Sokafy ny fo

2006-10-04 @ 13:42 in Eritreritra mandalo

Anisan'ny hevi-dehibe tamin'ny alahady teo tany am-piangonana ilay hoe "Izay tsy manohitra antsika dia miaraka amintsika". Dia toa izao tsara ny tenin'ilay mpitoriteny hoe : "Mivavaha isika mba hanana fo misokatra amin'ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika, amin'ireo rahalahy tsy mitovy finoana amintsika."
Dia lasa ny saiko matetika hoe maro ve ny finoana hafa, na ny antokom-piangonana hafa, mivavaka tahaka izany? Tsy hoe mivavaka ho an'ireo tsy miaraka aminy hiova finoana, na ho resy lahatra akory... fa mivavaka ho an'ny tenany mba hahay hanaiky sy hahita izay tsara ao amin'ny hafa? Io fisokafana io no hitako ho harena lehibe indrindra izay tsy hain'ny mpino ny mitrandraka azy. Raha vao mahita olona, na antoko'olona iray hafa finoana amin'ny tena dia ny fiarovan-tena no alefa mialoha. Tsy heno intsony avy eo izay lazain'ny ankilany fa avy hatrany dia diso daholo.
Ny sasany moa dia natao ho iraka (avy amin'Andriamanitra) mihitsy ny "mampibebaka" ireo olona tsy mitovy finoana aminy. Ny iantsoany ireny olona ireny matetika dia "infidèles", "apostats", "excommuniés"... na tsorina fotsiny amin'izao hoe "Tsy mpino". Amin'ny finoana sasany dia manan-jo mihitsy hanilika, tsy hifandray... hatramin'ny hamono mihitsy aza, ny olona izay heveriny ho "Tsy mpino" ny olona iray. Ary ny tsirairay ao amin'ny isam-pinoana na isam-piangonana dia samy mahazo antoka fa marina ny finoany.
Koa angamba io vavaka ho an'ny fisokafana io tokoa no tsy ampy eo amin'ny tsirairay. Aza mivavaka ho an'ny fibebahan'ny hafa aloha... fa mibebaha ho an'ny fisokafan'ny fo. Rehefa misokatra sy mazava tsara ny fo dia ho hita hoe iza no mbola mila mibebaka.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Oktobra 2006 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry