Andevoizin'ny salady? :-)

2015-02-19 @ 14:44 in Eritreritra mandalo, Sakafo, Tsy aritra

Asa tokoa hoe manao ahoana ny any #Madagasikara any amin'ny resaka fihinanana sakafo. Indrindra eo amin'ny fandanjalanjana ny sakafo hohanina mba ho ara-pahasalamana. Nanomezana tsiny betsaka ny aty Eoropa sy any Amerika mantsy io fihinanana sakafo mahasalama io teo aloha. Ary noderaina ery ny Afrikanina satria misy ny rehetra sady azo ampifandimbiasina no ara-pahasalamana fa mbola tsy indostrialy. Fa amin'izao dia hitako miova ny famindran'ny olona aty. Angamba manomboka tonga saina daholo vokatry ny aretina sy ny fiovam-batana vokatry ny sakafo. Ny salady tokoa mantsy, noho ny anti-oxydant sy ny fibres ao anatiny dia manadio sy manampy ny any anaty rehetra any. Vavony, aty, tsinay... ary mahatsara fo sy mampihena ny tavy ihany koa.

Na izany asa dia somary hitako mivoana ihany ilay izy ho an'ny olona sasany satria dia lasa salady no foto-tsakafo nefa tsy dia tena hoe matavy akory. Amin'izao, ny toerana andehanako aloha, dia malaza ny menu hoe "Insalatone". Izany hoe portion ngeza amin'ny salady... tena salady iray baolina mihitsy. Mahagaga fa ifandrombahana io menu io ka manjary manao an'io daholo ny bar rehetra raha te hahazo kil hihinan-kanina antoandro.

Ankoatra izany dia tsy atokisana kokoa ny fahadiovan'ny salady noho ny fahadiovan'ny hanina nandrahoina. Ny salady araka ny novakiako tato dia mety hiteraka aretina bebe kokoa noho ny hamburger noho ny fahasarotan'ny fanasana azy. Tsy ampy ny fanasana azy amin'ny rano be fa tokony hisy fanafody sady mamono ny bakteria aminy. Voalaza ao anefa aloha fa tsy ny salady rehetra no misy bakteria mampidi-doza, saingy tsy hay na ilay salady hohaninao iny no ilay misy bakteria tsy mety afa-drano.

Any Madagasikara moa, ankoatra izany bakteria izany, dia anisan'ny loharanon'ny cysticercose koa ny fihinana salady tsy fatam-piaviana. Mbola zezi-kisoa no ampiasain'ny olona sasany mpamboly salady. Misy atodin-kakana sakoitra ilay zezika ka mipetaka amin'ny salady. Raha tsy voasasa tsara sy maharitra izany ny salady dia mahavoan'ny cysticercose.

Ngah hita e. Mila mitandrina bebe kokoa fotsiny fa izay hohanina rehetra toa ahitana tsininy daholo. Mazotoa homana.

Ah, saika adinoko. Misy siten'ankizy vao nivoaka izay, misy resaka sakafo fotsiny ao anatiny www.mamina.org sao mahaliana

Ambony noho ny finoana ny fitiavana

2015-02-14 @ 10:01 in Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Androany hono, araka ny efa nampiomanako anareo omaly (yes) ny Saint Val. Ary na dia ireo izay tsy mino an'izany resaka olomasina izany aza dia miteny hoe "Saint Valentin"... farafaharatsiny amin'ny frantsay. Ny an'ny anglisy mantsy tonga dia nataony hoe "Valentine's day" (raha tsy diso aho). Fa nanaitra ahy ny captcha (ilay teny fanamarinana etsy ambany etsy) rehefa mampiditra commentaires eto amin'ny blaogy koa dia manana endrikendrika Saint Val. Ireto amin'ny sary ireo ohatra ny hitako.

Ny fitiavana hono no lehibe indrindra hoy ny kristianina (1Kor 13, 13)... nohamafisiny tsara hoe lehibe indrindra amin'ireo zavatra telo izay mitoetra ankehitriny dia ny finoana sy fanantenana ary fitiavana. Raha raisina ara-bakiteny io dia tokony hahatonga saina satria ambonin'ny finoana koa izany ny fitiavana. Tsy tokony hisakana amin'ny fitiavana ny finoana. Raha finoana tsy mitondra amin'ny fitiavana dia finoana tsy misy dikany. Raha finoana mifanohitra amin'ny fitiavana moa dia tsy azo lazaina ho finoana akory. Satria ilay inoana dia fitiavana.

Koa dia mirary antsika rehetra hiaina ao anaty fitiavana daholo.

Mes voeux les plus sincères

2015-02-04 @ 09:32 in Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Fantatro fa efa febroary izao, ary efa tara tanteraka raha ohatra ka izao vao hiarahaba tratry ny taona... sady efa nanao an'izany koa aho amin'ny ankapobeny e. Fa nisy zavatra hitako tany ho any tsy tanako dia nozaraiko. Tsy ilay sary voninkazo fa ilay firariantsoa etsy ambany :-) Mivoatra tokoa ny taona.

Cher ami,

Je vous prie d'accepter,  (tohiny)

Hay tena nisy i Alan Turing

2015-01-21 @ 13:29 in Sarimihetsika, Tsy aritra

Alohan'ny tena resaka dia tsetsatsetsa tsy aritra kely mikasika ilay tenin'ny Papa omaly hoe tokony ho tompon'andraikitra ny raim-pianakaviana. Tsy tokony hitondra tena toa ny bitro katolika. Ny tena noteneniny dia hoe "Misy ireo miteny hoe ny katolika tokony hanao toa ny bitro... tsia... tsia". Avy eo moa izy nanazava ny ato hoe ray amandreny tomponandraikitra. Fanamarihana kely fotsiny fa hay tsy fantatry ny maro hoe ny Katolika dia tsy manaiky ny fanabeazana aizana afatsy ny natoraly. Izany hoe tsy manaiky fatotra, kapaoty, fanafody, FI.SA. Koa ny fanabeazana aizana hany voizina dia ny resaka fifadiana amin'ny fotoana maha lonaka. Izay no fitsipika sy foto-kevitra katolika. Ny tena katolika dia manarka an'io. Avy eo moa, toa ny lalàna rehetra io, misy ny mandika, misy ny tsy manaraka, fa tsy olan'ny mpanao lalàna intsony izany.

Fa ny tena resaka dia mety misy ifandraisany kely amin'izay ihany. Misy sarimihetsika mandeha amin'izao, "The Imitation Game", nanaitra ahy ny sombiny tamin'ny Youtube dia mba nijery aho. Tantara tamin'ny ady lehibe faharoa saingy tsy dia ilay ady amim-basy loatra fa ny taktika isan-karazany nitadiavana izay handresena ny Alemana. Ny alemana dia mampiasa tenimiafina amin'ny baiko alefany ho an'ny miaramila mpanafika. Azo vakiana tsara ny baiko saingy tsy fantatra hoe inona no tena heviny. Mila mahafantatra ny fifangaroan'ny tenimiafina vao afaka mahalala ilay tena baiko ao ambadiky ny baiko miseho. Ny tanjona izany raha te handresy dia ny mitady ilay tena baiko mba hahafahana miaro tena na manafika dieny mialoha. Izay no asa nampanaovina an'i Alan Turing lehilahy tsy dia mitovy amin'ny rehetra nefa nasaina nanao asa goavana noho ny faharanitantsainy... hitady ny tena dikan'ilay baiko. Tsy dia hotantaraiko amin'ny antsipirihany satria sarimihetsika vao nivoaka ihany ka sao dia mbola misy te hijery. Fa rehefa avy nahita an'ilay tantara aho dia nieritreritra hoe mety ho tena nisy tokoa izany tantara izany. Dia notadiavina tamin'ny Google dia hay tena nisy tokoa ny tantaran'i Alan Turing ary ny tantarany tokoa no asehon'ilay sarimihetsika.

Nanaitra voalohany aloha ny fomba nataon'ny olona tamin'izany fotoana izany ara-teknolojika. Toa tsy mampino rehefa mieritreritra ny finday sy ny solosaina amin'izao fotoana izao. Nefa dia tahaka izany tokoa no niantombohany. Ny kajy iray dia herinandro maro vao ahitan'ny milina valiny. Ny milina ampiasaina hanaovana izany kajy izany dia milanja an-taonina. Olona maro no miara-mieritreritra. Betsaka kokoa ny sakana kanefa betsaka kokoa ihany koa ny fikirizana. Toa mamantam-bonona ihany isika ankehitriny.

Fa nanaitra sy nahatonga saina koa ny fivoaran'ny fiaraha-monina rehefa mieritreritra hoe tamin'izany fotoana izany, izay tsy mbola 80 taona lasa akory izay, dia miafina sy voaheloka ireo izay manana fironana homosexuel. Amin'izao fotoana izao anefa izy ireo dia miantsoantso hanana zo be dia be toa ny hivady, hanana zanaka, tahaka ireo mpivady tsy mitovy ehy. Fandrosoana tokoa angamba.

Ny sombin-teny nanaitra tao anatiny sady azo entina  hikirizana amin'ny fiainana dia ilay hoe "Indraindray dia ny olona izay tsy eritreretina hahavita na inona na inona no mahavita zavatra izay tsy eritreretin'ny olona ho vita." "Sometimes it is the people who no one imagines anything of who do the things that no one can imagine."

Baikom-pitolomana: manao, manao, manao hatrany (izay vita eo vita fa mila mahavita)

Toa izao ny resaka momba ny #imitationgame ao amin'ny twitter

Aza omena an'ireny basy kilalao ireny akory ny zaza

2014-11-27 @ 10:23 in Vaovao, Tsy aritra

Maro tamintsika angamba no nahita an'ilay video izay nahafaty an'i Tamir Rice, zazalahy mainty fihodirana, vao 12 taona monja, notifirin'ny polisy tany Etazonia. Nisangisangy izy, ka rehefa misy mpandalo dia tondroiny amin'ny basy kilalao avy ato aoriana. Tsy hitan'ilay mpandalo izany fihetsika izany ka tsy mitranga eo ny olana. Fa nisy kosa vavolombelona nahita avy lavitra dia niantso polisy. Fantatr'ilay niantso hoe mety basy kilalao ilay basy ka nolazainy tamin'izy niantso. Nandefa polisy teo an-toerana ny antso vonjy taitra saingy tsy voalazany ilay resaka hoe basy kilalao. Nony tonga ny polisy nahita an'i Tamir Rice nitazona ilay basy tao am-paosiny ka saika hamoaka tanana, dia tonga dia notifirin'izy ireo. Maty teo no ho eo. Araka ny vaovao dia tsy mbola nanana traikefa ilay polisy satria tsy mbola ampy herin-taona nanaovana ny asany akory.

Tamir Rice

Amin'ny toe-javatra tahaka itony ankoatra ny fanadihadiana izay tokony hatao amin'ilay mpitifitra sns, dia manana ny andraikiny lehibe ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina. Mbola tsy azoko foana hatramin'izao hoe nahoana no ividianana kilalao izay maka tahaka ireo fiadiana fanaovana herisetra ny ankizy. Basy, antsy, sns. Ny hitany amin'ny fahitalavitra aza efa tsy fidiny. Taloha ny tena dia nanao "bandy sy rola", "polisy volera", izay marina fa mifanalavitra be amin'ny tena izy (réalités) saingy na ireny aza dia efa miteraka faniriana hanao herisetra ao anaty lalina ao. Ka raha tsy voataiza tsara dia lasa mivoaka rehefa lehibe.

Ankatoky ny noely izao, fetim-pifaliana. Dia aleo mba kilalao miteraka fifaliana ho azy, ho an'ny manodidina azy, ho an'ny feon'ny fieritreretany, no omena ny zaza. Izao fotoana izao indrindra no tokony hikolokoloina ny ho avy izay irina ho azy.

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2025 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry