« | »

Ny ao ambadiky ny ridao

2006-08-25 @ 15:12 in Serasera.org

Izaho matetika rehefa mijery film, mijery theatra, na mijery fandaharana amin'ny télé sns... dia mahaliana be ahy foana ny mijery hoe ahoana ary no tena ataondry zareo ao ambadika ao... any ambadiky ny ridao.

Hany ka mahafaly ahy kokoa ny mijery ny filma nanamboarana an'ilay filma toa izay ilay tena filma. Amin'izao moa efa misy amin'ny DVD hoe toa izao sy toa izao no nanaovana azy... fa tena mahaliana ahy foana.

Koa zavatra anakiray tao ambadiky ny ridaon'ny serasera.org ity niseho androany ity. Noho ny fitsitsiana mantsy dia atao veloma izay mpikambana tsy mamangy ny namana serasera.org (ireo tsy mampiditra mot de passe) ao anatin'ny efabolana. Dia toa izany koa, raha misy misoratra anarana kanefa tsy miditra akory ao anatin'ny 20 andro, dia esorina ny anarany... sao mantsy mibahana ny toerana ho an'ny hafa fotsiny. Androany ary dia nahazo an'ireto mailaka ireto aho... mba nahatsikaiky ahy fotsiny dia apetrako eto.

Ity ohatra anakiray
miegnina agnareo refa tsa handray koa fa ra tagny @ tany tsa misy connection tagny ny olo ro tsa namangy anareo, hatadia nama hafa nama aho, okay six ry zala, de mazotoa daholo e!

 Ny anakiray indray
inona kay no ataoko fa nataon'ny namana veloma ny anarako?

 Mbola hitohy :-) arakaraka izay fahazoako taratasy vaovao.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry