Afaka i Ejipta, Gasikara sisa

2011-02-12 @ 07:54 in Ankapobeny

Anisan'ny nanamboarana an'ilay MailToBlog (jereo ny lahatsoratra afak'omaly) dia ny mba hahafahana indrindra manoratra ao amin'ny blaogy na dia aty anaty metro aza... Izay rehetra mahalasa ny saina sy eritreritra mandalo dia azo soratana avy hatrany fa tsy miandry any an-trano indray satria mety ho lany morsa.
Fa hiditra amin'ny tena resaka aho. Manoloana ny zava-mitranga ao Ejipta amin'izao fotoana izao dia mieritreritra ny tokony ho nitranga tao Madagasikara tamin'ny fotoan'androny aho, na ny marina kokoa ny zavatra noeritreretin-dRavalo ho natao nefa tsy tanteraka tamin'izy nanolotra ny fahefana. Tahaka an'i Moubarak dia tratran'ny ankamehana izy, ary tahaka an'i Moubarak dia tsy nanome ny fahefana ho an'ny Filohan'ny Antenimiera izy, araka ny tokony ho izy ao amin'ny lalam-panorenana. Io mantsy no karazana vice-president. Fa ny miaramila, tahaka ny nataon'i Moubarak, no nomeny azy. Hatreo ihany no nitovy ny tantara, satria ny an'ny Gasy dia tsy nanam-potoana hisaorana sy hiderana ny fahendren'ilay filoha nametra-pialana akory izao tontolo izao, toa ny ataony amin'i Moubarak... dia efa nisy nandrombaka ilay fahefana. Dia nivadika ny tantara satria nanjary nitaky ny hamerenana an-dRavalo indray ny firenena hafa.
Inona ny zava-nitranga? Tsy niray ve ny miaramila ka tsy afaka hitantana fienena? Tsy mahay an'izany mitantana directoire militaire izany ve ny miaramila gasy, tsy toy ny tamin'ny andron'i Gal. Ramanantsoa intsony? Nahazo vola ve ny miaramila ka nanipy ny adidy "ho an'ny tanindrazana" nomena azy? Nandrahona sy natanjaka ve ny mpaka Fanjakana?
Inoako anefa fa raha nisy directoire militaire tao Madagasikara, na dia iray volana monja aza, dia avy eo nomeny ny teteza-mita, na dia tarihan'i Andry Rajoelina aza, ny fahefana dia tena ho hafa be ny fandehan'ny tantara ary tsy ho nisy izao krizy izao... Ary mety ho noderain'ny twitter sy facebook koa ny tgv hoe nanafaka an'i Madagasikara.
Fa tsy nitovy ilay tantara e... ny aza jiolahim-boto ihany...

Inviato con Windows Mobile�.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Febroary 2011 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry