Superman returns

2006-09-12 @ 07:42 in Izaho sy ny ahy

Na dia tsy tena tiako loatra aza Superman (mihoatra amin'i Batman sy Spiderman) dia nijery ihany sao dia tsy mahalala izay fantatry ny olona. Anisan'ny film malaza amin'izao fotoana izao mantsy ka ilaina ihany ny mba afaka mandray anjara rehefa mitantara ny olona. Mazava ho azy, amin'ny maha Superman azy dia zavatra tsy azo eritreretina mihitsy no mitranga... izay no itiavako an'i Batman satria farafaharatsiny hita hoe misy zavatra azo tanterahina.
Nanaitra ahy tao amin'ilay film koa ilay detail kely momba an'ilay vitesse. Satria haingana noho ny feo i Superman rehefa manidina dia mandalo an'ilay mur du son izy, tahaka an'ireny fiaramanidina mpiady mandalo mur du son ireny... dia misy an'ilay arc kely.
Nanaitra ihany koa ny tsy nisian'ny scene de sex tao anatin'ilay izy na dia indray mandeha aza. Ary tsy nifanoroka akory izy sy i Lois Lane
Amin'ny ankapobeny dia nahazo tsikera tsara io horonantsary io.
Azonao jerena eto ny mombamomba an'ilay film.

Le monde est sourd: Efata!!!

2006-09-10 @ 22:35 in Blaogy Dev

Tao anaty documentaire iray sendra hitako efa ela dia nisy olona moana sy marenina izay nanontaniana raha toa ka te ho sitrana, handre toa ny olona rehetra. Fa nandà izy niteny hoe "Sao dia diso fanantenana amin'izay zavatra alaiko sary antsaina aho". Raha toa mandre tokoa izy dia ho hafa tanteraka amin'izay rindra noheveriny no ho reny. Dia naleony nipetraka tao anatin'ny fahanginana fandreny.
 (tohiny)

Serasera.org tafiditry ny jiolahin-kala :-)

2006-09-07 @ 16:38 in Blaogy Dev

Tratran'ny hackers ny serasera.org androany. Tava mainty no nitranga tao amin'ny takelaky ny namana.serasera.org nandritra ny minitra vitsivitsy tamin'ny 11:07 - 11:15 maraina. Trou de securité izay hita tao amin'ny module anakiray amin'ny Joomla tao amin'ny site iray tato amin'ny serasera.org ilay izy (module pollxt izay navoakan'ny http://www.joomlaxt.com izay hitako hacked koa androany). Efa nanao antso ihany ry zalahy tao kanefa na ny site-ny aza io hacked. Ny nahatonga an'ilay defaced indray aloha dia fanadinoana tamin'ny permissions tao amin'ny repertoire iray tao amin'ny namana... na dia hacked asa ny site dia tokony tsy hisy olana foana raha mirindra araka ny tokony ho izy ny permissions.

Na izany aza, dia azo deraina ihany ny hackers matihanina satria tsy manimba na inona na inona izy fa mampiseho fotsiny hoe afaka manimba. Asehony ilay vulnerability ao amin'ny efitrao... fa tsy mangalatra na manimba :-)

Fotoana maromaro no lany namakiana ny logs vao hita hoe taiza ry zalahy no niditra ary inona no nampiasainy. Inoana fa tsy hisy olana intsony. 

Fiaraha-miasa mampitsiriritra

2006-09-04 @ 13:49 in Izaho sy ny ahy

Androany aho dia mba liana nijery ny fomba fiasan'ny ao amin'ny meebo.com izay fitaovana ampiasaiko matetika... ka inoako fa be mpampiasa koa. Dia nahita ireo fitsinjaran'asa mirindra isaky ny fahaiza-manaon'ny tsirairay. Marina, mikarama angamba ry zareo ireo, afatsy ireo izay manao internship, fa na izany aza dia ekipa miara-mikahondoha tokoa. Manaporofo izany rahateo ny filazan'izy ireo azy ato.

Inoako fa misy gasy efa manao toa izany koa, angamba ry zalahy sites ngezangeza ireo. Fa mety ho azo atao ho an'ny serasera ve izany? Betsaka ihany mantsy ny malagasy "mivangongo" ato. Mety ho afaka hiara-miasa araka ny fahaiza-manaony. Betsaka rahateo ny zavatra azo atao. Raha misy vonona dia milazà ihany e.

Isaorana be dia be aloha ireo izay efa manampy eny antsefatsefany eny. 

Ajax faharoa: Hafatra farany

2006-09-01 @ 11:12 in Serasera.org

Ny nampiasana ajax faharoa eto amin'ny serasera.org indray dia ny fampisehoana ny hafatra farany nandeha tao amin'ny forum ho eo amin'ny takelaka fandraisana ao amin'ny namana.seraser.org. Hevitra efa ela be naroson'i fraz izy io fa izao vao vita noho ny fotoana. Ankoatr'izay moa dia azo raisina amin'ny alalan'ny RSS izany ny hafatra farany nivoaka tao amin'ny forum. Ny rohy dia azo jerena eto.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Septambra 2006 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry