I'd Rather Be A Blogger (Aleoko Ihany Blogger)

hery 29 Aprily, 2011 20:24 Eritreritra mandalo Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tamin'ny fotoana nianarana teny amin'ny oniversité (mba teny hono) dia nisy teny anakiray izay nolazain'ilay vazaha mpampianatra niraikitra lalina tao antsaiko nandritra ny taona maro. Raha te ho tafita ianareo, hoy izy, dia mamakia boky, mamakia boky, dia rehefa avy mamaky boky ka tsy te hamaky boky intsony dia mamakia boky amin'izay. Dia toa nandaitra tokoa io teo amin'ny fianarana. Ny olana fotsiny dia feno ny disque dur ka matetika tsy voatahiry izany novakiana.

Taty aoriana dia hitako hoe ho an'ny kelikely disque dur dia ny mifanohitra amin'izay no tena tokony hatao. Manoratra, manoratra, manoratra, dia rehefa avy manoratra ka tsy te hanoratra intsony dia manoratra amin'izay. Io angamba no antoka hahatadidiavana izay mandalo... ary indrindra indrindra antoka iray hahaela velona ny blaogy.

Amin'izao tokoa mantsy dia be dia be loatra ny zavatra mitranga etsy sy eroa, kanefa tsy voatantara amin'ny blaogy intsony ny hevitry ny tena mikasika azy ireny. Misy izany micro-blogging izany, toa ny twitter sy identi.ca. Misy izany social network izany toa ny diaspora sy ny myspace, ny hi5 sy ny facebook sy ny namana.serasera.org sns. Mahita sary anakiray mahaliana aho dia mametraka hevitra, indraindray hevi-dalina. Maheno vaovao anakiray apetraky ny namana aho dia mametraka hevitra izay indraindray mafonja satria entin'ny aingam-panahy eo no ho eo, vokatry ny zavatra iainana amin'io fotoana io. Vokany dia mahasoratra hevitra be dia be tokoa ary mafonja ny ankamaroany saingy miparitaka any rehetra any dia miha manjavona tsy hita. Aty aoriana ianao rehefa mieritreritra hoe toa efa nanoratra zavatra toa izany aho, dia tsisy hita ilay hevitra. Tsy fantatra hoe taiza no nosoratana, tamin'ny sarin'iza, tamin'ny eritreritra mandalon'iza... ary indraindray tsisy fomba hitadiavana azy intsony. Ianao ve ohatra mahalala hoe tsisy fomba hikarohana ny  hevitra (mety mahaliana be sy ilainao aty aoriana) napetrakao tamin'ny status-n'ny namana iray ao amin'ny Facebook? Ary raha sanatria aza ka misy io fomba hitadiavana azy io dia mety efa nofafan'ilay namana ilay hevitra satria ao amin'ny status-ny izany hoe lasa azy manontolo... dia tsy hitanao ihany ilay hevitra. Sa ny zavatra soratanao ao dia tena fantatrao hoe tsy ilainao intsony? Dia manohitra ilay lazainao matetika ianao izany hoe zavatra serieux koa ny ao amin'ny FB.

Ka hoy aho hoe aleo ihany aho hi-blaogy. Na misy hevitra manan-danja amiko soratako aza sendra mandalo any amin'ny mombamomba ny hafa any dia iverenako soratana eto amin'ny blaogiko (na any amin'izay blaogiko hafa) satria ao aho no mahazo antoka fa ho hitako ny zavatra soratako rehefa ilaiko. Ary na tsy mandeha araka ny ilako azy aza ny fomba fikarohana ao amin'ilay blaogy dia manome toky ny google.

Aleo aho hi-blaogy ihany satria tsy mivelona fotsiny amin'ny ankehitriny.

 


Hevitra

  1. Tena marina tokoa ny voalazanao ry Hery momba ny hoe any dia tsy hita matetika ny zavatra nosorataka tamin'ny rindrina sy ny tamboho tsy an'ny tena. Rehefa te-hamerina hanavao ny lokon-drindriny ny olona dia voadriny ao ny tranainy, ary isan'ilay traiany takona any ny dindo napetraky ny mpandalo. Aleo ihany tokoa arahana io torohevitrao io. mibilaogy

    Nampidirin'i Avylavitra — 30 Apr 2011, 04:19

  2. Tena marina tokoa eto ny ahy voatahiriko sy voazarako izay mba nisasarako sy tiako hotsarovana, aleo miblaogy marina toy izay handoto tamboho, Mazotoa hatrany ry Mpiblaogy isany

    Nampidirin'i Fanhaiky — 30 Apr 2011, 09:01

  3. nenah indray le character an'le hoe misy fahalalahana kokoa sy hoe personnel kokoa an'ny blaogy no tena itiavako azy... plus an'le hoe voatahiry izany ee sady tsy zatra an'ny le hoe fb sy twitter koa no tena marina ee... zavatra mbola mande tsara ity ve dia ho atakalo ny tena akanga tsara soratra :-)

    Nampidirin'i simp — 30 Apr 2011, 15:26

  4. Marina tokoa izany Sefo. Aleo ihany miblaogy, sitrany ahay mba tsy voafetra ny isan'ny litera azo soratana, sitrany ahay voarakitra izay voasoratra, ary koa sitrany ahay afaka mi-"customize" ny endriky ny zavatra soratana.

    Nampidirin'i LhlTsRs — 01 Mey 2011, 12:19


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)