Izaho mba ampianaro
Ianareo ve rehefa mihaona amin'ny dokotera, na rehefa mandeha mitsabo tena dia miteny amin'ny dokotera hoe "izaho mba ampianaro mitsabo?", na rehefa mahita avocat dia hoe "Izaho ampianaro manao an'io?". Rehefa mahita mpampianatra dia te ho mpampianatra sns?
Fa mahagaga rehefa mahita ahy hoe dev (na site na app) dia betsaka no miteny hoe izaho mba ampianaro manao application na ampianaro manao site.
Maivana be angamba ny fahitana an'ilay hoe manamboatra site na application. Eny e, rehefa jerena ny vokatra dia toa tsotra kely, ary rehefa mijery "tutoriels" fanamboarana azy tokoa dia toa mora. Ny IA rahateo efa manampy be dia be. Fa ny olana avy eo dia tsy anananao ilay "background" izay mahasamihafa anao amin'ny olona nianatra sy nanana traik'efa taona maro.
Amin'izao fotoana izao ny tanora te hahavita zavatra dia mianatra langage de programmation tsotra (misy ara ny no-code) dia vetivety dia mahavita zavatra, ka matetika tsy tena azo ny zavatra mihodina ao ambadika... nefa ilaina ihany izany ho an'ny fahalalàna ankapobeny... raha tsy hiteny afatsy ny resaka 0 sy 1 fotsiny.
Koa raha hianatra maivana tokoa ianao dia afaka mampianatra daholo izao rehetra izao, ny Youtube, na izaho koa. Fa raha tena hisafidy ny ho informatisianina ka tena hi-dev tokoa dia fidio ny sampam-pianarana manolotra anao an'ilay lafika feno.
