« | »

Server Flood: Tratrako ialahy

2006-06-08 @ 00:14 in Serasera.org

Androany vao tratrako ilay bandy (rangahy ) izay nanao server flood tao amin'ny serasera.org hatrizay. Ny anarany (solonanarany) ve moa dia holazaina eto fa mba mahagaga ahy fotsiny ilay izy.

Efa elaela tokoa izay no surchargé foana ny serveur-n'ny serasera amin'ny fotoana voafaritra. Taloha be dia efa noteneniko io ranamana io dia niteny hoe manao essai-n'ny tanjaky ny serveur-ny hono izy fa tena azafady. Dia hoy aho hoe maninona no tsy ny yahoo na ny hotmail no anandramana ny tanjaky ny serveur-ny? Tsy dia mitombona ilay excuses ny tanjona dia ny hanjera ny serveur-n'ny serasera.org.

Niverimberina imbetsaka ihany ilay izy... ka hoy aho hoe ny script-ko izany no tokony hatsaraina angamba. Izay angamba no message tiany hampitaina. Ary raha vao misy bug kely dia maika ery i leiry handefa ao amin'ny forum (avec toutes ses intelligences) hoe tsy mety izao, tsy mety izao. Nahatsara ihany aloha satria noezahiko nahitsy hatrany izay nolazainy. Na izany aza anefa tsy mbola hitako mihitsy nanome sosokevitra tamin'izay olana nolazainy ilay rangahy io.

Nony avy eo dia nisy fotoana indray misy olona mahazo bizoroka maromaro tampoka ao anatin'ny roa andro voalohany. Dia fantatro fa miketrika indray ilay ranamana. Dia io tokoa

Ary farany dia nisy namana izay efa elaela tsy namangy namana kanefa mahazo isa be dia be. Dia nametraka log kely aho hijerena hoe inona indray no ataon'ilay ranamana. Dia hita tokoa fa isaky ny 5 segondra dia mitety ny mombamomba ny namana vitsivitsy ilay ranamana. Koa satria mampitombo ny isan'ny namana ny famangiana ny momba azy... dia miakatra izaitsizy ny isan'ireo namana vitsivitsy ireo. Dia inona izao no tanjona amin'izany? Mazava ho azy fa tsy tanana no ampiasaina fa angamba script na commande manokana satria misy namana tsy eo amin'ny lisitry ny mahazo isa be no mbola antsoina ny mombamomba azy.

Tsy hitako mihitsy hoe inona no tena tombotsoan'ilay rangahy io amin'ny zavatra ataony toa izao sa izany tokoa no atao hoe tsy ampy fialam-boly? Raha tena kraky dia tokony ireny milina goavana ireny no kotabaisina... ary sao dia izany aza no maha-fotsy volo rapida be an-dranamana io lol

Ok tsiky dia ampy foana. 

NB: Azo jerena tsara ny log nataoko hahitana ireo zavatra lazaiko ireo. Ahitana ny pseudo, ny daty.

 UPDATE

- Tsy nisodisody intsony i leiry hatramin'ny 9 jiona nony hitany ity hafatra ity, ary nony hitany koa ilay blokazy hoe "Aza maika loatra". Hitako connecté ao amin'ny yahoo ao anefa.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry