Malagasy: foko roa?

2006-05-03 @ 07:07 in Ankapobeny

Namaky ilay lazain'i jentilisa ao amin'ny blaoginy aho dia tena gaga mihitsy amin'ity resaka merina vs. tsy merina ity. Ohatran'ny hoe foko roa fotsiny i Madagasikara, ny andaniny Merina dia ny ankilany Tsy Merina.

Fa maninona no tsy mba mialona sy miady amin'ny Anteisaka ny Sakalava, na mifanenjika amin'ny Mahafaly ny Betsimisaraka? Aza miteny hoe mainty sy fotsy fa misy foko fotsy kokoa noho ny Merina. Tanavo sy tanindrana ve? Fa aiza no misy ny tendrombohitra avo indrindra? Dia tsy haiko ry zareo a. Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho rava ihany io fokofoko io... efa mifanambady daholo izao ny boay kely sy ny sipakely Malagasy samihafa foko. Izay no hitako vahaolana haingana. Afangaroy zalahy a...

Tsikeran'ny sary ao amin'ny namana

2006-05-03 @ 01:12 in Serasera.org

Noho ny abus izay ataon'ny sasany (tsy mataho-tody :-)) dia voatery nampidirina ho ao anatin'ny mainFrame an'ny serasera.org ny fitantanana ny tsikeran'ny sary. Efa niezaka ihany aho ny nametraka ny tsikera ho any amin'ny toerana hafa (haloscan.com) na dia nandoa vola fanampiny isantaona aza, saingy lasa baranahiny ilay izy dia nampidirina ao amin'ny serasera.org ihany.

Ny olana amin'io dia
- Mitombo indray izany ny bandwidth sy ny space ilaina ao amin'ny namana (izay efa manahirana mihitsy)
- Tsy maintsy mandany fotoana kely aloha handaminana azy (manage comments ataon'ny namana tompon'ny sary... etc) fa izany hoe mbola tsy maika io.

Aleo hoa ho manja ilay revy

"Tsiky dia ampy" 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2006 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry