« | »

When I find myself in times of trouble

2008-12-22 @ 10:02 in Serasera.org

[begin: sermonina]

Misy fotoana roa tena ahatsiarovana an'Andriamanitra... rehefa tena latsaka iny sy ilay rehefa tena mahita fahagagana. Ny fotoana eo antenantenany ohatra ny tsy dia mahatsiaro loatra. Rehefa sendra voakapoka mafy ny olona ka mitady izay hianteherana etsy sy eroa, (amin'ny film aloha no tena hitako :-)) dia farany miteny hoe "Mbola tsy nivavaka mihitsy aho, Tompo, fa androany aho mitodika aminao"... Tahaka izany koa, rehefa tena misy zavatra tsara, tsy hay izay antony, mitranga eo amin'ny fiainana dia tonga saina tampoka "misaotra an'Andriamanitra"...

Ny olana matetika, dia rehefa afaka ilay nanahirana mafy, na lefilefy ny fifaliana tamin'ilay fahagagana, dia adinodino indray ilay laka-nitàna.

Amin'izao ankatoky ny Noely izao dia te hahatsiaro fotsiny hoe ankoatr'ireo fotoana roa ireo, ilay nahalatsaka sy ilay fahagagana, dia misy fotoana andavandro ambiny izay mbola maha eo azy na dia tsy tsapa aza. Tahaka ny namana akaiky izay tsy hita raha tsy efa hianjera sy tafintohina...

[/end: sermonina]

Rehefa tsy fohazina matetitetika ilay namana eo akaiky dia manjary resin-tory. Dia raha sendra latsaka tampoka ianao mety tsy ho henony... raha tsy miantsoantso mafy. 

[begin: feeling]

Hira anisan'ny tiako indrindra

When I find myself in times of trouble
Mother Mary comes to me
Speaking words of wisdom, let it be.
And in my hour of darkness
She is standing right in front of me
Speaking words of wisdom, let it be.
Let it be, let it be.
Let it be, let it be.
Whisper words of wisdom, let it be.

 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry