CyberFety Gasy Androany

Published on 06/21,2008

Androany ny fetin'ny mozika, hetsika maro isankarazany no hita aty Eoropa, ary inoako fa tsy ho latsak'izany koa ny toerana hafa. Fa miara-mitontona amin'izany indrindra ny cyberfety izay andraisan'ny Telomiova.org anjara ihany koa.

Inona ny amin'ny Cyberfety?

 

Ny Cyberfety dia fety ihaonan'ny Malagasy amin'ny alalan'ny karajia (Chat). Izany hoe mihaona, mihirahira, mifety, miresaka, milalao.

Ny lohahevi-dehibe amin'ity fety voalohany ity dia hoe "Aza simbaina ny tenintsika". Koa mandritra ny cyberfety dia hiteny Malagasy no tena tanjona. Malagasy ranoray. Haseho hoe ny Malagasy koa dia afaka sady miteny malagasy no manala azy :-) Tsy voatery hoe amin'ny teny hafa foana vao afaka misangisangy sy milalao. Ary hoporofoina ho mbola afaka sy mbola liana hiteny malagasy ny Malagasy eto amin'ny internet na dia hoe teny hafa aza no tena mibahana ity tontolo ity.

Handray anjara?

Tsotra ny fandraisana anjara. Midira amin'ireo toerana vitsivitsy fidirana avy hatrany ao amin'ny cyberfety.

Ohatra: http://tetikasa.telomiova.org/cyberfety 

Mampidira solonanarana dia lasa izao.

Fanampiana tsotsotra

Rehefa tonga ao ianao dia ireto misy zavatra vitsivitsy azo atao

  • Soraty hoe !vonjy raha te hahita ny baiko azo ampiasaina
  • Soraty hoe !rvg raha te hahita ny fomba fandaharana hira amin'ny Radiovazogasy
  • Soraty hoe !ohabolana (ao amin'i Botlives01) raha te hahita ohabolana malagasy


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=4941

Leave a Reply

One Response to CyberFety Gasy Androany



  1. Visit ikalamako ikalamako

    tokony mba hahazo fiangarana kely ao amin'ny RadioVazoGasy izany amin'ity indray mitoraka ity koh : mba ho laharampahamehana aloha ny hira angatahan'ny mpamonjy cyberfety satria tsy hoe haharitra ao elabe ny vahoaka fa rehefa tapitra ny lera dia hidìn'ny Telomiova sy ny FOKO ny trano nefa ny hira nangatahana mbola gisitra be. Sa ?



  2. Visit Hery

    Androany ihany :-)

    Izay mandahatra hira avy ao amin'ny cyberfety amin'ny alalan'ny !rvg dia tonga dia tafiditra ny hira.

    Hery



  3. Visit Lalasoa

    Ary ny mahagaga ahy rehefa manoratra hafatra ka manindry 'espace' aho dia tonga dia lasa ilay hafatra :-D



  4. Visit Lalasoa

    Tezitra amiko amin'ilay mivoaka miditra angamba ilay telomiova ry Hery fa tsy tafiditra amilay chat cyberfety mihitsy aho nefa efa nanova Pseudo aho!



  5. Visit Lalasoa

    Tena antsasak'adiny aho mivadibadika eto ry Hery fa tsy tafiditra amin'ilay Cyberfety mihitsy a! Permission denied izany no message eo, ilay pseudo ao amin'ny serasera sy Lalasoa no soratako dia lazainy fa efa misy mampiasa! Nefa aho tsy tafiditra akory!
    Dia mihaino rvg sisa dia "maka sary an-tsaina izay ataonareo"!



  6. Visit ikalamako

    misaotra ny mpikarakara sy mpanatrika rehetra ary izay nanam-piniavana fa noho ny antony samihafa dia tsy afaka (maintikely, ikalakely) sy ny tratran'ny olana ara-teknika dia tavela tany ivelan'ny vavahady (lalasoa, grrrr).
    Maromaroa ny toa ireny an !



  7. Visit pissoa

    Ikalamako manao dika petaka be kay hi hi hi.

    Misaotra antsika isika e. Misaotra tamin'ilay rvg ry Hery a.



  8. Visit jogany

    mialy beeeee
    misaotra tsika rehetra fa tena milay beee
    9mbola tsy mahay teny gasy ihany i kala jogany..pfff)



  9. Visit sipagasy

    nahafinaritra kann, tena nilay ny lalao sns e!

    rahoviana indray ny manaraka?