Namana version 5...

2007-05-29 @ 16:04 in Serasera.org

Tsy dia mahafa-po ny endriky ny namana kinova faha 5 (tsy ratsy koa ilay hoe kinova noho ny tao). Ho hita eo ny hanavaozana ny endriny.

Fa ankoatry ny endriny dia novaina ny rafitra anatiny, indrindra ny resaka angona (base de données). Misaraka tsikelikely amin'ny serasera amin'ny ankapobeny ny takelaka namana.serasera.org. Raha sendra mavesatra tampoka izy amin'izao dia mora ny mamindra azy ho serveur iray manokana.

Lazaiko tsikelikely etsy ambany ny fanovana.

 

  • Endrika mifangaro
    Avy amin'ny endriky ny malagasy.it sy ny katolika.org ary radiovazogasy.com no nakàna ny endrika. Ny tanjona dia ny fahafahana manova ny endrika amin'ny fomba tsotra (CSS ovaina fotsiny sisa)
  • Solaitra kinova farany
    Mampiasa ny solaitra kinova farany (rev. 498) ny takelaka namana.serasera.org amin'izao fotoana izao. Moramora kokoa noho izany ny manavao azy isaky ny misy fiovana ao amin'ny fototry ny solaitra
  • Mitovy firindra amin'ny takelaka serasera hafa
    Koa satria efa mitovy ny fitaovana fototra ampiasaina dia tsy misy olana intsony eo amin'ny fifampizarana session. Rehefa identifié amin'ny forum ohatra dia identifié ao amin'ny namana koa fa tsy voatery mampiditra tenimiafina intsony.
  • Miantehitra amin'ny webservice
    Hiantehitra amin'ny webservice (SOAP sy REST) mba hahafahana mametraka ny site iray amin'ny serveur maromaro raha sendra be loatra ny mpampiasa.

31 taona izay

2007-05-29 @ 16:03 in Eritreritra mandalo

Feno 31 taona androany ny nanaovana batemy ahy. 31 taona izany izay no naha kristianina... na anarany fotsiny na tena izy... fa dia kristianina aloha. Isaorako ny ray aman-dreniko izay nisolo tena ahy tamin'izany fotoana izany ka nampiditra ahy tao amin'ny làla-marina. Vita ny adidiny dia ny mametraka ahy ao amin'ny lalana izay nahitany soa - izay rahateo no maha-Ray amandrReny azy - mandra-pahalehibeko. Nony lehibe aho dia anjarako indray ny miaina izany araka izay tratrako. Izay no fahazoako ny batemy atao amin'ny Zaza na dia mbola tsy misaina aza izy.

Barbra Streisand... Un prezzo da urlo

2007-05-25 @ 06:56 in Italiano

Manomboka 150 ka hatramin'ny 850 Euros. Izany no vidin'ny fidirana amin'ny fampisehoana izay ataon'i Barbra Streisand amin'ny tour izay ataony aty Italie. Dia niaka-pofona daholo ny rehetra satria mandatsa ny mahantra raha izany fidirana izany. Eto Italie mantsy dia 800 Euros ny SMIC. Be dia be ny nangataka ny hanafoanana ny fampisehoana, ary ny antony naroso nandritra izany fangatahana fanafoanana izany dia hoe fananam-bahoaka no anaovana azy ka azon'ny commune sakanana amin'ny fotoana farany rehefa tsy mifanaraka amin'ny moraly. Ho hita eo izay ho vokany. Aza manahy ianao izay mamaky ity ka tsy mahalala an'i Barbra Streisand... natao ho an'ny tena manan-karena sy izay tena tia azy angamba izany mpihira izany satria tsy mba nomeny chance akory ireo izay mety hoe liana fotsiny hijery. Io ihany ny sariny na izany aza.

Tsitsio ny saosy fa mbola ho avy i George Michael amin'ny volana Jolay... na rehefa tena te hihaino dia mividiana ny CD-ny vao nivoaka izay inoako fa tsy hihoatra ny 50 Euro. 

Fahatsiarovana

2007-05-16 @ 23:05 in Izaho sy ny ahy

 17 Mai 2004 - Bouguereau

baccio

Ny momba an'i P. Sylvain Urfer

2007-05-15 @ 14:04 in Eritreritra mandalo

Noroahin'ny fanjakana hiala tao Madagasikara tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny ny P. Sylvain Urfer sj. Efa talata izao kanefa sady tsy misy filazana ny antony avy amin'ny fanjakana no tsy misy fanoherana mivantana avy tamin'i P. Urfer na dia efa any andafy aza izy. Izao fahanginan'ny roa tonta izao dia midika zavatra goavana izay azo fintinina hoe izay mangina volamena. (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2007 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry