« | »

Serasera nisolo akanjo tsy satry

2006-05-31 @ 03:57 in Serasera.org

Efa ela no saika hanova kely indray ny endriky ny takelaka namana.serasera.org fa tsy nanam-potoana mihitsy. Fa androany dia tena voatery novaina :-) tsy satry.

Nanamboatra tsikelikely ny modules ao amin'ny site-ko aho mantsy dia somary variana kely fotsiny dia ny css tao amin'ny namana.serasera.org no voakitika. Tsy azoko antsaina mihitsy raha tsy efa nisy nandefa hafatra hoe "misaotra fa tena manja be ilay loko vaovao" :-D Dia gaga aho hoe loko vaovao inona koa? Kay nony nojerena, efa lasa lokon'ny site-ko no niparitaka tao amin'ny namana.serasera.org. Tsisy niverenana intsony fa dia tsy maintsy novitaina ihany koa ny namana.serasera.org efa fantatra ihany fa tsy maintsy ho lany andro be manao azy satria tsy mitovy mihitsy ny structure-n'ilay CSS... fa vita ihany aloha e. Mety hoe tsy dia tsara loatra fa rehefa tafiditra ao anatin'io izy dia azo havaozina tsikelikely amin'izay.

Ouff 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry