« | »

Azo henoina avy hatrany ny sombinkira radiovazogasy

2009-12-01 @ 16:58 in Serasera.org

Indraindray rehefa mandahatra hira ao amin'ny Radiovazogasy.com dia manao anjambany fotsiny fa tsy fantatra na tena ilay hira noeritreretina no angatahina na tsia. Rehefa tena tonga ilay fotoana hihainoana an'ilay hira, minitra maromaro aty aoriana, dia indraindray diso fanantenana satria hay lohateny mitovitovy fotsiny ilay izy. Manomboka izao ary dia 

... azonao atao ny mihaino ny sombin'ilay hira alohan'ny handaharanao azy. Ny hira rehetra ao amin'ny Radiovazogasy.com (7000 mahery) dia azonao henoina alohan'ny handaharanao azy. Misy sombiny eo amin'ny 30 segondra eo ampy hahalalanao na ilay hira tadiavinao marina io na tsia.

Raha mijery an'ity hirian'i Samoela hoe Hihira indray ity ohatra dia misy fitaova hihainoana an'ilay sombiny avy hatrany eo.

... Ary raha tsy sombiny fotsiny? :-p 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry