« | »

Lohamilina dokambarotra nisy olana

2006-06-05 @ 06:47 in Serasera.org

Nihoatra indray ny tosaka tao amin'ny lohamilina doka.serasera.org izay misy ny fitantanana ny dokambarotra rehetra eto amin'ny serasera.org  

Lafiny teknika kely fotsiny. Tsy zakan'ny milina iray intsony (1 Go of RAM) ny serasera.org rehetra koa dia voatery saratsarahana ireo izay tena mitroka. Ny dokambarotra no anisan'ny mitroka indrindra ka manana ny lohamilina manokana. Hitako fa moramora ihany koa io eo amin'ny lafiny ekonomika... ary indrindra tsy misy intsony ilay panne générale tahaka ny taloha hoe rehefa tapaka ny iray dia tapaka daholo.

Fa ity olana androany ity dia tsy dia hoe vizana loatra ilay lohamilina fa vokatry ny tsy fahaizan'ilay server admin nandrindra ny kaonty serasera.org. Efa hitako mitady hihoatra ihany ny bandwidh tao amin'ilay serveur dia nolazaiko ry zareo hampiakatra azy, ka tsy maninona na miova plan tanteraka mihitsy aza ka mandoa vola lafolafo. Dia maika be ry zalahy nanova ny plan. Kanefa rehefa avy eo dia tsy afaka nigalabona tamin'ireo tolotra hafa tao amin'io plan io aho satria toa upgrade fotsiny no nataondry zalahy. Dia nony nilazako hoe aiza ny tolotra sasany... dia nahidindry zalahy indray ilay izy. Efa tafahoatra anefa ilay bandwidth limit dia nivika ny site avy eo. Tonga dia nafindrako ny mirroir dia nohidiako ny kaonty...

Izay liberté hiovaova mirroir izay koa no mahatsara ny site sarahana amin'ny toerana maro.  

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry