« | »

Fanavaozana ny application Fihirana Katolika Android

2013-11-29 @ 06:19 in Vaovao, Finoana sy Fivavahana

Dia nohavaozina kely ihany koa ny application Fihirana Katolika Android androany alina. Ny zava-baovao dia ny lisitry ny Salamo sy ny fomba hahafahana mitahiry ny hira mba mora hiverenana.

Fihirana Katolika

Ny lisitry ny salamo aloha dia ilaina indrindra rehefa mitady salamo hatao setrin'ny vakiteny. Raha mila salamo faha 150 ohatra dia tonga dia mandeha ao amin'ny lisitry ny salamo dia jerena hoe inona avy ny hira mety ho hay amin'ny salamo faha 150.

Ny fitehirizana hira indray dia hahafahana miverina mora foana amin'iny hira iny rehefa avy eo. Isaky ny mamaky hira iray ianao dia misy sarina kintana kely ery ambony. Rehefa tsindrina ny kintana dia miova ho mavomavo dia voatahiry izay ny hira ka azo jerena ao amin'ilay hoe "Ireo hira notehirizinao". Mora ampiasaina io rehefa manomana litorjia ka mandahatra ny hira ho ampiasaina. Amin'izay tsy voatery mitady pejy intsony.

Ny Fihirana Katolika Android dia azo alaina ao amin'ny:

Raha misy sosokevitra fanatsarana dia aza misalasala manoratra amin'ny [email protected]

"Tsiky dia ampy"

 

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry