« | »

Mihaino Radiovazogasy eny an-dalana

2006-09-19 @ 08:10 in Serasera.org

Navoaka androany indray izany ny Radiovazogasy off-line (prêt-à-porter). Io dia mba hahafahana mihaino ihany koa ny Radiovazogasy n'aiza n'aiza misy anao. Izany hoe nasiana fichiers maromaro (roa aloha amin'izao) izay noraisina tao amin'ny hira mandeha mandritra ny adin'ny iray isan'isany azo alaina ao amin'ny Radiovazogasy.com. Eo amin'ny 20MB eo ny fichier iray. Rehefa manana an'io izany dia mba ohatr'ireny mihaino Radiovazogasy ireny koa na dia tsy en direct aza.

Amin'izao fotoana izao dia mbola fichier roa isankerinandro aloha no ao. Isaky ny alakamisy maraina be (3h sy 4h ora eoropeana) no fandraisam-peo. Raha misy hira tiana handeha ao amin'io fotoana io izany dia afaka mandahatra hira toa ny mahazatra. Hampitomboina tsikelikely araka ny fandrosoany ny isan'ny hira.

Anisan'ny mba niriko mihitsy mantsy ny hihaino hirahira malagasy eny andalana. Hira izay tsy mahazatra ahy, hira mety tsy ho tiako... fa hira malagasy fotsiny. Ohatra ireny mihaino Radio FM tany Dago ireny... dia io izy io natao io. Mba mahazo adin'ny roa isankerinandro aho amin'izao. Izaho no hiezaka hampiasa azy ity dia ho hita ny filàna raha toa ka tokony hatao isanandro ny fandraisam-peo. Mbola miandry an'ilay iPod nafarana aloha .

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry