Syril a Syril

2014-07-21 @ 10:50 in Tsy aritra, Manala azy

Tsy aritro ity dia apetrako eto... am-pitsikiana. Efa tsy ampy intsony ny fampitahana ahy amin'i Gothlieb dia izao lazainy fa Syril indray :-)
Efa niresaka momba an'i Syril aho tato ho an'izay tsy mahalala hoe iza izy.

Syril a Syril

Ny tohin'ny tantara?

Nolazaiko ra-sipa hoe tsy Syril, aho. Fa mbola nomeny ahy ihany ny laharan'i Stephanie. Sady hoy izy hoe "Faniriako ny hahita ny tohin'iny hira iny amin'ny manaraka."

Dia avy eo izy lasa... izaho vao saika hanontany hoe "Ny laharanao no ilaiko" loll.

Ny mahafaly aloha izany dia efa nahazo ny laharan'i Stephanie aho raha mila i Syril.

 

Ny fetim-pirenena Malagasy eto Roma Italia

Update 27/06/2014 Araka ny vaovao vao tonga izao hariva izao dia maniry ny hihaona amin'ny Malagasy eto Roma ny filoham-pirenena ka niantso ny Malagasy ho tonga eny amin'ny masoivoho. 

Koa satria mbola amin'ny 5 jolay ny fankalazana ny fetim-pirenenay eto italia dia (andraso aloha, fa maninona no amin'ny 5 jolay ny anareo ny fetim-pirenena? Ok ok, aleo izany asiana resaka kely fa rehefa avy eo vao tohizana ny tena tiana holazaina :-) )

Fetim-pirenena Malagasy eto Italia

(Misokatra ny fonon-teny) (tohiny)

Fanarahan-dalàna ao Antananarivo

2014-06-19 @ 12:56 in Fiaraha-monina, Tsy aritra

Mafanafana fo indray ny ao Antananarivo renivohitra ao satria manomboka hentitra amin'ny fampiharana ny lalàna (efa nisy taloha na vao napetraka) ny ao am in'ny Kaominina. Nisesisesy mihitsy izy tato ho ato taorian'ny gaboraraky ny Tetezamita. Nanomboka tamin'ny fandrodànana trano, fandraràna fivarotana toaka amin'ny ora sasany, fandroahana ny mpivaro-tena tsy ampy taona, fanadiovana ny mpivarotra amoron-dalana, ny fanamboarana ny laharan'ny fiara sns. Mahafinaritra aloha ny mahita ny fanarahan-dalàna tahaka izao saingy misy tsetsatsetsa tsy aritra roa.

Antananarivo

 (tohiny)

Fiantsoana any Madagasikara lasa lafo be?

2014-06-17 @ 08:42 in Fiaraha-monina, Tsy aritra

Teo alohaloha teo rehefa miantso an-taroby mandeha any Madagasikara dia ny skype no nampiasaiko na dia somary lafo noho ny tolotra sasany aza satria tamin'izany dia teo amin'ny 0,33 EUR eo ny 1 minitra. Fa tamin'ny fetin'ny reny teo dia niantso nampiasa skype indray dia akory ny hagagàna fa tapaka sahady ilay izy nefa tsy mbola niresaka firy akory. Niverina nijery ny tarif aho vao tonga saina fa nisondrotra avo telo heny ny saran'ny fiantsoana amin'ny skype any Madagasikara. Ary ny mahagaga dia tsy ny skype ihany no nisondrotra fa ireo mpifanandrina aminy hafa. Niezaka nijery ireo fampiasa hatr'izay ary aho ka dia ireto hozaraina aminareo ireto hoe iza no mora indrindra. Raha manana hafa moa dia ilazalazao. Alahatro avy amin'ny mora indrindra.

1. Rebtel

Ny Rebtel no hitako mora indrindra amin'izao fotoana izao satria dia 0,34 EUR /min no aloanao raha hiantso any Madagasikara. Ary raha mampiasa ity rohy ity ianao dia hahazo fihenam-bidy ary maimaim-poana ny antso voalohany http://reb.tl/1vyszmS

Rebtel

Marihina fa misy application amin'ny finday koa io rebtel io.

 (tohiny)

Iny hono izy ravorona

2014-03-19 @ 14:18 in Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Te hizara ity kanto ity aho androany. Fijery avy eny ambony, eny amin'ny habakabaka, rehefa baben'ny voromahery ianao. Amin'ny tantara an-tsary no mahita izany fa lasa zava-misy tokoa ilay izy rehefa nasiana fakantsary tao amin'ny lamosin'ny voromahery iray. Ny maha samihafa azy amin'ny "drone" fampiasan'ny olona dia satria ilay voromahery tsy misy mibaiko-lavitra avy ety ambany fa izay tiany aleha no aleha... afaka mandeha lavitra, fa izany hoe mila voromahery efa mahalala tompo.

Indro ary ny horonantsary mirakitra izany. Araka ny filazan'ny naka azy dia tany Chamonix (France) no nalaina ny sary.

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2022 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry