« | »

Milamina sa haolo ny tanàna?

2009-07-13 @ 08:05 in Eritreritra mandalo, Politika

Ny teny voalohany saika hanombohako an'ity lahatsoratra ity dia hoe "Mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara"... kanefa tsy izay indray no ampiasaiko satria manjary lasa fihetseham-po fotsiny ilay izy. Satria toa tsy mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara... tsy misy olona mampalahelo tsy miantso vonjy izany mantsy. Ka andao atao hoe milamina ny tanàna... na farafaharatsiny mandrimandry manan-draharaha.

Andao atao hoe efa tafita mihitsy e. Efa tsy mandry andriran'antsy intsony fa efa eo tsara ny fandriam-pahalemana. Mazava ho azy, rehefa mahantra ny olona dia mangalatra sy manendaka. Fa amin'izao efa tsy mahantra intsony ny olona. Manana ny ampy daholo ka na mandeha manamorona ny tetezan'i Bekiraro aza ianao no mitondra Gourmet Ngenjy dia tsy hisy hikasika... hidera anao aza angamba ny sasany hoe "Mba tsara koa izany gourmet-nareo zany an"...

Efa niverina ho mora daholo indray ny sakafo sy ny zavatra tena ilain'ny be sy ny bobaka andavanandro. Nisy tokoa mantsy teo aloha ny fanaovana ampihi-mamba an'ireny PPN ireny. Ka nony nesorina ny mpanao ampihimamba dia tokony ho betsaka amin'izay ny vary, menaka, ronono sns... satria efa afaka manamboatra menaka sy ronono daholo izay te hanamboatra. Sady tokony ho mora amin'izay fa efa mandeha tsara ny fifaninanana.

Efa malalaka daholo amin'izay ny fanehoan-kevitra satria nesorina teo amin'ny toerany ilay jadona. N'iza n'iza te hiteny ao amin'ny radio sy fahitalavitra dia afaka miteny. Ny TVM sy ny RNM efa mandefa ny feon'ny vahoaka rehetra fa tsy ny an'ny mpitondra fotsiny intsony.

Efa nofy sisa izany resaka mivarotra tanindrazana izany. Ilay rangahy nitondra teo aloha mantsy saika nivarotra an'i Madagasikara ambongadiny. Amin'izao efa filamatra ny hoe "Madagasikara an'ny Malagasy" ka tsy amidy na tany na rano na ala. Mpanenjika fitondrana izany nilaza hoe mivarotra rano izany. Asa fanasoavana no atao.

sns...

Angamba efa ireo no mitranga matoa tsy misy mihetsika firy ny olona afats'izay pro-zao sy pro-zao. Toa tsy fantany ilay hoe "Manaiky matoa tsy miteny". Ny sasany dia manao hoe "Olona leo politika"... ka aleo hihinan'ny tadiny ao i Madagasikara. Ny Fiangonana aza, ilay mpiahy ny madinika sy ory, toa tsy heno... angamba tsy ory sy madinika intsony ny olony. Raha taloha mantsy ny Fiangonana dia miteny avy hatrany rehefa misy voakitikitika ny rariny sy ny hitsiny. Impiry ireny i Mgr. Odon sy ny FFKM koa no niaka-peo rehefa nisy ny tsy nety teo amin'ny fitondrana. Ka angamba matoa izy ireo tsy miaka-peo dia milamina ny tanàna.

Koa inona intsony no holazaina raha efa milamina daholo ny tanàna? Tsy izay ve no ilaina?... asa anefa

Hevitra

PPN

hery> raha ny PPN indrya no laziana dia misy betsaka izy izao ary maro hisafidianana, raha ny vidiny dia misy isan-karazany, ohatra raisiko ny menaka: t@ andron'ny ra8 dia 3500ar hatrami'ny 4500ar ny litatra arakarakl'izay hitiavany azy, @ izao kosa dia 4000ar hatramin'ny 5500ar ny litatra, ny vary indray dia tsy nisy fisondrotana, ho ahy manokana moa tsy dia mpividy vary loatra afa-tsy 3 volana ihany ao anatin'ny taona satria mba tsy nototofan'ingahy ra8 ilay tanimbarikelinay eny Betsimitatatra, ary tsy lasany ilay tany notadiaviny alaina tany amin'ilay toerana efa hitan'ny hery. Raha jerena koa ilay zava-nisy tany Nosy be izay toerana famokarana "legume" dia faly ny tena satria ilay fomba fambolena izay efa naparitaka tany @ faritra maro izay niaraha-niasa t@ ireo vahiny ka niteraka ilay antsoian hoe TANTSAHA VAOVAO, araka ny efa notanteriko tany @ forum, dia io fa miparitaka, 3 volana dia mahavokatra raha io fomba fambolena io, nefa dia nailikilika izahay raha mba nanao azy o teny @ vitrine de M/car teny Iavoloha.
@ ankapobeny dia mifameno ny zava-misy ankehitriny, ny vidim-piainana tsy maintsy miakatra nefa kosa dia malalaka ny fifaninanana eo @ sehatra rehetra fa izay tsy miasa ihany no tsy mihinana.

Nampidirin'i naritsimba @ 05:17, 2009-07-16 [Valio]

PPN

Raha ny PPN no resahina dia toy izao: ny menaka dia maro azo isafidianana 4000ar hatr@ 7000ar ny 1litatra, t@ teo aloha dia izay vidiny nitiavan'ny RA8 azy no nataony, 2500ar indraindray, ary tafakatra 5000ar rehefa tiany akarina. Raha ny vary kosa dia tsy nisy fiovany firy ny vidiny ary misy fotoana aza dia midina izany, manodidina ny 1000ar hatr@ 1500ar ny 1kg.
Ny siramamy dia tsy niova fa toy ny teo aloha ihany ary manana safidy ianao, ho an'ny llafarinina indray dia t@ fotoana tsy nisiany no niakatra fa @ izao kosa dia efa milamina izany, ary ny vidin'ny mofo dia tsy nihetsika ary ny habeny dia tsy nisy fiovana. Raha ireo no jerena dia azo lazaina fa tsy marina ny tatitra voarainareo any ivelany any.
Ireo izay zatra nigalabona t@ volam-bahoaka teo aloha no mijaly sy mitaraina ary mamafy lainga ankehitriny fa tsy izahay izay zatra ny niafy ary niasa tamin-kitsipo ka tsy nanantena fahatapahan-ny vola miditra toy ny olona very seza akory.
Noho izany izay tsy miasa ihany no tsy mihinana, ary izay azo t@ makarakara dia mivoaka @ kiloadoaka.
Hafatra ho an'ny hery: mba olona nianatra sy manan-tsaina ihany ise ka dia aza manao fisainana toa io.

Nampidirin'i naritsimba @ 05:20, 2009-07-17 [Valio]

Nampidirin'i naritsimba @ 05:21, 2009-07-17 [Valio]

ppn

nysa> mitampina angamba ny masonao,

Nampidirin'i naritsimba @ 05:23, 2009-07-17 [Valio]

Nampidirin'i naritsimba @ 05:24, 2009-07-17 [Valio]
«Mialoha   1 2
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aogositra 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry