Ravalomanana or not Ravalomanana... that's the question

2006-09-29 @ 13:31 in Eritreritra mandalo

Ny fifidianana ao Madagasikara dia tsy mba tahaka ny an'ny firenena hafa hoe misy maromaro ny favoris. Marina fa misy mpifanandrina maro, samy malaza... fa tsy mbola nisy mihitsy hoe tsy nandray anjara amin'ny fifidianana ny mpitondra... tahaka izay miseho any Etazonia rehefa lany ny mandat-n'ny filoha amperinasa, na ny ao Frantsa amin'izao fotoana izao - Tsy kaotiana eto ny tamin'ny andron'ny tetezamitan-dRatsirahonana. Noho izany tsy maintsy hoe ny filoha amperinasa no mifaninana amin'izay kandidà iray tafita indrindra. (tohiny)

L'Etat de Grace

2006-09-28 @ 16:30 in Eritreritra mandalo

"L'Etat de Grace" dia Fiction iray nandeha tao amin'ny France 2 omaly alina ary mbola hitohy mandritra ny 3 herinandro. Na dia tena fiction tanteraka tokoa aza dia ahitana taratra ny zavatra mety hiainan'ireo mpanao politika na ireo efa matihanina na ireo vao miana-draharaha. Anne Consigny (Jereo eto) no mpilalao an'i Grace izay vehivavy voalohany voafidy ho filohan'i Frantsa. (tohiny)

Zanaka-miaramila (Eloge à mon père)

2006-09-26 @ 08:43 in Tsiaro

Niaina tao anatin'ny maha zanaka-miaramila nandritra ny fahazazako hatramin'ny faha-20 taona aho... nefa dia niaina toa ny zaza sy ny tanora rehetra. Marina fa somary mafimafy ny fitsipi-pitondrana tao antrano... fa rehefa miaina ao anatiny maharitra ianao dia tsy mahatsapa izany akory. Taty aoriana aza, nony efa lehibe aho, dia hitako fa tsaratsara kokoa ny nitondran'i papa anay zokinjokiny (3 lahy) noho ny nanabeazany an'ireo zandry. Efa somary nilefitra mantsy izy dia hita ho niova avy hatrany ny fanabeazana, ary niova toa izany koa ny vokany. (tohiny)

Pirati dei Caraibi

2006-09-21 @ 08:15 in Izaho sy ny ahy

Che ne so dire? 'E un film del tipo Harry Poter. Ti piacionno solo guardandoli, ti trovi bene... ma quando esci non porti nulla a casa (ecceto il piacere di stare in compania). Sì, è una bella storia di avventura. C'è un obiettivo da raggiungere, una guerra, uno che è vinto, puoi la rivincita... e alla fine, la vittoria.
Non conoscevo troppo gli attori aparte Johnny Depp (Netherland, L'isola che non c'è) e forse Orlando Bloom, che mi ha presentato Nella (Le seigneur des anneaux - Troie). La ragazza che giocca Elisabeth (Keira Knightley) non è male (non solo fisicamente)... e la sua storia d'amore è stata straordinaria: andare incontrare pericoli per un uomo che amava (che cos'è di straordinaria???).


Insomma, è un buon film. Non mi sono addormentato. Chì può dormire vedendo quella faccia schiffosa di Davy Jones (non so quando posso ricomminciare a mangiare pesce e frutti di mare. Ho già sentito che ci sarà un altro "Pirati dei Caraibi" che avrà il titolo "At Worlds End" (Forse in italiano Alla Fine del Mondo)... Lo vedrò?

Mihaino Radiovazogasy eny an-dalana

2006-09-19 @ 08:10 in Serasera.org

Navoaka androany indray izany ny Radiovazogasy off-line (prêt-à-porter). Io dia mba hahafahana mihaino ihany koa ny Radiovazogasy n'aiza n'aiza misy anao. Izany hoe nasiana fichiers maromaro (roa aloha amin'izao) izay noraisina tao amin'ny hira mandeha mandritra ny adin'ny iray isan'isany azo alaina ao amin'ny Radiovazogasy.com. Eo amin'ny 20MB eo ny fichier iray. Rehefa manana an'io izany dia mba ohatr'ireny mihaino Radiovazogasy ireny koa na dia tsy en direct aza.

 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Septambra 2006 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry