« | »

Namono olona ny JIRAMA ?

2013-04-12 @ 09:04 in Vaovao, Fiaraha-monina

Trano may tao Toamasina

Fampidirana kely an'ity vaovao mampalahelo holazaiko ity. Vao omaly mihitsy aho no nilaza tao amin'ny twitter hoe raha tany amin'ny toerana hafa (na firenena hafa) no nisy an'izao zava-mitranga ataon'ny JIRAMA ao Toamasina izao dia ho lasa JIRAMAY io. Androany maraina dia indrisy fa tsy ny Jirama no may fa olona tsy manan-tsiny. Tsy rariny ary tena tsy rariny mihitsy ny fisian'ny tanàna lehibe toa an'i Toamasina no zara raha misy jiro ao anatin'ny 24 ora, ary maharitra andro maromaro. Simba na ny fifandraisana, na ny fitehirizan-tsakafo, na ny tsena, sns. Ingahy Rolland Ratsiraka moa no kandidà avy ao izay efa nahatafiditra ny filatsahan-kofidina any amin'ny CES koa tokony izy no korontanina voalohany satria dia tsy hisy hifidy azy ny zanak'i Toamasina raha izao no tsy voalamina.

Ity ara ny lahatsoratra iray izay avy tany amin'ny namana mpanao gazety mitantara io voina nitranga androany maraina io. 

 

TOAMASINA

Namono olona indray ny Jirama


Tsy vitan’ny delestazy fotsiny fa nahafaty olona mihitsy ny orinasa Jirama Toamasina. 

Ny marainan’ny zoma 12 aprily tokony tamin’ny 8 ora, nitrangana hain-trano mahatsiravina indray ny tao amin’ny Cité Valpinson 11/62 Lot 03. May kila forehitra ny trano misy efitra roa, may tao anatin’ilay trano ihany koa ramatoabe 81 taona antsoina hoe Marie Jeannette. Efa mahazo taona rahateo ity ramatoabe ity ary efa tsy afa-mitsangana.Voafehin’ny Mpamonjy Voina an’ny Kaominina Toamasina ambonivohitra kosa ny afo ka tsy nihitatra tamin’ireo trano manodidina. 

Court-circuit no nahatonga ny afo

Raha ny fanazavan’ny fianakaviana niharam-boina, court-circtuit no nahatonga ny loza. Tapatapaka lava ny jiro ary miaka-midina ny herinaratra, ka izao nitera-doza. Manamafy ny fianakavian’ny maty fa “tompon’antoka amin’ny fahafatesan’ny havany ny orinasa Jirama Toamasina”.Efa ho herinandro izay, ora vitsy no mba mandeha ny jiro ao Toamasina. Raha tsiahivina, ny volana marsa lasa teo, court-circuit ihany koa no nahatonga ilay hain-trano tao Tanambao-Verrerie izay nahalasa lavenona trano miisa 62 sy vola an-tapitrisany maro niampy fahamaizan’ny biby fiompy.Efa tsy “Jiro sy Rano Mampijaly vahoaka” intsony ny zava-misy fa efa “Jiro sy Rano Mamono vahoaka”. Ao ny maty vokatry ny court-cicruit, ao koa ny maty eo amin’ny lafiny fihariana noho fahatapatapahan-jiro lava. Amin’izao fotoana izao, mikatso ny seha-pihariana maro ao Toamasina mampiasa herinaratra.

   

N.M

 

Misaotra ny namana nandefa ny vaovao.

Dia rahampitso indray mampita vaovao tsara kokoa

 

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry