« | »

Babel... un autre visage de Brad Pitt

2006-10-30 @ 08:37 in Sarimihetsika

Teny gasy ihany ka :-)
Tsy nijery na naheno ny tsikera momba ity horonantsary Babel ity mihitsy aho talohan'ny nahitako azy omaly. Ary na dia tao amin'ny fividianana tapakila aza dia mbola noheveriko ho karazan'irony tantara gidragidra be irony ilay izy. Brad Pitt rahateo moa no milalao. Tsy izany anefa no hitako... fa tantara mampihetsi-po sy lalina dia lalina.

Cate Blanchett & Brad Pitt BabelEny e, raha jerena tsotra ilay tantara dia toa "banal" be. Tantara tena mety mitranga. Toa tantara telo samihafa. Fa rehefa eny antenantenany eny dia hita tsikelikely ny fifandraisany. Ary ankoatra ny maha tantara tsotra azy dia miditra tsikelikely amin'izay ilay sarin'ilay hoe Babel. Ny Tilikambon'i Babel no nampisaraka ny olona rehetra tamin'ny fiteny... fa amin'ity tantara ity dia manjary mifandray ny tantaran'ny olona voasaraky ny kilometatra maromaro. Toerana telo no tena misongadina, Mexique, Maroc ary Japon. Ary atambatry ny voina iray.

Ny azo asongadina koa dia ny endrika nentin'i Brad Pitt nandritra ny film. Voalohany aloha dia ilay paoziny nivoaka tamin'ny mahazatra. Ny Italiana angamba no tena olona isan'ny manao "culte de la personne" indrindra. Voatsikerany amin'ny endrika ivelany asehony daholo ny olona rehetra... ary raha misy olona tiany sy ankafiziny dia anisan'ny tena itiavany azy ny endriny ivelany. Ka tamin'ity film ity dia hitako nangasihasy ny italiana satria tsy ilay Brad Pitt, tout-puissant, sy tsara tarehy no hitany... fa Brad Pitt miketronketrona, miady saina, tratran'ny fahasahiranana sy impuissant manoloana ny olana miseho. Faharoa dia i Brad Pitt niditra tamin'ny film izay somary humanitaire. Asa, angamba noho ny fiarahany tamin'i Angelina Jolie (indrindra tao amin'ilay Senza Confini) fa tena nisy resaka humanitaire ilay film. Fifangaroany tamin'ireo olona izay tsy mitovy loko, fomba, finoana, fiteny aminy.

Amporisihana izay afaka mba hijery an'io fa tsara :-) 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry