Zanaka-miaramila (Eloge à mon père)

2006-09-26 @ 08:43 in Tsiaro

Niaina tao anatin'ny maha zanaka-miaramila nandritra ny fahazazako hatramin'ny faha-20 taona aho... nefa dia niaina toa ny zaza sy ny tanora rehetra. Marina fa somary mafimafy ny fitsipi-pitondrana tao antrano... fa rehefa miaina ao anatiny maharitra ianao dia tsy mahatsapa izany akory. Taty aoriana aza, nony efa lehibe aho, dia hitako fa tsaratsara kokoa ny nitondran'i papa anay zokinjokiny (3 lahy) noho ny nanabeazany an'ireo zandry. Efa somary nilefitra mantsy izy dia hita ho niova avy hatrany ny fanabeazana, ary niova toa izany koa ny vokany.Rehefa mitantara na milaza aho aty aoriana hoe niaina tao anaty fianakaviana miaramila dia mieritreritra daholo ny olona hoe tokony ho be gafy, tokony ho ratsy taiza... kanefa toa tsy dia toa izany aho. Ary tsy izaho irery fa ireo zanaka-miaramila izay nanana ray nahatsiaro tena ho tompon'andraikitra teo anivon'ny fianakaviany. Hafa tsy araka ny fieritreretana azy tokoa mantsy ny tena miaramila. Ety ivelany dia eritreretina ho maditra, mahery setra, mamo lava, be teniratsy... fa rehefa ao antrano dia ray tahaka ny ray rehetra ihany. Ny maha miaramila tongany ao antrano dia ny fitsipika sy ny fifanajana... ary tena nilainay dimy lahy izany.
Zavatra vitsivitsy izay angamba tsy ataon'ny ray aman-dreny amin'izao fotoana izao intsony kanefa tena nahatsara ahy ireto sombiny ireto.
Isaky ny misy fotoana i papa dia mampianatra anay. Ny taranja frantsay no tena ilofosana amin'izany. Nividianana an'ilay bokikely hoe "Deuxième livret" izay dia tena hay tsianjery mihitsy ilay izy taty aoriana. Nahitana conjugaison, thèmes et versions, vocabulaires. Ary nisy an'izay dictionnaire Petit Larousse izay ihany koa nisy ny conjugaisons rehetra tao amin'ny farany... dia nasaina natao tsianjery ihany koa. Nisy tabilao tao antrano dia nampianarina teo izahay roalahy zokiny (tadidin'i Hasy?). Tsy fianarana nahafaly io satria rehefa donto dia tena gidragidra mihitsy... saingy ny vokany kosa dia nampirehareha. Nisy an'izany hoe lany ny lakré dia nasaina nihazakazaka nividy tany amin'i Rabetsy, ary 10 min tsy maintsy tafaverina :-)
Ny fanadinana lesona koa etsy andaniny. Ianarana tsianjery ny Sciences-nat sy ny Histo-géo (araka ny fanirian'ny mpampianatra), ka i papa no manadina any antrano. Tsy matory mihitsy amin'ny alina raha tsy hay ny lesona. Rehefa hay dia mandeha any @ chambre-ndry zareo dia fohazina i papa hoe hay, na amin'ny firy alina na amin'ny firy alina, dia adininy amin'izay. Raha mbola misy tsy hay dia miverina mianatra indray, ary izy miverina matory. Fa hay tsianjery ihany nony farany. Raha sendra tsy mahay moa dia eo amin'ny latabatra fianaran-desona eo no matory.
Fa ny tena tadidiko dia izaho 16 taona. Efa ela aho no nitondratondra ny fiara teo antokontany, mandehandeha eo amin'ny 500m eo dia miverimberina sns. Saingy tsy fantatr'i papa mihitsy. I mama no mahita fa tsy miteny. Ny saofera koa moa manome ny lakile rehefa angatahiko. Fa indray andro, teo amin'ny fihodinana akaikin'ny garage dia nisy gisa nibahana dia niala an'ilay gisa aho kinanjo nidofotra ny lohan'ny fiara. Simba tanteraka ny jiro havanana ary somary niforitra mihitsy ny aile. Tsy tonga dia henoko ilay izy fa niverina fotsiny aho dia lasa indray. I mama no niantsoantso tery an-davarangana vao nijanona aho. Nojerena, kay loza ity nanjo. Natahotra mafy mihitsy aho tamin'izay. Nandeha nianatra moa nony avy eo, ka tany ampianarana aho dia tena tsy te hody mihitsy. Naleoko nijanona alina be tany ary tena efa tara mihitsy aho vao nody, sao mba tsy bedy. Natao tao ambany lela ny vatokely sao mba hampilefy ny hatezeran'i papa. Vao niditra tao antrano aho dia tsy nisy niteny. Na i papa aza tsy nisafoaka tahaka ny niandrasako azy. Niteny fotsiny izy hoe oviana aho no naka permis... dia notohizany hoe "Ny olona tsy manana permis dia tsy tokony hitondra fiara". Dia avy eo aho nirahiny ho any amin'ilay mécanicien-nay. "Izao ialahy vao tonga, dia izao ialahy vao mandeha any". Ny andro amin'ny 9 sy sasany alina. Tsy niteny aho fa napetrako ny kitapoko dia lasa aho ho any Antohomadinika hampandre an'ilay mécanicien. Amin'izao dia tsy tadidiko akory ny lalana nalehako... fa niala tao Betongolo ho eny Antohomadinika no tanjona. Rehefa nandalo an'iny Antanimena iny aho (akaikin'ny Malacam) vao tena natahotra. Nitodika tany aoriana dia hay hitako alavitra eo amin'ny 100m eo i Papa. Fantatro tamin'ny fandehany fa nodiako tsy hita. Tsy natahotra intsony aho fa nandroso ihany ary dia tonga tany Antohomadinika tao amin'ilay mécanicien. Niresaka taminy ny zava-misy teo aho dia rehefa kelikely dia iny koa i Papa niditra. Taty aoriana vao nipetraka teo amin'ny toeran'i Papa hoe mba ahoana ary ny tao antsainy sy tao ampony tamin'ireny. Manasazy (amin'ny maha miaramila) kanefa manahy ihany (amin'ny maha ray) dia mody manaraka alavidavitra.
Dia azo alaina sary antsaina amin'izany ny fiainan'ny zanaka-miaramila. Ny miaramila tia ny zanany dia tena masiaka be ronono tokoa. Zanaka-miaramila aho ary mirehareha amin'izany.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry