiaviana dia mampiasa h ny teny aoriany.

    Izay no fitsipi-pitenenana tadidiko t@ izaho teny amin'ny CEG ! ;-)

    Kdômbitah



  6. Visit lap

    Misaotra aloha fa tena mampisy lanjany an'ilay lalao ny fandraisan'i Hery anjara e.



  7. Visit ikalamako ikalamako

    lap : ie ! izaho koa misaotra azy satria nangata-tsodrano tany - oops nanontany ny hevitry ny gourou manko - ikalamako vao namoaka lahatsoratra niangavy, hihihi



  8. Visit simp

    mafinaritra e :)



  9. Visit DadaRabe

    dia hitandrina tokoa rehefa manoratra

    DdRb



  10. Visit news2dago

    misaotra e!
    tena nanampy be mihitsy



  11. Visit Da Dezy

    de ahoana izany le hoe : Anana ( Ramorebaka ohatra na anamalao... ) fa ataon' ny sasany hoe Hanana....