« | »

Nohavaoziko ny takelako :-)

2006-05-12 @ 07:23 in Blaogy Dev

Ok, ny tena takelako ofisialy dia hery.serasera.org izay takelaka mitsipozipozy mihitsy noho ny tsy fananako fotoana hikarakarana azy. Ny manamboatra kiraro hono no ratsy kiraro indrindra e :-) Koa navaoziko kely izy androany. Ny endrika aloha no tena navaozina dia nampidirina koa ny fanovana teo amin'ny modules sasany. 

Tsy hampiasa Joomla io

Marina fa manomboka tafiditra lalina amin'ny Joomla aho amin'izao fotoana izao. Nanokatra projets vitsivitsy izay mampiasa ny Joomla framework noho ny asa aty am-piasana... kanefa tsy hampiasa Joomla mihitsy ny takelako. Ny antony dia satria hafa ihany ny Solaitra na dia mbola lavitra be aza. Tsotra - Maivana (Ary tsy secure :-( ). Fa ny joomla na dia tena securisé tsara aza ny framework dia tsy matetika misy faille ny components sy modules vokarin'ny developpers sasany. Nandany ora maro mihitsy aho nanamboatra sites vitsivitsy tato ampiasana izay nisy virus.

Sady amin'izay koa aho mba mazoto mamelona tsikelikely an'ilay solaitra satria betsaka ny sites mampiasa azy ka mila hatsaraina. Ny olona tsinona tsy hiova tampoka eo. Sady ilay Joomla koa tsy dia tiako ny backend. sns. sns...

Dia aleo izany Solaitra ihany no hamelomana io site-ko io. Amin'ny été angamba no hatsaraina kely ny core satria betsaka ny hevitra hitako ao amin'ny joomla.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry