« | »

Tetikasa Telomiova: Lasa izao

2008-01-05 @ 12:54 in Serasera.org

Tamin'ny volana Oktobra 2007 dia navoaka tamin'ny blaogy sy takelaka maromaro ny "Antso ho fampiroboroboana ny aterineto any Madagasikara". Niseho tao amin'ny Gazety Madagascar Tribune izany ary nifampidinihana tao amin'ny Forum serasera.org. Taorian'izay dia nisesy ny fivorian'ny mpi-blaogy vitsivitsy ny ny tao amin'ny fikambanana Namana Serasera Dago nandinihana ny mety hatao ka teraka tamin'izay ny Tetikasa Telomiova.

Volana vitsivitsy aty aoriana dia efa manomboka  misy azo tsapain-tanana ny votoatin'ny Tetikasa... na dia mbola betsaka aza ny zavatra tokony hatao. Ny hevitra voalohany aloha dia ny hiara-miasa hanome fitaovana azo jerena eto amin'ny internet ho an'ireo mpianatra sy ny mpampianatra.

Inona ilay tetikasa?
Nanomboka tamin'ity volana Janoary ity izany ny tena tetikasa Telomiova.org ary ezahina hatevenina tsikelikly avy ao anatiny. Tsy ho zary vita ao anaty fotoana fohy avokoa ny faniriana rehetra ka izay vonona aloha dia aroso.

Ny zavatra roa izay azo raisina ary aloha dia: 

- ny e-campus, izay ahitana ny fitaovana hahafahan'ny mpianatra, sy ny mpampianatra ary ireo rehetra misahana ny fampianarana mijery ny vokatry ny fianarana amin'ny alalan'ny internet. Io fomba fianarana io dia efa ampiasain'ny olona maro amin'ny firenena maro ka inoana fa hanana ny anjarany koa Madagasikara.
Fitaovana roa ampiasaina dia ny:
    - Fiaraha-miasa amin'ny alalan'ny wiki
    - Fianarana virtoaly

- horonantsary maromaro araka ny hevitr'i Yann-Arthus Bertrand amin'ilay hoe "6 milliards d'autres", izany hoe ny fanehoana ny Malagasy amin'ny alalan'ny kolotsaina sy ny fiainany andavanandro. Mba hifandrindran-dalana amin'ny tetikasa telomiova amin'ny ankapobeny anefa dia ny tontolon'ny fampianarana no horaisina, hatramin'ny zaza indrindra ka mandrapaha-tapitry ny fotoam-pianarana. 

Amin'izao fotoana izao dia efa maromaro ihany ny mpandray anjara sy mpanoro hevitra momba ny tetikasa na avy ao antoerana na avy any ivelany. Ary mbola miantso koa izahay raha misy vonona hanampy dia aza misalasala mandray anjara.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry