« | »

Mission possible

2006-05-15 @ 01:31 in Blaogy Dev

Tsy dia ratsy ilay Mission Impossible III. Efa noresena lahatra mafy hijery ny sasany vao nanaiky... kay nony nivoaka avy ao mba nankafy ihany

Azo heverina hoe mitovitovy amin'ny Mission Impossible voalohany (folo taona lasa izay antsoiko hoe Mi:I) ny vesatry ny actions sy ny onjan'ny tantara. Ilay Mission Impossible II ihany izany no somary tsy namely.

 

Nahafinaritra ihany koa ny set-n'ilay film. Misy nalaina teto Roma, fa ny tao Vatican hono tsy nanaiky dia voatery namorona Vatican hafa ry zalahy. Na izany aza dia nivoaka ihany... ary inoako fa nisy sary nalaina antsokosoko tao Vatican ihany ilay izy (Tao amin'ny Basilique-n'i St Pierre ohatra, tahaka ireny touristes maka sary ireny dia afaka mangalatra scenes vitsivitsy).

Ny indrokeliny dia ilay mozika mikorontana loatra. Tsy fantatro na ny edition italienne no nahatonga an'izay na tena original mihitsy. Betsaka ny nanampintsofina tao amin'ny salle.

Samihafa:

- Ilay hoe nasiana explosif kely ao amin'ny loha... ampidirina avy eo amin'ny orona. Toa tsy lozika ihany. Ny fampidirana an'ilay izy dia tsy intervention chirurgicale fa pistolet fotsiny. Tonga dia maty 100% raha réel

- Tsy hitako izay tena nilàna an'ilay mihantona amin'ny tady (efa nisy tamin'ny MiI sy MiII). Tao Vatican, nidina avy amin'ny tamboho, no naseho ilay izy. Afaka nipetraka t@ tongotra tsara anefa i Tom Cruise fa tsy voatery nanao an'iny style iny satria tsy hoe voaaro akory ny tany (toy ny tamin'ny Mi:I) na hoe nisy nilana azy manokana ilay nikirazorazo (toy ny tamin'ny Mi:II)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry